Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mainty: p.t.: Enti-milaza zava• tra mitovy volo amin'ny arfm-bilany, mifanohitra amin' ny fotsy: Lamba mainty. • h.i.: Maizina dia maizina, maizim-pito: Tao anatin'ny ali-main ty. 1 tif: Hamaintisina, amainty, maintisina / manamainty, fanamainty, mpanamainty ! anamanmtisana, fanamaintisana / mahamainty / maintimainty, maintinty / hamainty, hamaintisina. a F.-p.: Maitim-bazana: fandokoana ny hihi-nify ho mainty./Mainty hariva: mainty maloka / Mainty molaly: ilazana ireo efa ela niainana. / Harena mainty molaly: harena nolovan'ny tena na hary talohan'ny fanambadiana ka tsy iaraha-mizara amin' ny vady raha misaraka. / Manamainty molaly ny tany: manao izay hahabe ny vokatry ny tany, milofo amin'ny fambolena. / Mainty ngaly: epti-milaza andro maizina tsy ifankahitana. J Main ty ngerona: mainty malotoloto. / Mainty ngilo: mainty sady mangirangirana./Mainty ngizina: tena mainty tanteraka. J Mainty piripiso: maintin' ny tsikoko, tsy mahava-terra fa be tseroka. / Maintin-kazo: loko mainty avy amin'ny hazo. /Maintin-koua: ilazana ny volon-koditra ankapobeny amin'ny Marina. Teny iray tarika: Mainty vasoka, mainty ngaly, mainty ngilo, mainty ngizfna, mainty piso, mainty piripiso. Ahitsio
Maisatra: p. t.: Mihisatra tsy mandeha tsara azon'ny tsy ampy rano na maniais: Asio menaka fa maisatra it? milina ity izany. • Enti-milaza ny voankazo manaiki-dela, misy toa miraikidrail¢tra am-bava fa tsy malama: Maisatra matetika ny kontsy, indrindra raha monta. ¶ M.h.: Handatra. - t.i.f.: Maisamaisatra. Ahitsio
Maitia: (ety) mt. s. (mety):Avia, manatdna. Ahitsio
Maito: (ito) p. t.: Tapaka tarangana, mifarana tsy misy romoromo. * Ohab.: Maso- bary maito kitoza; ny tiako no tiany: rehefa sendra izay fifanojoanjavatra mahasoa, dia samy faly, samy tretrika. Ahitsio
Maitso: p.t.: Enti-milaza zavatra mitovy volo amin'ny ravinkezo: Maitso tanora ny volon'ny ravin 'akondro. - t.i.f : Hamaitsoina, amaitso, maitsoina, voamaitso / manamaitso, fanamaitso, mpanamaitso I anamaitsoana, fanamaitsoana / mahamaitso / maitsomaitso, maitsoitso / hamaitso, hamaitsoana. • F.-p.: Maitso akalo: entimilaza ny taona maha-mosarena (ny vary tsy misy hototoina, fa ny ravintoto fotsiny no mahamaitso ny akalo). / Maitso lafika: ilazana ny ankizy mpivoaka am-pandriana (noho ny lafika na kidoro andriany tonga maitso fa le-na lava). / Maitso tany: manomboka mitsimoka haniry (volombava, ketsa nafafy...) J Maitso volo: ilazana ny tanora. / Maitso mavana: ilazana ny ahitra milenodenoka, na ny lokon-javatra mitovy amin'izany. / Maitso tanora: maitso matsora. Teny iray tarika: Maitso ta-nom, maitso antitra, maitso milenodenoka, maitso mavana, maitsoitso. Ahitsio
Maitsoina: (maitso) mt. ih. (maitsoy): Atao tongamaitso, Iokoana maitso. Ahitsio
Maitsoitso: (t tr.) p.t.: Maitsa matsora. Ahitsio
Maitsomanana: a: Karazam-bakana. Ahitsio
Maitsoririnina: a: Karazan'ahitra (Benerio erechthitoules). ? Enti milaza koa izay zava• maniry rehetra mijanona ho maitso mandritra ny taona. ! h.o.: Ireo izay velon-dray a• man-dreny ka mana-mpanohana. Ahitsio
Maitsosomotra: (somatra) a.: Karazam-bary. Ahitsio
Maivana: p. t.: Tsy misy lanjany loatra, tsy mavesatra: Maffia-na ny volom-borona ? h.o.: Maivana ihany izany hevitra arosonao izany. - t.i.f.: Maivanina, hamaivanina, voamaivana / manamaivana, fanamaivana, mpanamaivana / anamaivanana, fanamaivanana I mahamaivana I maivamaivana / hamaivana, hamaivanana. - F.-p.: Maiva-molotra: ma. rani-bava rehefa miteny, mi-jojo raha miteny. / Maivana ady: ilazana ny kanosa sy izay tsy mahavoa amin'ny a taony. / Maivan-doha na maivan-tsaina: tsy mahadfnika, tsy mihevitra tsara, miovaova hevitra. J Maivan-danja: tsy misy vesany miolotra amin' ny hafa, /Maivan-kitsaka: kely mitezotezo ary maivandanja, — eo ho eo koa ny toe-tsainy raha misy zavatra heverina. Ahitsio
Maivanina: (maivana) mt ih. (maluano): Atao izay hahamaivana ny entana eny amin' ny olona iray, anesorana ny entana entiny: Maivan izy fa mampalahelo ers' ny mahita azy tsindrfan'entana Ahitsio
Maivivy: (ivivy) p. t.: Ta-handoa. ¶ M.h.: Maloiloy, misalebolebo, milebolebo, milembolembo. Ahitsio
Maivoka: (aivoka) p.t: Entimilaza ny vary totoina indray mandeha ka mbola ny ampombo mahery ihany no vao afaka ary toa mbola misasaka ny akotry sy ny vary fotsy. (Intelo miantoana no itotoana ny vary vao fotsy Luira izy, ka ny vary voatoto voalohany ataohoe maivoka, ny faharoa tsaitsainy ary ny fahatelo fotsy). ?h.o.: Teneninamafy: Nataony maivoka aho vao navelany, - t.i.f.: Manamaivoka, fanamaivoka, mpanamaivoka ) anamaivohana, fanamaivohana. Ahitsio
Maizamaizaka: na Mezamezaka (mezaka) p. t.: Enti-milaza bikan'olona kelikely lavalava. Ahitsio
Maizimaizina: (maizina) p.t: Manjombonjombona. • h.o.: An-tsokosoko: Tetika maizimoizina. Ahitsio
Maizina: (haizina) P. t : Tsy mazava, manjombona: Maizina ny efitrano ka vohay ny varavarankely. • h.o.: Tsy azo mazava, manjavozavo: Maizina ny lahateniny. ? a: Fahoriana mangidy: Nitondra ny maizina izy tao amin-dry Ranona tao. •Ny Ratsy, ny fanahy ratsy: Zanaky ny maizina ireny matoa tsy sahy miseho masoandro. - F,-p.: Maizina andro: mihidy aman-trano na voahidy ao an-trano. /Maizim-pito: maizina mikitroka ka tsy ahitana mangirana. / Maizim-po: enti-milaza ny olona tsy mba fatra-pamboraka ny ao ampony, jomoka, na malonilony. / Maizina ny mahazo azy; mitondra ny maizina: mijaly mafy amin'ny fahoriana mahazo azy. * Ohab.: Maizina am-pototry ny mazava: enti-milaza ny olona tsy manam-pahalalana na tsy mahalala fomba eo afovoan'ny olona mahay sy mahalala fomba Ahitsio
Majifa: (jifa) p.t.: Lany tapitra, fongana: Loza lahy ilay saka ratsy iny! Nataony majifa ny laoka sisa tao am-bilany. Ahitsio
Majika: (fr. magique) a: Fahaizana mampiasa hakingana mba hampitolagaga ny mpijery. Ahitsio
Maka: (aka) mt p. (makà): Mandray, mangalatra: Nisy naka ny bokiko teto ambony latabatra. • Mandeha mba hitady ary hitondra, miharana: Lasa naka rano any am-pantsakana i Soa, ary naka kitay any an-tsaha i Benaivo. • Mandeha mba hiangavy (olona) ho tonga; mandeha mba hitondra (zavatra) hiverina: Lasa naka dokotera i dada fa manavy ny zandrinay. / Ndeha maka antsy atsy atsinanana atsy, ry Veto a! - F.-p.: Maka am-bavany: manontany sy mamotopototra olona mba hahitana izay marina momba ny ady na raharaha iray. l Maka am-pandairana: mandray tsy an-kiato, tsy mamelamahazo. /Ma-ka an-keriny: maka amin'ny fampias ana tanj aka, herise tra / Maka an-kihitra: mandray tsy an-kijanona. / Maka ba: (jar. io teny io). f Maka fanahy: manao izay hanangolena, hitaomana hanao zavatra iray, mitaona hanao ratsy. / Maka heuitra na maka saina: manontany (olona) momba izay tokony hatao. / Moka miaramila: miantso olona ho miaramila. I Maka mora: tsy rototra raha manao zavatra / Maka rivotra: mandeha amin' ny toeran-kafa iray mba hiova rivotra; mivoaka mba hiala sasatra kely eo anelanelan' ny fotoam-pianarana. / Maka sarotra: misahirana fatratra rehefa manao zavatra. /Maka toerana: mipetraka tsara; miorina tsars, /Maka vady: mangataka ho vady. /Maka vadin' olona: manao ny fanaon'ny mpivady amin'ny olon-kafa tsy vadin'ny fana. J Maka va-va latsaka: misambotra teny diso na sendra lasa ka mana• raraotra izany mba hamelezana na hananganana korontans. / Maka vavan'olona: mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry hanche sy hahitamaso mivantana). / Tay moka sarotra: tsy mihetsikamahery na manao fiezahan-tsaina mafy akory rahs miteny na manao zavatra. * Ohab.: Tanora miadam-pihary ka moka kitoy fotsy vo-Io: manaram-po fahazaza dia manomana fahanterana fadiranovana. Ahitsio