Litera i

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
I: Tarehintsoratra fahavalo ary zanatsoratra fahatelo amin' ny abidy malagasy. Rafla mamaran-teny ny i dia atao y: Tana. Ny amin'ny feony kosa, dia izao no tsara homarihina: raha ialohan'ny a ny i dia atao indray mitonona ny a sy ny i: aina (ai - na) afatsy raha tovona ny a eo aloha, ka amin'izay kosa dia mitonona misaraka izy roa: ailika (a - i - lika). Ahitsio
I: pn a: Fanao a) eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza olona ka tsy manomboka amin' ny Ra na Andrian: Ikoto / Ny satrok'i Paoly, b) eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza tany na tanàna na renirano na farihy tsy misy An na Am: Ihosy l Ny tanànan'i Betafo. d) eo alohan'ny anarana iombonana sasantsasany misy fifandraisana arapihavanana: i dada, i zandry. • Hita amin'ny fiforonan'ny teny sasantsasany, toy ny ilay, ikala, ity, izato, iny, izaho, izahay, izy, ise, isika, ianareo, ivelany, ivoho, imaso, ilalana. Ahitsio
Ia: (Tsm) p. m t.: Eny. Ahitsio
iadivana:Jereo: ady Ahitsio
Ialahy: s.o.: Ifanaovan'ny samy lehilahy tokana mitovy saranga: Taiza ialahy no tsy hitako androany? (raha maro dia ampiana ny teny hoe isany): Ho aiza ialahy isany rahariva? •Fampiasa raha tezitra: Avereno hoe ny tenin'ialahy tao! 1 Fampiasa ho fanambaniana na ho fanevatevana mihitsy raha olona tsy ao anatin'ny fianakaviana na efa misy fifankazarana: Inona izay ialahy no mba hifaninana amiko. • Fampiasa koa anefa indraindray ho fanajana raha olona ambony no miteny amina lehilahy nahavita zavatra. - t.i.f : Ialahihary 1 mialehilahy, fialahilahy, mpialahilahy / ialahilahiana, fialahilahiana. Ahitsio
Ialohana: (aloha) mt. ih.: Misy... eo aloha: Atao milaza ny ho avy mandrakariva ny matoanteny ialohan'ny "tokony". Ahitsio
ialonana:Fomba entina mialona, jereo [alona] Ahitsio
Ianao: s.o.: Enti-misolo ny anaran'izay itenenana raha tokana izy ka atao teny lazaina: Amin'ny firy no handeha ianao? Ahitsio
Ianarana: (anatra) mt. ih.: Entimilaza ny zavatra iray atao ny hahaizana azy: Ny tenindrazana no tokony hianarana voalohany indrindra. • mt. pt.: Enti-milaza ny fomba, toerana, fitaovana entina mianatra: Ny rakibolana no tsara hianarana ny tenin-drazana Ahitsio
Ianareo: s.o.: Enti-misolo ny anaran'izay itenenana raha maro izy ireo ka atao teny lazaina: Miteniteny ianareo ka tsy henonareo ny teniko. Ahitsio
Iangarana: (angatra) mt ih. (tangaro): Itanilana ka omena tombony mihoatra noho ny hafa tsy araka ny rariny: Tsy tokony hisy hiangarana ny olom-pehezina fa izay asa oitany ihany no hamerana ny tombontsoa homena azy. Ahitsio
Ianona: na Ranona s.o.: Ilazana olona tenenina izay tsy tsaroana eo no ho eo ny anarany: Andeha antsoy Ianona, ry Koto a. / Asaivo mankaty Ranona. ? lantsoana na anondroana Q1ona itenenana, saingy fanaon'ny samy vehivavy na lehilahy sy vehivavy: lanona ity koa mahasosotra. / Aoka re, Ranona, fa mahaketraka izany zaoatra lazainao. Ahitsio
Ianteherana: (an titra) mt. ih. (iantehero): Itokiana, iankinana, antenaina mba hanohana, ho vonjy sy tohana: Ny fanjakana no ianteheran'ny uahoaka Ahitsio
Iarovana: Mitovy amin'ny Tsikorovana. Ahitsio
Iaviana: Fiaviana ((ny) mtpt: Enti-milaza ny toerana na ny razana nisehoana: Auy any Ankadindambo no fiavianay. Ahitsio
Ibavy: a: Teny entin'ny lehilahy manondro ny anabaviny amin'ny fomba somary miangentsana: Inona no nentin' Ibavy ho anareo, rankizy? Ahitsio
Idahy: a: Teny entin'ny vehivavy manondro ny anadahiny amin'ny fomba somary miangentsana: Aoka re, ry Idahy, fa be loatra izany fandokadokafanao ahy. Ahitsio
idealy:mendrika kokoa , tsy fahita isan'andro Ahitsio
Idina: a: Filatsahan'ny rano ao anaty zavatra ambany toerana: Ataouy tsara idina ny menaka - t.i.f.: Aidina, voaidina, tafidina / manidina, fanidina, mpanidina / anidinana, fanidinana f midina, fidina, mpid'ma / idinana, fidinana / mampidina / mahidina, idinid'ma 1 anidina. Ahitsio
Iditra: a.: Fitsofohana ao anatin'ny...: Tsy tsara iditra ny fanalahidy ka tsy mety mihodina. - t.i.f.: Aiditra, voaiditxa, tafiditra 1 miditra, fiditra, mpiditra / idirana, fidirana. Ahitsio