Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
S: a.: Tarehintsoratra fahafito ambin'ny folo ary renisoratra fahatelo ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy. A-min'ny fanakambanan-teny, ny s dia lasa ts: Zavatra soa < zavatsoa. Amin'ny fitovonana man- mba hanaovana matoanteny kosa, ny s manomboka fototeny dia latsaka fotsiny amin'izao: Man+ soratra = manoratra. Ahitsio
Sa: ppt.: Ampiasaina hisolo ny "na" raha manontany, ka araka izany, dia entina hampisafidy amin'ny zavatra roa: Inona no tianao, zanaka sa harena? Ahitsio
Sa-: Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza asa misy fihetsehana: Sabaka (baka), safelika (felika). Ahitsio
Saba: a.: Vilany be vava boribory fandrahoana vary. Ahitsio
Sababa: na Sababaka p. t.: Lehibe, malalaka loatra tsy mifanentana amin'izay nanaovana azy: Sababaka loatra iny satroka iny ho anao. Ahitsio
Sabadiana: (Btm) a.: Vehivavy fohy, kely reny. Ahitsio
Sabaka: a.: Fampihatahana na fampanalavitana ny tongotra roa. • hi.: 1) Ilazana ny hazo misampana roa; 2) A-naran-tsilalaon'ankizy izay misy efitrefitra ka asabaka ny tongotra roa mba tsy hanitsaka ny soritra mampisaraka ireo efitrefitra ireo. - t.i.f.: Sabakaina, asabaka, voasabaka, tafasabaka / manasabaka, fanasabaka, mpanasabaka / anasabakana, fanasabakana / misabaka, fisabaka, mpisabaka / isabakana, fisabakana / mahasabaka % sabakabaka. Ahitsio
Sabakaina:(sabaka) mt. ih. (sabakao): (tongotra) Ampihatahina. Ahitsio
Sabata: (angl. sabbath) a.: Ny andro fahafito na andro fitsaharana teo amin'ny Jiosy ; Sabotsy amin'ny herinandro malagasy ary andro fahafito, Ahitsio
Sabatra: a.: Fiadiana misy lelany lava maranitra, izay mahitsy na mivolantsinana mihantsika, fa ny fitanana azy mifaingoka sy fohy. - F.-p.: Tranon-tsabatra: ny fonon'ny sabatra. Ahitsio
Sabebaka: p. t.: Teny ilazana endrika sady lehibe no mitapelaka: Sabebaka endrika (fiteny koa ny hoe tabebaka endrika). • f. t. m.: Ilazan' ny olona koa ny vehivavy lehibe ny fitombenany mba hanarabiany azy. Ahitsio
Sabilahina: (sabilaka) mt. ih. (sabilaho): Roritina hatraiza hatraiza. Ahitsio
Sabilaka: p.t.: Tsy mahitsy tsara fa misompirana sy vilambilana, enti-milaza zavatra mifaraingo na mibaraingo ary tsy mahitsy (jar. Bilaka, sobilaka). - t.i.f. : Sabilahina, voasabilaka, tafasabilaka 1 manasabilaka 1 misabilaka 1 mahasabilaka / aabilabilaka. Ahitsio
Sabobaka: p. t.: Mivonto be, mizihitra — Enti-milaza koa ny faty efa mivonto ka mangonahona. - t.i.f. : Misabobaka, fisabobaka, mpisabobaka. Ahitsio
Saboboka: p. t.: Mivonto be, mibibaka sahala amin'ny zavatra vonto rano, bobo-drano; enti-milaza koa ny zavatra nosesehana rivotra na rano ka niavovona sy tonga lehibe. ¶ M. h. : Mizihitra, mivozihitra. Ahitsio
Sabodehina: (sabodika) mt. ih. (sabodeho): Saritahina, korontanina. Ahitsio
Sabodika: a.: Fanakorontanana, fikorontanana; fanodinkodinana amin'ny teny na amin'ny fanaovan-javatra mba hampifamadika sy hampifandiso amin'izay tena izy sy marina; fifandisoana sy fifangaroan'ny teny sy ny zavatra atao. - t.i.f. : Sabodehina, asabodika, voasabodika, tafasabodika / manasabodika, fanasabodika, mpanasabodika / anasabodihana, fanasabodihana / misabodika, fisabodika, mpisabodika / isabodihana, fisabodihana. Ahitsio
Saboha: a.: Karazana lefona fohifohy sy tsotsotra, vita vangovango. Ahitsio
Sabohaka: a.: Fitomboana, fibontsonana. Ahitsio
Saboimaro: a.: Loza na voina lehibe. Ahitsio