Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamboana: (boana) mt.p. (mamboàna): Mamoha varavarana an-tratreva ka mitera-ka feo mikotrokotroka. Ahitsio
Mamboatra: Manamboatra (voatra) mt.p. (mamboàra): Manao, manome endrika: Manamboatra trano. ~ Manomana, mikarakara: Mamboatra nahandro. 1 Mandamina, mandrindra: Izy no nanamboatra ny adinay. Ahitsio
Mamboba: (bobo) mt.p. (mambobà): Mividy mora dia mora. Ahitsio
Mamboly: (voly) mt.p. (mambole): Mamafy voa na manatsatoka taho mba haniry:Mahereza mamboly vary ianareo. 1 Manao voly eny amin'ny...: Namboly teny an-dohasaha sy teny an-tanety izahay tamin'ito mba tsy ho sahirana amin-kanina 1 h.o.: Mahatonga, miteraka, mainpiditra: Tana namboly fahasahiranana betsaka tamiko loatra iny zaza iray iny. Ahitsio
Mambomba: (bomba) mt.p. (mambomba) : Mandrakotra (filaza ny reny misakobona ny zanany ao anaty lamba, eo am-pofoany), manarona: Mambomba ny zanany ao anaty lamba Rasoa fa mangatsiaka ny andro. Ahitsio
Mambonoka: (bonoka) mt.p.: Manarona (olona) hafana. Ahitsio
Mambontsimbontsina: (bontsina) p.t: Misy mivotrovotro, mana orofotra. Ahitsio
Mamboraka: (boraka) mt p. (mamboraha): Milaza ny zavatra miafina ao am-po:Namboraka tamiko ny fikasany hanao Mpiasan'Andriamanitra izy. Ahitsio
Mamborona: (borona) mt.p.: Mandany tanteraka, manapitra, mamongana: Ny loka no namborona an-dRakoto. Ahitsio
Mambory: (bory) mt.p. (mamboria): Manao izay hahabory, izany hoe, manapaka ny rantsana na kitamby amin' ny zavatra iray. Ahitsio
Mambosibosika: (bosika) mt.p. (mambosiboseha): Mihinana manao be am-bava, miosanosana sy mandrapadrapaka: Nambosibosika ery i Balita kely fa hatramin'ny fito ma-raina izy no tsy nanendry ha-n in n Ahitsio
Mambosy: na Manambosy (ambosy) mt p. (mambosia, manambosia): Mankahery: Nanambosy tsara ny mpianatra izy talohan'ny fanadinana. 1 Mamporisika, mitarika mitaona hanao: Nanambosy ny mpiasa hikomy mihitsy Ranona ka notanan'ny fanjakana. ¶ M.h.: Manaboly, manabony, mandrobo, mandroboka, manangely, manejokejo, manojikojy, manolikoly, mandrokiroky, mandraviravy, m anjono, mandango, mandangolango, manitikitika, manangoly, manao safosiaka, mitomany ambony fe, mandoka, midredro, manao teny malefaka, manao ronono antavy, manao kobaka am-bava, manao volana hatenda, manao lango malefaka, manao vola-mahadradraka, manao fandria-malemY lafika, manao lokanga hisatra, manao hatsohatso, mizara vava. Ahitsio
Mambotry: (botry)mt.p. (mambo tria) : Mandany izay ananana: Tsy tsara ny mambotry ny ray aman-d ren y. Ahitsio
Mamefika: (fefika) P. (mamefeha): Manao izay haharendrika (noho ny antony samihafa): Namefika ny sambony an-tsitrapo ilay Kapiteny. 1 Mamaky (atody), mamely totohondry. Ahitsio
Mamefy: (fefy) mt.p. (marne-fa): Manisy fefy, vala. zavatra miaro manodidina: Mamefy ny saha Ahitsio
Mamehy: (fehy) mt.p. (mameheza): Mamatotra: Efa mamehy en fana izy fa handeha ¶ M.h.: Mifehy, mamatotra, mamona, maningotra, mandadina, mandrohy, mandringotra, mandiditra, manandrotra, manasingory, manao tadivavarana, manao fatomaty, manao fatotr'ombin' ny tsy miala vola, manao fatotra jagigy, managigigigy, manao rohy foza. Ahitsio
Mamela: (vela) mt.p. (mamelà): Manajanona: Iza no namela io angady io teny an-tokotany? ~ Mandao: Namela zaza fito mianadahy Ratompokolahy izay lasa izay! ~ Manome lalana: Mamelà anay hisaotra anao, Tompoko. ~ Mamindra fo amy...: Mamela anao tanteraka aho fa aza mamerina intsony. Ahitsio
Mamelana: (felana) nits.: Vaky felana, izany hoe mivelatra ireo ravina tsirairay amin' ny voninkazo. Ahitsio
Mamelapelatra: na Manapelapelatra (pelatra) mt.p. (marnelapelara, manapelapelara): Manisy tehamaina, mamely amin'ny zavatra fisapisaka. Ahitsio
Mamelatra: (velatra) mt.p. (mamelàra): Mamaia hitsotra tsara: Mamelatra karipetra handiauan'ny mpanambady ny tompontrano. ~ Manokatra: Mamelatra boky ny mptanatra ~ Mandahatra tsara mba hanaitra ny mason'ny olona: Mamelatra ny entany vao maraina ny mpivarotra rehetra 1 Manomana ho an'ny ilana azy: Mamelatra fandambanana. / Mamelatra fandriana. sns.,. rr Mametraka: Mamela-pandrika ho an'ny biby ny mpihaza. •Manazava: Ny mpitandrina Ranona no hamelatra na hamelabelatra (i-t? faharoa it? no fampiasa kokoa) ny lohateny hoe: Zava-poana izao tontolo izao. Ahitsio