Ankona | : | p.a.: Ngoly: Ankon' ny hatsiaka aho. ~ Tsy mahateny tsy mahahetsika noho ny zavatra nanaitra na nampitahotra tampoka: Ankona izy nahita ilay biby.
Ahitsio |
Ankonjo | : | a.: Jar. Angoro.
Ahitsio |
Ankosotra | : | a.: Tentina ahosotra manify dia manify amin' ny zavatra iray mba hampahadera azy amin'ny fijerena: Ankoso-bolamena.
Ahitsio |
Ankotralahy | : | a.: Anarana niantsoana ireo miaramila mpiambina andriana tamin'ny andro malagasy fahizay; nibaby kotra mandrakariva izy ireo, nanao zovy manodidina ny rova ary niambina ny tanana sy nanaraka ny andriana rehefa nisy dia nalehany. Mazàna izy ireny no nanao akanjo mena, ka avy amin' izany no nahatonga ilay fitenenana manao hoe: Manalasala ohatra ny ankotralahy: arahabain-tsy andriana, attela miakanjo jaky, izay entina hilazana ny toe-javatra rehetra mahasanganehanehana.
Ahitsio |
Ankotrio | : | p. mt.: Mitovy amin' ny ankehitriny, saingy tsy fiteny amin'ny kabary na amin'ny lahateny fa amin'ny resaka andavanandro fotsiny ihany.
Ahitsio |
Anky | : | na Eranky a.: Halavandrefy kely indrindra, mitovy amin'ny haben'ny ankibe iray, izay atao hoe iray anky na eranky na hoe voantondro iray. - t.i.f.: manankys
Ahitsio |
Ano | : | ft.: Enti-milaza fanaovana asa na fikarakarana zavatra. i t.i.f.: anoina, anovina ) manano, fanano, mpanano / ananovana, fananovana.
Ahitsio |
Anoano | : | a: Karazam-bibikely lejribebe kokoa noho ny renitantely, misy elatra sy tandroka roa ary misy fofona maimbo miraikitra amin' ny tanna mamoriporitra azy, %noan0 a: Anjoanjo, vinany: Anoanon-keuitra.
Ahitsio |
Anofela | : | (fr. apophèle) a.: Karaza-moka mahatonga ny tazo amin'ny fampidirany mikraoby hematozoera ao anatin'ny ran'izay voakaikiny.
Ahitsio |
Anohina | : | (anoka) mt ih. (anohy): Atao miadana sy misononoka.
Ahitsio |
Anoina | : | (ano), mt. ih. (anoy): Atao: Ny tsy anoina no anoina. - F.-p.: Anoin-tsarotra: atao amin-kasahiranana: Hanointsarotra ny fanaovana it3 trano itj', satria ho avy izao ny orana. (Marihina fa mt. ih. ny anoina izay mitanisa: anoina, hanoina, nanoina ka diso bevava ara-pitsipika ny hoe manoina, izay ampiasain'ny maro amin'ny fiteny hoe mdnoin-tsarotra; ny tiany hampiasaina dia ny mt. p. mifanandrify aminy, dia ny hoe manano sarotra).
Ahitsio |
Anoka | : | (t.tr.) a.: Teny enti-milaza fahiny ny ronono. - F,-p.: Akondro vidin'anoka: akondro atakalo ronono: enti-milaza zavatra roa samy tsara ifanakalozana ka tsy misy maty antoka na mahazo tombony, mitovy amin' ilay manao hoe: Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy. (Ny akondro sy ny ronono çlia samy hanina noderain'ny Ntaolo ary nataony ho tena fiadanana ny mihinana azy: Trano bongo misy ronono sarotm atao malahelo ary Raha samy voan-kanina ihany, dia aleo voan-kanina amin'ny akondro).
Ahitsio |
Anoloana | : | ppk. ary p. mt,: Enti-milaza toerana eo alohan'ny tena: Mijoro eo analoan'ny mpampianatra ny mpianatra (ppk.). Mipetraha eo anoloana ianao (p.mt.)
Ahitsio |
Anona | : | a.: Teny enti-manambara zavatra tsy lazaina anarana (na tsy tiana holazaina na hadino): Nankaiza ny anoko teto? - t.i.f.: mananona, mananonanona.
Ahitsio |
Anona | : | (Btl) a.: Omby antitra.
Ahitsio |
Anonanona | : | ft. niavian'ny hoe mianonanona.
Ahitsio |
Anongona | : | a.: Lalaon'ankizy izay manafin-javatra mba hozahana ao anaty korontandrotan-javatra mifanongoa sy miavosa na ao anaty vovoka.
Ahitsio |
Anono | : | (nono) mt, at. (anono y): Atolotra hononoina.
Ahitsio |
Anonovina | : | na Ananovina (it9 faharoa no fampiasa kokoa), (anona) mt ih. (anonovy, ananouy): Atao toy izao na toy izao (tsy lazaina mazava ny fomba tiana hanaovana ilay zavatra, na noho ny hamaikana na noho ny tsy fitiavana hilaza mazava fotsiny): Ananouy kely ange io uarauarana io, ry Koto al
Ahitsio |
Anotra | : | ft.: Enti-milaza fanaovana dia miverina. - t.i.f.: voanotra / mianotra, fianotra, mpianotra / ianorana, fianorana.
Ahitsio |