Manakezaka | : | (kezaka) mt p.: Mampanify: Manao izay hanakezaka ny tenany mafy izy fa tsy tiany, hono, ny matavy.
Ahitsio |
Manakiaka | : | (kiaka) mt.p. (manakiaha): Mandrangotra, manenda-koditra. ~ Manoritra kely amin-javatra.
Ahitsio |
Manakiana | : | (kiana) mt.p.: Ma-nome tsiny: Tsy ilaozan'olona hanakiana ny zavatra ataonao fa aza kiuy.
Ahitsio |
Manakibo | : | (kibo) mt.p. kiboa): Manitikitika
Ahitsio |
Manakifika | : | (kifika) mt.p. (manakifiha): Manilika, manifika.
Ahitsio |
Manakiho | : | (kiho) mt. p.: Mandona amin'ny kiho, marnely amin'ny kiho.
Ahitsio |
Manakiky | : | (kiky) mt.p. (manakikisa): Mihinana, mikepoka ny fananan'ny sasany.
Ahitsio |
Manakila | : | (kilo) mt.p.: Mandoro, mitono.
Ahitsio |
Manakimpy | : | (kimpy) mt.p. (manakimpia): Manakombona ny hodimaso ka manjary tsy mahita ny maso: Manakimpy ny masony havia izy.
Ahitsio |
Manakipaka | : | (kipaka) mt.p. (manakipaha): Manala, manesotra, manendaka: Handalotra angaha ry zareo atsy avaratra fa nanakipaka ny tsihy tao aminy vao maraina. 1 h.o.: Manary: Tsy tsara ny manakipaka ny havana mahantra
Ahitsio |
Manakipika | : | (kipika) mt.p. (manakipiha): Manesotrazavatra hiala ka ailika; manala min' ny fan akifrhana; manipy.
Ahitsio |
Manakipily | : | (kipily) mt.p. (manakipiliza): Mitoraka zavatra, manipy zavatra any ivelany.
Ahitsio |
Manakira | : | (kira) mt.p. (manakirà): Maka na manala kiranjavatra.
Ahitsio |
Manakiramborambo | : | (kiramborambo) mt.p. (manakiramboramboa): Mamela hikirazorazo.
Ahitsio |
Manakiraro | : | (kiraro) mt.p. (manakiraroa): Manisy kiraro tongotr'olona iras.
Ahitsio |
Manakiraviravy | : | (kiraviravy) mt p. (manakiraviraveza): Mampihantona zavatra ka mampirazorazo azy tsy hitehika amin'ny tany.
Ahitsio |
Manakirazorazo | : | (kirazorazo) mt p. (manakirazorazoa): Manantona mihevaheva tsy mitehi-tany.
Ahitsio |
Manakiririoka | : | (kiririoka) nit p. (manakiririoha): Mikiakiaka eo an-tsofin'ny sasany, mitsoka tsotsoka.
Ahitsio |
Manakisaka | : | (kisaka) mt.p. (manakisaha): Mamindra toerana ka tsy bataina fa atosika akorisa; manosika ho eo an-tsisintsisiny, mampihataka.
Ahitsio |
Manakisolosolo | : | (kisolosolo) nit p. (manakisolosoloa): Manao izay hahavo ila ny tany iray, hampisolampilampy azy.
Ahitsio |