Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manamy: (tamy) mt m. (manamia): Manao amboletra miditra ao an-trano amin'ny fihadiana vody rindrina, famakiana varavarana: Nisy jiolahy nanamy trano, hono, halina Ahitsio
Manamy: (hamy) mta: Mitondra akanjo fenti-mihaingo, mihaingo. Ahitsio
Manana: (anana) mt.p. (manàna): Enti-milaza fa tompon' ny zavatra iray: Manana satrobory Isambilo. / Manampanahy Rasoa - F.-p.: Manana anarana: manan-daza, fantatr' olona. 1 Manan-draharaha: misy mahasahirana, be raharaha: A-za fady fa manan-draharaha aho ka tsy ho afaka rahampitso. / Manan-jara: ambinina, tsara vintana. / Mana-manjo: maty havana, manan-kavana nody mandry. ¶ M.h.: Tompo-manjo, tompom-pahoriana. / Manan-jo: Manan-kasina. / Manan-tsy mamanga: mahazo zavatra maimaimpoana, tsy mividy vola. J Manan-janaka: manan-janaka torontoronina ao an-kibo, mitoe-jaza. / Manana alahe-!o: manome tsiny: Manana alahelo aminao, hono, izy no-ho ny tsy nanatrehanao ny fanambadiany. / Manan-kabary: manana ady, manana fifanolanana amin'olona, / Manan-kasina: misy hery am. sy lehibe: Manan-kasina ny tanindrazana. * Ohab.: Izay tondraka anio manan-jara; izay ho ampitso ka ho hitanao: fitenin'ireo mpirobaroba izay tsy mitsinjo ny ho avy fa faly ny handany anio izay azo anio ihany. Ahitsio
Manàna: (hana) mt.s.: Maka na misambo-bola misy zanany. Ahitsio
Mananaka: (hanaka) mt.s.: Enti-milaza zavatra toy ny voankazo mitera-drano be ao anaty vava rehefa hanina. Ahitsio
Mananasy: (fr. ananas) a.: Ka-r az an-javamaniry mamoa misy raviny matsilotsilo ary hodiny matevina marokoroko: Voankàzo be ranony ny mananasy. "Ilay boka mitain gin- tseza" no filaza ny mananasy amin'ny ankamantatra. Ahitsio
Mananatra: (anatra) mt. p. (mananara): Manao na manipy torohevitra, manoro izay tokony hatao: Isan-kariva i dadabe fahizay tsy tapaka nananatra anay. ? Manao hafatrafatra: Talohan'ny hiainganay, dia nananatra mafy i da-da sy i neny. ? Mitezitra, mandevilevy: Nanao kitoatoa ise ka tsy maintsy mananatra anise toy.izao aho. Ahitsio
Mananatry: (sanatry) mt s.: Manao satry, mandroaka fanahy ratsy. Ahitsio
Mananda: (sanda) mt.p. (manandà): Manome sanda (fanampin-javatra mba hampitovy vidy azy amin'ny zavatra iray hafa): Angady mondro sy reniakoho ka izay mananda no resy (ohab.); izanY hoe zavatra roa mitovy vidy izy roa ireo ka raha misy olona roa mifanakalo azy ireo, izay mbola manome sandany, na fanampiny, an'ilay iray hafa dia azo heverina ho resy, namaty antoka. Ahitsio
Manandevo: (andevo) mt. p. (manandevoza): Mitondra ohatrany andevo. Ahitsio
Manandindona: (tandindona) mt.p.: Manaloka: Misy hazo manandindona ny tranonay. * Manindry mandry: Efa nnnandindon azy ny ho faty. Ahitsio
Manandoka: (sandoka) mt.p.: Mangalatra an-kafetsena, mifetsy. Ahitsio
Manandra: (tandra) mt.p. (manandrà): Manongotra amin' ny tandra. Ahitsio
Manandra: (tandra) mt.p.: Manao fanomezana ho an'ny zaza iray mbola tsy teraka na zaza marary mba hisambasambàna fahaterahana na fahasitranana soa aman-tsara ho azy. Ahitsio
Manandrahaka: (sandrahaka) mt.s.: Mitondra rantsana betsaka: Nanandrahaka haingana lahy it? hazo ity! Ahitsio
Manandrana: (andrana) mt.p. (manandrama): Mitsapa mialoha: Andeha hanandrana ilay angadinomby uao novidiko aho rahampitso. ? Mihinana kely amin-javatra iray hahalalana ny tsirony: Manandrama amin'ity paiso it? ianao fa hankasitraka aoka izany. Ahitsio
Manandrandra: (andrandra) mt. p. (manandrandrà): Manatraka; mampitraka ny loha. ? Manantena: Manandrandra ny fahombiazana izy. Ahitsio
Manandratra: (sandratra) mt.p. (manandrata): Manainga ho ambony: Manandra-tanna * Mampanehoeho, manome laza: Izay manandra-tena dia haetry. Ahitsio
Manandria: a.: Karazan'amponga natokana ho an'ny lanonana fanatanjahan-tena (moraingy, tolona, daka...); tsotra ny fehin'ny manandria fa manaraka ny lavan'ny amponga daholo fa tsy misy manodidina ny vatany toy ny ampongahafa. Ahitsio
Manandriana: (andriana) nit P.: Manaja fatratra. - F.-p.: Manandrian-tena: manao ny tenany na miseho ho andriana. / Manandriandrian-tena: mihambohambo foana. Ahitsio