Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsiafakomby: a.: Karazan-kazo madinika misy tsilony maranitra fanaon'ny olona fefimboly. Ahitsio
Tsiahina: (tsiaka) mt. ih. (tsiaho): Triarina. Ahitsio
Tsiahy: a: Fahatsiarovana, embona: Enyl lasa izy izay... — Tsiahy sisa... Tsiahy resy, tsiahy ory sy tomany. (Dole) i t.i.f.: Tsahivina, atsiahy, voatsiahy 1 mahatsiahy, fahatsiahy, mpahatsiahy 1 ahatsiahivana, fahatsiahivana / tsiahiahy. Ahitsio
Tsiaka: p. t.: Triatra. - t.i.f.: Tsiahina, atsiaka, voatsiaka, tafatsiaka I manatsiaka, fanatsiaka, mpanatsiaka 1 anatsiahana, fanatsiahana 1 mitsiaka, fitsiaka, mpitsiaka 1 itsiahana, fitsiahana / mahatsiaka / tsiatsiaka. Ahitsio
Tsiakondrokondro: a: Karazan-javamaniry tsara tarehy anisan'ny orkidea (Angroecum superbum) Ahitsio
Tsialahy: s.o.: Ry zalahy, lehiretsy: Nahoana, tsialahy, no tsy nolazainareo izany e! Ahitsio
Tsiambaimbay: p.t.: Tsy feno, tsy ampy. Ahitsio
Tsiambaratelo: a: Zavatra afenfna tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin'ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko. 1 h. i.: Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary. ¶ M.h.: Zavatra tsy ambarambara, ankaro-miafina, am-po tsy miloaka, otrikafon'ny fo, am-po tsy ambara, tokantrano tsy ahahaka, tsy atao eo imason'olona, tsy fampitranga vahoaka, an' ny tena samy irery, tahirindresaka, teny mby am-bato. Ahitsio
Tsiambohibatana: a: Karazana voahangy mangamanga. Ahitsio
Tsiambolo: a: Angely kely mbola tsy ary elatra. 1 h.o,: Ilazana olona tsy misy volo, na mariry; sola vantony. Ahitsio
Tsiamponga: a.: Karazan-damba nampidirin'ny Arabo teto fahizaY. Ahitsio
Tsianaby: p.t.: Isika rehetra. (Rehefa misy mievina dia hoy ny olona manatrika hoe: "Velona", ary hoy kosa ilay mievinahoe: "Tsianaby"). Ahitsio
Tsianaranana: a.: Anaran-kazo iray izay tsy azo ihinanana betsaka ny voany; tsy azo anaranam-po fa mankarary ny vava. Ahitsio
Tsiandravina: a.: Anaran-javamaniry tsisy ravina, atao koa hoe: Tsibolo na tsobo-10 (Hernonia scopia). Ahitsio
Tsiankoditra: a.: Ody fiarovana amin'ny bala sy ny lefona alefan'ny fahavalo na ny mosavy ataony. Ahitsio
Tsiantsaha: a.: Akanjo na salotra be vidy tsy takatry ny tantsaha. Ahitsio
Tsiantsotry: a: Karazam-basy izay kely ny atiny. Ahitsio
Tsiaridrafy: a.: Anarana hafa ilazana ny'voanemba. Ahitsio
Tsiaro: a.: Fiverenan'ny zavatra efa lasa ao an-tsaina indray. - t.i.f.: Tsaxovina na tsarovana na tsaroana, voatsiaro / mahatsiaro, fahatsiaro, mpahatsiaro / ahatsiarovana, fahatsiarovana. Ahitsio
Tsiarombavy: a.: Ny vehivavy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka fahiny izay niforona ho toy ny foko iray mihitsy. Ahitsio