Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsiarondahy: a: Ny lehilahy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka, izay zary foko iraY mihitsy. Ahitsio
Tsiarondahy: na Tsierondahy a.: Lehilahy menakelin'ny mpanjaka fahizaY. Ahitsio
Tsiatsia: a.: Fakana rivotra na fialana voly eny amin'ny hatsiatsiaka. - t.i.f.: Mitsiatsia, fitsiatsia. Ahitsio
Tsiavaramonina: a: Anaran-kazo madinika fanao fanafody tety (Rhaphispermum Gerard io ides). Ahitsio
Tsiavaramonina: a.: Anarambosotra nilazana ny kofafa. (Tao an-joron-trano atsimo andrefana, aka.' m'ny varavarana, no faihetxahan'ny Ntaolo ny fanoto sy ny kofafa fa tsy mba azo natao teny avara-patana izy ireo). Ahitsio
Tsiavenina: a: Zavamaniry fanao fanafody fivontosana. Ahitsio
Tsibabibaby: a.: Kilalaon'ny ankizy — indrindra ny ankizivavy — mifampibabibaby, na mibaby sariolona. Ahitsio
Tsibahia: a: Anaran-damba nentin'ny Antalaotra teto fahiny. Ahitsio
Tsiboboka: a.: Sahona na saobakaka kely tsy mbola niofo, mora fantarina amin'ny lohabeny mbola mikambana bambaray amin'ny vatany; miaina any anaty rano ny tsiboboka. Ahitsio
Tsibody: a: Anarana ilazana ireo valala atsipy velona ao anaty afo ka hita fa tsara tono izy rehefa mipoaka ny kibony. Ahitsio
Tsibokaboka: a: Lalao fanenjika fanaon'ny anklzy: misy iray atao hoe'Boka" manenjika ny namany ka izay voakasiny dia amindrany ny habokany ka manenjika ny ha-fa indray, fa izy kosa afaka. ? p.t.i Heverina ho boka fa tsy tena boka. Ahitsio
Tsibolo: a.: Hazo madinika tsy misy ravina (Hernonia scorpia). Ahitsio
Tsibolobolo: a.: Volo malemy mitsangantsangana. i t.i.f.: Mitsibolobolo. Ahitsio
Tsidafodafoka: a.: Tsikasinkasina. i Li. f.: Mitsidafodafoka, fitsidafodafoka, mpitsidafodafoka. Ahitsio
Tsidakadaka: a.: Mitovy amin' ny Dakadaka. Ahitsio
Tsidanoka: a: Mitovy amin'ny hoe Danoka. Ahitsio
Tsidihina: (tsidika) mt. ih. (tsidiho): Vangiana fa sendra nandalo teo akaiky ny tena; vangiana: Tsidiho i Nenitoanao fa manavy. Ahitsio
Tsidika: a: Karazan-gidro madinika (Cheirogaleus milii). Ahitsio
Tsidika: a.: Fisehoan'ny loha eo am-baravarana nefa tsy miditra ny tena; famangiana miserana; ilazana koa ny fandalovana amin'ny tanàna iray dia lasa fa tsy mijanona ela. - t.i.f.: Tsidihina, atsidika, voatsidika, tafatsidika/ mitsidika, fitsidika, mpitsidika / itsidihana, fitsidihana / mahatsidika, tsiditsidika. a F,-p,: Tsidi-pahitra: 1) famangiana miserana fotsiny mba hahazoana milaza hoe efa nitsidika; -2) tsirambina amin'ny zavatra atao (avy amin'ny tsy fahavarana mijery ny fahitra misy ny omby isan'andro fa indraindray ihany). / Manao tsidi-pahitra: mamangy miserana kely toa alasafay fotsiny; manao tsirambina ny asa na raharaha atao. Ahitsio
Tsidilahy: (Btm) a.: Anaram-bibikely sahala amin'ny voalavo. Ahitsio