Mamoraka | : | (voraka) mt.p. (mamoràha): Mamaha: Mamoraka tady. • Mamoaka avy ao anaty zavatra: Mamoraka ny tao am-bata. • Mampiseho izay ao anaty: Mamoraka ny ao am-po.
Ahitsio |
Mamoravora | : | (voravora) mt.p. (mamoravorà): Manaborabora, manageragera. • Manasafotofoto, manasavorovoro.
Ahitsio |
Mamorery | : | (vorery) mt e: Manala baraka, mahafa-baraka, manala voninahitra: Mamorery ny fitondran-tena rate y.
Ahitsio |
Mamoretaka | : | (foretaka) mt.p.: Manisy fotaka, manasolitika, manafotetaka.
Ahitsio |
Mamoretra | : | (voretra) mt.s.: Mifanety, mifanizina (voankazo).
Ahitsio |
Mamorifotra | : | (forifotra) mt s.: Mivoaka (enti-milaza ireo bontsimbontsina kely be dia be vokatry ny aretina): Namorffotra ny kitrotron'Ilita ka tsy naharitra reniny naka dokotara.
Ahitsio |
Mamorika | : | (vorika) mt.p. (mamoreha); Mamosavy, manome sakafo misy ody mahafaty na mankarary.
Ahitsio |
Mamorina | : | (vorina) mt.p. (mamorèna): Mangorona kofehy (landy na rofïa) ho vita kibory•
Ahitsio |
Mamoritra | : | (foritra) mt.p. (mamoreta): Manorotoro, mikosoka: Mamoritra voaloboka amin'ny tanana. • Manery: Aza mamoritra anay fa mafana ny andro. 1 Mangeja, mangia: Tiany ny mamoritra ny tanan-jazakely. ? h.o.: Namoritra azy loatra tamin'ny volany Rakoto ka nandositra izy. • Mampahory: Mamoriira ny madinika. • Mampilefitra, mampiketrona: Mamoritra rantsan-kazo. / Hitsangana ihany aho fa mamoritra ny akanjoko ny mipetraka
Ahitsio |
Mamorivory | : | (vorivory) rat. s.: Mandroatra, misafoaka: Mamorivory ny ranomasina.
Ahitsio |
Mamorofotra | : | (forofotra) p.t: Rakotra bontairnbontsina kely be dia be: Indray andro ihany dia nivoaka ny bonibonin'Ilita; namorofotra daholo ny kibony sy ny lamos in y.
Ahitsio |
Mamorona | : | (forona) Mampisy, manao amin'ny tsy misy: Andriananahary no namorona an'izao tontolo izao. • Manao, manamboatra: Namorona sary mahafinaritra izy. • Manangana, manorina: Rehefa mamorona fikambanana dia tsy maintsy mampandre ny fanjakana 1 Mahita: Iza indray no namorona izany hevitra an-taingina izany.
Ahitsio |
Mamorotaka | : | na Miporotaka (rotaka) mt.s.: Mitambotsotra midina (toy ny kibo ben' ny olona matavy ).
Ahitsio |
Mamorotsaka | : | (rotsaka) mt. s. (mamoro tsaha): Mian tsambotra, roboka, manao zavatra tsy amim-piheverana, kitoatoa
Ahitsio |
Mamorovoro | : | Manavorovoro (vorovoro) mt.p.: Manakorontana, manasafotofoto: Tsy manao afa-tsy mamorouoro trano ire to ankizy ireto.
Ahitsio |
Mamory | : | Mamorivory (vory) mt. s.: (ity faharoa no fampiasa indrindra) Mandroadroatra: Mamoriuory ny ranomasine
Ahitsio |
Mamory | : | (vory) mt.p. (mamoria): Miantso ho tonga miaraka, amin'ny toerana iray: Namory ,ny mahantra teo amin'ny fokontany izahay mba hizarana fitafiana 1 Manaika, manainga: Namory ny Parlemanta ny Filoham pirenena • Manangona: Namory sary betsaka aho fony izaho tany Afrika.
Ahitsio |
Mamosaka | : | na Manaposaka (posaka) mt.p. (mamosaha, manaposaha): Mampiseho: Tsy nety namosaka izay nosoratany izy. 1 Manambara: Tsy nety namosaka ny teti-dratsiny izy na dia efa traira aza
Ahitsio |
Mamosavy | : | (mosavy) mt.p. na mt. s. (mamosavia): Manisy mosavy, mamorika, manimba ka mahafaty: Lazain'ny olona fa ilay olona tao atsimony, hono, no namosavy axy. 1 Milaza ny tsy mety, toy ny, ohatra, milaza olontsy heny ho mpivady: Ranona it? mamosavy mihitsy; olona mpianadahy ireny ka ataonao hoe mpivady. • Manao zavatra mety hahavoa: Mamosavy izay nanaparitaka ireto fanjaitra ireto teto amparafara? 1 Enti-milaza ny saka manana anaka.
Ahitsio |
Mamosesika | : | (bosesika) mt.p.: Manampina, mamempina: Mamosesika ny arabe ny vahoaka.
Ahitsio |