Karatra | : | a: Baoritra filalaovana misy marika sy sary, ary mitovy soratra ny vohony. • F.-p.: Miloka karatra: milalao karatra ka mahazo ny vola apetraka izay mahafaty.
Ahitsio |
Karatsaka | : | a: Jer. Tsipetrika.
Ahitsio |
Karatsaka | : | a: Feon-javatra mitovy amin'ny an'ny biby mitsakatsaka any anaty ahitra, na feon-javatra toa mikepokepoka toy ny ravi-maina voahitsaka. - t.i.f.: Mikaratsaka, fikaratsaka, mpikaratsaka / ikaratsahana, fikaratsahana / karatsadratsaka / mikaratadrataka.
Ahitsio |
Karavantsy | : | (Ski) a: Katsaka andrahoina miaraka amin'ny karabo na tsiaridrafy.
Ahitsio |
Karavasina | : | (karavasy) mt. ih. (karauasio): Asiana ny karavasy.
Ahitsio |
Karavasy | : | (fr, cravache) a: Tady na hoditra fikapohana. - t.i.f.: Karavasina, voakaravasy ( mikaravasy.
Ahitsio |
Karavato | : | (fr. cravate) a: Fehin-tenda enti-mihaingo.
Ahitsio |
Karazana | : | a: Sokajin'olona, biby na zavamaniry mitovitovy toetra amam-pomba: Ny alika, hono, no maro karazana indrindra amin'ny biby rehetra.
Ahitsio |
Karbonina | : | (fr. carbone) a: Tenan-javatra tsotra izay hita eo amin'ny zavaboary, na amin'ny endrika tsy miharo amin-javatra hafa (toy ny diamondra), na mifangaro amin'ny zavatra hafa (toy ny arintany).
Ahitsio |
Kardinaly | : | (fr. cardinal) a.: E-veka na indraindray koa aza Pretra, voatendrin'ny Papa hiara-mitondra aminy ny E-glizy, ary mifidy sady azo fidina ho Papa.
Ahitsio |
Karemy | : | (fr. carême) a.: Fe-potoana efapolo andro manomboka ny Alarobian'ny lavenona ka miafara amin'ny A-sabotsy masina, ifadian'ny kristianina katolika hanina sy hena isan-jomà ho fanaovana asa fivalozana.
Ahitsio |
Karenina | : | p.t.: Teny somary manesoeso ilazana ny olona donto, tsy mahare tsara, ary koa ny vilany tsy dia malady loatra.
Ahitsio |
Karenjena | : | (karenjy) mt ih. (karenjeo): Enjehina.
Ahitsio |
Karenjy | : | a.: Fivezivezena atsy sy aroa • Fandehanana ara-ka izay tiana. 1 Fanaram-po tafahoatra, filibana amin'izay lalana aleha. - t.i.f.: Karenjena, akarenjy, voakarenjy, tafakarenjy/manakarenjy, fanakaxenjy,mpanakarenjy 1 anakarenjena, fanakarenjena / mikaxenjy, fikaxenjy, mpikarenjy likaxenjena, fikarenjena / mahakaxenjy 1 karenjirenjy.
Ahitsio |
Karepodambo | : | (Ski) a: Zavamaniry fanao emboka ny vodiny.
Ahitsio |
Karepoka | : | a.: Karazan-javamaniry sahala amin'ny ahitra maniry eny rehetra eny, ka ny vodiny hanin'ny ankizy.
Ahitsio |
Karepoka | : | a.: Feon-javatra kepohin'ny nify ao anaty vava. i tif: Akarepoka, karepohina, voakarepoka 1 mikarepoka, fikarepoka, mpikarepoka / ikarepohana, fikarepohana / mahakarepoka / karepodrepoka.
Ahitsio |
Karetohina | : | (karetoka) mt. ih. (karetohy): Kaikerin'ny nify na ketohin'ny nify miaraka ka misy feo mitsako aterak' izany.
Ahitsio |
Karetoka | : | a: Ketoka, kaikitra na fanerena zavatra amin'ny nify ka aharenesana feo mitsako amin'ny fanekerana ilay zavatra. - t.i.f.: Karetohina, akaretoka, voakaretoka, tafakaretoka 1 mikaretoka, fikaretoka, mpikaretoka 1 ikaretohana, fikaxetohana / mahakaretoka 1 karetodretoka.
Ahitsio |
Karetsahina | : | (karetsaka) mt ih. (karetsaho): Itsoriahana, asiana faingana, asiana tampoka vetivety: Nokaretsahin'ny fahavalo ny tanna. / Nokaretsahiny totohondry ny lohan-janako.
Ahitsio |