Trozona | : | a.: Biby mivelona any anaty ranomasina, ny lehibe indrindra amin'ny biby fantatra amin'izao andro izao fa mety hahatratra 20 metatra ny halavany ary 130 taonina ny lanjany. - F.-p,: Mivadika ny trozona: teny fitenin'ny olona rehefa misy horohoron-tany. / Lehibe ohatra ny trozona: ilazana zavatra makadiry izaitsizy,
Ahitsio |
Tsa | : | (Btl) p, mt.: Tsy.
Ahitsio |
Tsabahina | : | (tsabaka) mt. ih, (tsabaho): Haronina amin'ny tanana ka manjary maloto: Tsy hihinana io ro io aho fa efa notsabahin'ny ankizy. 1 Enti-milaza zavatr'olona iditridirana tsy misy antony: Aza tsabahinao ny raharahan-tokantrano n' o lo na. 1 I-dirana: Aza tsabahinareo io trano io fa misy areti-mifindra.
Ahitsio |
Tsabaka | : | a.: Fangaronana amin' ny tanana ny ao anaty lovia. ? h.o,: Fidirana tsy tahotra tsy henatra ao an-tranon'olona; fikasihana tsy misy antony ny raharahan'olona; fidirana ao amin'ny trano misy areti-mifindra. - t.i.f.: Tsabahina, atsabaka, voatsabaka, tafatsabakai manatsabaka, fanatsabaka, mpanatsabaka ) anatsabahana, fanatsabahana / mitsabaka, fitsabaka, mpitsabaka ! itsabahana, fitsabahana I mahatsabaka.
Ahitsio |
Tsabo | : | a.: Fikarakaranâ ny hahasitranan'ny marary iras: Ataouy tsara tsabo ny marary fa haloako daholo izay laninao aminy. - t.i.f.: Tsaboina, voatsabo, tsinabo ( mitsabo, fitsabo, mpitsabo ( itsaboana, fitsaboana / mahatsabo.
Ahitsio |
Tsaboaka | : | a.: Ny feo re raha misy vato atoraka mafy ka mianjera ao anaty rano. - t.i.f.: Atsaboaka, tafatsaboaka)mitsaboaka, fitsaboaka / itsaboahana, fitsaboahana ( mahatsaboaka / tsaboaboaka.
Ahitsio |
Tsaboina | : | (tsabo) mt ih. (tsaboy): Karakaraina amin'ny fanomezana fanafody sy fikajakajana mba ho sitrana, ka sady azo ilazana ny marary no ilazana ny aretina: Notsaboiny ny zanaho dia sitrana. / Aretina sarotra tsaboina io aretina io. 1 t.t.m.: Vonjena amin'ny fanomezana vola na zavatra: Tsaboy hely roapolo any aho.
Ahitsio |
Tsahatra | : | a.: Fiatoana, fijanonana; fifaranan-javatra ka tsy misy tohiny intsony. - t.i.f.: Atsahatra, voatsahatra, tafatsahatra ) manatsahatra, fanatsahatra, mpanatsahatra J anatsaharana, fanatsaharana I mitsahatra, fitsahatra, mpitsahatra f itsaharana, fitsaharana / mahatsahatra ) tsahatsahatra.
Ahitsio |
Tsahivina | : | (tsiahy) mt ih. (tsahivo): Tsarovana, tadidina: Tsahivo ilay teniko taminao.
Ahitsio |
Tsaho | : | a.: Teny na resaka mandeha mitety hatrany, izay tsy mbola voafototra na marina na tsia; vaovao tsy fanta-pototra heno miely ombieny ombieny: Mandeha ny tsaho fa hody daholo, hono, ny Vazaha. - t.i.f.: Tsahoina, voatsaho ( manatsaho, fanatsaho, mpanatsaho ( anatsahoana, fanatsahoana / tsahotsaho. - F.-p.: Mamoron-tsaho, manangan-tsaho: mamorona teny mandeha tsy marim-pototra. / Manely tsaho, mampiely tsaho: manaparitaka tsaho, mampiely honohono tsy voamarim-pototra. ¶ M.h.: Sahoa, siosio, honohono, tsahotsaho, vaovao, resaky ny olona, tohono, fosafosa, ketsoketso. —Manely tsaho, mampiely tsaho, mihono, manangan-tsaho, mamoron-tsaho, manao tsy liantsofina, manao fary mitety reny, ma-bdlana ilàlana.
Ahitsio |
Tsahoina | : | (tsaho) mt. ih. (tsahoy): Lazaina ka aely: Tsahoin'ny olona fa hipoaka indray ny adin'ny Jiosy sy ny Arabo.
Ahitsio |
Tsaika | : | a.: Zaza tsy ary fady. Tsaika (fit.-p.) a.: Zaza.
Ahitsio |
Tsaika | : | a: Fanjaitra lehibe izay nampiasain'ny teo aloha ary mbola ampiasain'ny olona eny ambanivohitra ankehitriny hanjairana tafo herana.
Ahitsio |
Tsaika | : | a.: Fakana tsy miera mangingina atao tsy fantatra, fandraisana na fitondrana an-tsokosoko dia lasa; fanatonana atao tsy re, moram ora. - t.i.f.: Tsehina, voatsaika, tsinaika ) mitsaika, fitsaika, mpitsaika I itsaihana, fitsaihana ) mahatsaika I mitsaitsaika ! tsaitsaika.
Ahitsio |
Tsaika | : | a.: Fifantenana atao amin'ny voan-javatra madinika toy ny vary; fanivanana izay vos tsars; fanesorana ny zavajavatra miaraka amin'ny vos, toy ny vato kely, fasika... - t.i.f.: Tsaitsaikana na tsaikafina, voatsaika, tsinaika ( mitsaika, fitsaika, mpitsaika ) itsaikana, fitsaikana ( mahatsaika I manatsaitsaika na manatsaika ( tsaitsaika. • F.-p.: Tsaitsai-bary na tsaitsainy: jer. io teny io. / Tsaihany: ny ratsy ariana amin' ny fifantenam-bary, ny faikany. / Tsaikan'olona: olona tsinontsinona tsy misy antony, faikan'olona. / Manala tsaikany: mifantina, manavaka izay ratsy. / Tsaikandandy: ny landy efa sisa avy nifantenan'olona, ny ratsy sisam-pidy amin'ny zavatra iray toerana.
Ahitsio |
Tsaikana | : | na Tsaikafina (tsaika) mt. ih. (tsaikao, tsaikafo): Fantenana; esorina ny vato kely miaraka amin'ny,..: Tsaikao tsara ity uary ity fa be uato.
Ahitsio |
Tsaikona | : | a.: Ilay famindra ataon'ny soavaly raha tsy manipy tanana izy. ? h.i.: Hazakaza-madinika, famindra mipitipitika toy ny hiriotra. - t.i.f•: Tsaikonina, atsaikona, tafatsaikona / manatsaikona, fanatsaikona. mpanatsaikona ( anatsaikonana, fanatsaikonana I mitsaikona, fitsaikona, mpitsaikona ( itsaikonana, fitsaikonana i mahatsaikona ) tsaikontsaikona.
Ahitsio |
Tsaikonina | : | (tsaikona) mt. ih. (tsaikony): Ampandehanina manao hazakaza-madinika.
Ahitsio |
Tsainga | : | (t. tr.) ft. niavian'ny hoe: Mitsainga: mandeha.
Ahitsio |
Tsaingaroroka | : | a.: Firarian-tsoa atao amin'ny zaza izay mie-vina, ka ny heviny dia hoe: Aoka hitsainga sy haroroka.
Ahitsio |