Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sai-dany: Jar. Saika. Ahitsio
Saihina: (saika) mt. ih. (saiho): Alaina amin'ny zinga na siny izay asoka ao anaty rano: Tsy rano notouozina io fa rano nosaihina. Ahitsio
Saika: a.: Fakana rano amin' ny zinga na siny izay tonga dia asoka ao anaty rano ka atao izay hahafeno azy avy hatrany. - t.i.f.: Saihina, asaika, voasaika / manasaika, fanasaika, mpanasaika / anasaihana, fanasaihana / misaika, fisaika, mpisaika / isaihana, fisaihana / mahasaika / saitsaika. ? F.-p.: Sai-dany: vary tondrahana rony ary hanina haingana sy an-kisesy. / Saidrano: fihinanana vary amin' ny rano; enti-milaza koa ny tanimbary ampidirana rano betsaka. Ahitsio
Saika: na Saiky p. mt.: Kely foana no tsy...: Saika nianjera izy. ¶ M.h.: Kasa. • Manam-pikasana: Saika handeha aho raha vita ny resatsika. Ahitsio
Saikatra: a.: Enti-milaza ny omby vositra. • h.i.: Sarindahy. • p.t.: Vary hevitra, toa misalasala: Saikatra izy, tsy hitany izay hatao, - t.i.f. : Mahasaikatra 1 saikatsaikatra. Ahitsio
Saikatsaikatra: p. t.: Sanganehana menamenatra: Saikatsaikatra be ihany aho nasain'iny olona iny hisakafo any aminy amin'ny Alahady. Ahitsio
Saikena: (saiky) mt. ih. (sui-Iseo): Soloana hafa,asiana saikiny: Aoka tsy hosaikenao ny zanakao fa avala izy hiasa irery hatrany. Ahitsio
Saikinany: p. mt.: Soa ihany fa: Saikinany nitondra e10 isika fa raha tsy izany kotsa taty am-pitsangantsanganana taty. Ahitsio
Saikiny: (angl. second) a.: A-min'ny hira misy feo maro, ilay feo antsoina hoe faharoa, fizarana na paritra mazàna ataon'ny vehivavy iva feo indrindra. Ahitsio
Saikiró: na Saikoró (angl. screw) a.: Fantsika an-kodina misy rindrany; rindra. Ahitsio
Saiky: na Saikiny a: Zavatra na olona ampiasaina ho solon'ny hafa izay toa tiana hotsitsina, na hotsimbinina sao halaky simba: Asiana saikiny ny faladian-kiraro mba tsy ho simba haingana. - t.i.f.: Saikena, asaiky, voasaiky / misaiky, fisaiky, mpisaiky / isaikena, fisaikena I mahasaiky / saikisaiky. - F.-p.: Saikim-paladia: ny faladian-kiraro nasiana arony mba hampahateza azy. / Saikim-pananana: fitsitsiana ny fananan'ny tena ka ny an'ny hafa aloha no ampiasaina. / Saikin-damba: lamba fitafy tsy dia tsars loatra ampiasaina mba hampahateza ny lamba fitondra vory vahoaka. / Manao saikiny: enti-milaza ny fananana izay tsy kasihina, fa ny an' olona no ampiasaina. ¶ M. h.: Sosona, latsy, tsikala, tamby, rikarika, fanampy, tohana, safy. Ahitsio
Saiky: Mitovy amin'ny Siky. Ahitsio
Saily: (Ski) a.: Laharan-tsikidy fahefatra ambin'ny folo, milaza ny reny na ny be sy ny maso. Ahitsio
Saina: a.: Fitaovan'ny fanahy ahafahany mahazo, mahalala: Tsy manan-tsaina ny biby ka tsy mahazo izay lazaina aminy. / Marani-tsaina itY zaza ity. • Eritreritra: Tsy tonga tao an-tsaiko izany. • Fitsarana zavatra: Tery saina ianao izany. - t.i.f. : Sainina, voasaina / m?saina, fisaina, mpisaina / isainana, fisainana / mahasa?na 1 saintsaina. - f.-p.: Ary saina, uory saina: afaka mandinika sy mihevitra ny tokony hatao. / Be saina: ampy fiheverana, tsy atoro amin'izay fialana olana, fa hendry sy be hevitra — (hevitra maneso): entimilaza olona mihevitra ny tenany ho mahay noho ny ha-fa ka tsy milefitra ary manao ny sasany ho tsinontsinona. / Haingan-tsaina: mahadinika avy hatrany ary mahatakajavatra eo no ho eo. / Kely saina: (jar. marivo saina). / Latin -tsaina: mahataka-javatra amin'izay mbola hiseho sy izay vokany. / Mahatsiaro saina: enti-milaza olona vao avy safotra ka manomboka hahalala ny mahazo azy sy ny manodidina azy. / Mahira-tsaina: mahataka-kevitra avy hatrany. / Mamonkintsaina: ilazana ireo izay tsy mba mety manambara ny heviny na dia fantany aza ny antony, fa aleony tsy mamosaka na inona na inona. / Manampa-tsaina: ilazana ireo mampiseho hafetsena tafahoatra hahazoana miala olana. / Manan-tsaina: afaka hahatakatra hevitra mora foana; na mora mahay zavatra ianarana. / Manao saina: enti-milaza fampiasana tetika hahazoana misafelika amin' izay heverina. / Mandevintsaina: tsy be teny amin' izay heviny fa mangina tanteraka. l Manolo-tsaina: manoro hevitra na mampiseho izay heveriny ho mety amin' ny tokony hatao. / Maranitsaina: mahataka-javatra sy haingam-piheverana amin'ny mety hatao. / Marino saina: tsy mahadinika firy, sady tsy ampy fisainana fa misafosafo fotsiny. /Melo- tsaina: man odinko din-tsaina ary misy familiviliana amin'izay atao./Miari-torin-tsaina: manao izay hampahazava ny hevitra ifandinihana na dia hamoizana ny torimaso aza. / Miki saina na maha saina: mieritreritra sy mandinika tsara ary manadihady sy mila hevitra amin'izay hatao sy efa natao. / Misaratsaina: enti-milaza olona maro tsy miray hevitra fa misy fisarahana sy elanelana ara-piheverana. / Miuerin-tsaina: olona be tanna tsy mahafantatra izay tokony hatao intsony fa efa sa-hala amin'ny zazakely indray. / Samy manao ny saimpantany: samy manao izay heveriny ho mety. / Saimpotsy: fiheverana maivana sy ataotao fotsiny ary tsy ahitam-bokatra tsara. / Saindratsy: fisainana mankamin' ny zava-tsy mendrika ary toetra maharikoriko. / Sain-jasa: fisainana fatra-panao trandrametaka sy peta-toko ary antematemaka. / Sainjaza maroroka: fisainana fatra-panao zavatra tsy voahevitra tsara. / Sain-kanina: saina tsy mihevitra afa-tsy ny hihinana ihany noho ny hatendana sy hasarotana. / Tery saina: olona tsy mba afaka manaiky hevitra ivelan'ny an'ny tena fa rehefa tsy mitovy amin'ny an'ny tena na mivoaka kely ivelany dia tsy leferina (mifanohitra aminy: malala-tsaina). / Very saina: tsy mahatsiaro tena hijery sy handinika ny manodidina, adala. l Votsa saina: ela vao mahazo izay lazaina na vao mahay izay ianarana. ¶ M. h.: Manan-tsaina, malady sains, kinga saina, haingan-tsaina, matsilo saina, mahiran-tsaina, malala-tsaina, la-va oroanana, marani-tsaina, mato-tsaina, manam-panahy, tangolo-tsopaka, laiin-tsaina, — Kely saina, fohy sains, tery saina, maivan-tsaina, maivan-doha, kely atidoha, mari-vo salosana, tanora fanahy, malady ofana. Ahitsio
Saina: (fr. enseigne) a.: Tapadamba misy tahony na hazony, izay natao fanevan'ny tafika tany am-boalohany, ary tonga famantarana ny firenena tat? aoriana amin'ny lokony samy manana ny azy: Ny saina malagasy dia fotsy, mena, maitso. - F.-p.: Manangan-tsaina; m am p id in- tsa in a. Ahitsio
Saingisaingena: (saingisaingy) mt. ih.: Atao; alaina amintahotra, amim-pihambahambana. Ahitsio
Saingisaingy: na Somaingisaingy p. mt.: Sanganehana, mi-ro ahana, matahotahotra. • t.i.f.: Saingisaingena / manaingisaingy. Ahitsio
Saingona: a.: Karazan'ahitra fanao kitay. Ahitsio
Saingona: p. t.: Matavy, mahazo nofo sy mandina. ? h. i.: Enti-milaza olona manomboka hanan-karena. Ahitsio
Saingy: ft.: Voninahitra, rehareha; fanajana tena, fiheverana ny fahambonian'ny tena. i t.i.f.: Misaingy, fisaingy, mpisaingy / isaingena, fisaingena / mahasaingy / saingisaingy. Ahitsio