Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
H: a.: Tarehintsoratra fahafito ary renisoratra fahadimy amin'ny abidy malagasy; zara raha beno ny feon'ny H, fa indraindray kosa toa voatonona any an-tenda no fandrenesana azy: Maloka ny tontolo rehefa hariva ny andro (zara raha heno). l Nisy nitoraka ny tranonay halina (any an-tenda). Ny H dia miova ho K amin'ny fanakambanan-teny: Manana havana: manan-kavaha Ahitsio
Ha: : Fanafohezana ny hoe Hatra izay atovona amin'ny anaran'ny faritra sasantsasany amin'ny tena mba handrefesana ny halalin'ny zavatra toy ny rano na lavaka: Hahelika: hatreo amin'ny helika. Ireto avy ireo teny misy ha entina mandrefy halalina, atomboka amin'ny marivo indrindra ka misondrotra hatrany: Hafaladia, ha_ hato-tongotra, hakibondranjo, halohalika, hamatope, hafotope, havaniana, hafoitra, havavafo, hahelika, hatenda, hasaoka, havava, hamaso, hahandrina. Ahitsio
Ha: tp.: Tenim-piontanana maneho: hatairana: Ha! marary hoe i dada?; fiaikena: Ha! marina tokoa lahy ny tanin' ilay Rangahy!; fandavana (tononina fohy): Ha, aza alana eo io sary io. Ahitsio
Ha:Tovona atao: a) eo alohan' ny p.t, milaza toetra mba hanaovana anarana milaza toetra ihany koa: Halava, hatsara; b) eo aloban'ny teny milaza isa sasantsasany (telo, efatra, dimy, enina, fito, va-Io, sivy, folo), mitovana ana, tuba hanaovana anarana milaza faharetain- potoana:Hateloana, hasiuiana; d) eo alohan'ny p.t. milaza toetra mitovana ina mba hanaovana mt. ih. mifamaly amin'nY mt. p. mitovona mana: Hatsaraina (manatsara), hafohezina (manafohy), Ahitsio
Haavo: (avo) a.: Toetran'ny zavatra avo: Tsy hay refesina ny haavon'ity trano be ity. Ahitsio
Haavo: a,: Tsipika miala avy amin'ny tendro iray ka mijadona amin'ny lafy mifanandrify amin'io. Ahitsio
Haba: a.: Vola aloa ho hofantoerana (haban-tsena), na vo-la alaina amin'ny varotra eny an-tsena na mandalo ny toe• rana efa voadidy ho fakana izany. (Taloha raha tsy na-nome vola ny tompon'entana, dia ny entam-barony mibitsy no angalana mba hatao baba: ohatra, ny rofia iray lanjana dia nakana iray singotra ho haba). Ahitsio
Haba: a.: Firavaka mihorona boribory manodidina ny hatotanana. (Teny misy ifandraisana amin'ny haba: Hidivava, hosina, tsimikatona). Ahitsio
Habadoana: (bado) a: Tsy fahampian-tsaina na fiheverana (fa tsy hoe tsy fahaizana noho ny tsy nahitana fianarana akory). Ahitsio
Habahaba: a: Fisalasalana tsy tapa-kevitra na handroso na hihemptra, na handeha na hijanona, - t.i.f.: Mihabahaba, fihabababa, mpihabahaba / ihabahabana, fihaba?abana. Ahitsio
Habaka: Habakabaka a.: Ny mangoana tsy misy afa-tsy rivotra manodidina ny tany, izay toa andohalambo miloko mangamanga manarona ny tany no fijery azy, antsoina koa hoe lanitra amin'ny fiteny mahazatra: Mahavariana ny fidadasiky ny habakabaka / Mihalontralona eny amin'ny habakabaka ny kintona. 1 t.!.f.: Mangabakabaka, fangabakabaka i mibabakabaka. Ahitsio
Habangana: (banga) a.: Toetran'ny dlona banga, izany hoe nahafahana ny nifiny: Ny habangany no tsy ahaizany miteny tsara. 1 H.o,: Tsy fahampiana, tsy fahafenoana: Amin'izao nahalasanan' Itompokolahy izao, dia azo lazaina fa misy habangana lehibe eto amin'ny fokontany, Ahitsio
Habe: (be) a.: Toetran'ny zavatra na olona lehibe, halehibe, hangeza: Ny haben'ny vola-na. Ahitsio
Habetsaka: Habetsahana (betsaka) a.: Hamaroana be:Tsy hita isa ny habetsahan'ny kintana Ahitsio
Habibiana: (biby) a: Hasiahana mihoapampana: Voarakitry ny tantara ny habibian'ny mpanjaka sasantsasany teto an- tan y. Ahitsio
Habobo: a.: Ilay ronono tsy mbola tena madio avy amin'ny ombivavy ny andro fahatelo aorian'ny iterahany. 1 Ronono ampandrina andro vitsivitsy hivaingana. Ahitsio
Habobo: a.: Lainga na filazana tafahoatra hamitahana, tan-tara valamaty: Milaza habobo. Ahitsio
Haboka: p.t.: Volon-doko fifangaroan'ny vony sy ny me-na malefaka; vony volon-daoranjy. - t.i.f.: Mangaboka. Ahitsio
Habokaboka: a.: Anarana orne-na ny havokavoky ny omby, izay antsoina hoe habokabokens. Ahitsio
Habokaina: (boka) mt. fh, (habokao): Esoina, haratsina: Raha tsy manana ianao, aza ny anay no habokaina Ahitsio