Anjananjana | : | a.: Hazo lehibe mahatratra 12-15 m ny haavony ary 0,30-0,50 m ny savaivony; fanaovan-trano no-ho izy mafy sady maharitra (Leptolaena multiflora). ¶ M.h.: amaninaombilahy, sarifatra.
Ahitsio |
Anjara | : | a.: Ampahany amin'ny zavatra anankiray nozarazaraina ho an'olona marc,: Tsy hamidiko na oviana na oviaangorodao
Ahitsio |
Anjavidy | : | a.: Karazan-javamaniry salasalany maniry betsaka eny an-tampon-tanety tsy vonton'ny erika ary fanao kitay tsara firehitra mipoapoaka.
Ahitsio |
Anjay | : | t.p.: Enti-milaza nard-na: Anjay aho tsy niaraka tamin'iny naman-dratsy iny.
Ahitsio |
Anjelisy | : | a. (lat. angelus) (Fit,. Kat.): Fivavahana fiarahabana an'i Masina Maria intelo isan'andro — maraina, mitataovovonana, hariva — amin' ny feon'ny lakolosy mitsitaitaika intelo.
Ahitsio |
Anjely | : | a. (Fiu. Kat.): Zavaboary fanahy fotsiny izay nataon'Andriamanitra ho mpanome voninahitra azy ary ho mpanelanelana aminy sy ny olombelona; ny antokony iray amin'izy ireo, izay atao hoe anjeiy mpiambina dia asain'Andriamanitra miaro sy miambina ny olombelona tsirairay avy. (Misy sokajiny sivy ny zavaboary fanahy fotsiny ihany ka ny anjely no ambaratonga farany ambany indrindra; indreto avy ireo sokajiny sivy ireo: ny Serafima, ny Kerobina, ny Fiketrahana, ny Fanapahana, ny Hatsaram-panahy, ny Hery, ny Fifehezana, ny Arakanjely, ary ny Anjely).
Ahitsio |
Anjerimanontolo | : | a.: Toeram-pianarana ambaratonga ambony, Teny vao noforonina ilazana koa ny Oniversite.
Ahitsio |
Anjoana | : | ft.: Niavian'ny hoe Anjoanina: omena voninahitra aman-jo sahaza azy: Tonga eto ny ray aman-dreny tokony hanjoanina.
Ahitsio |
Anjoanina | : | (onjoana), mt. ih. (jer. Anjoana).
Ahitsio |
Anjoanjo | : | a.: Zavatra tsy maintsy natao ao amin'ny fanekena; fepetra fehivava: Anjoanjon-teny: fepetra tsy maintsy arahina.
Ahitsio |
Anjoanjo | : | a.: Fanaovan-javatra tsy am-piheverana, kitoatoa: Tana manao anjoanjo koa izay olona nametmka it? tavoahangy feno rano it? teto ampouoan-trano. ~ Fanaovan-javatra tsy am-pikendrena tsara fa tokotokony sy sendrasendra fotsiny: Anjoanjo fotsiny no nahitako ny tranonareo. 1 p.t.: Enti-milaza zavatra ataotao foana na ankinina amin'ny kisendrasendra fa tsy noheverina na tsy fantatra akory: Tetika anjoanjo fotsiny ny azy.
Ahitsio |
Anjola | : | (njola) mt. fit. (anjolao): (ny maso) Entina mijery sompirana, amin'ny indramaso.
Ahitsio |
Anjolofo | : | a.: Fisisihana tsy misy fiheverana fa amin-kery fotsiny izao; fanaovana zavatra am-boletra tsy nijerena izay vokany: Tsy tsara ny anjolofo amin'izay atao na inona na inona. a F.-p.: Manao anjolofo: manao vy very ny aina.
Ahitsio |
Anjomara | : | a.: Zavamaneno iray karazana amin'ny anjombona saingy lava be ny tahony (misy mahatratra roa metatra na mihoatra aza). Hatramin'ny dimy kilometatm tora-tady no andrenesana ny feony raha tsofina eny antendrombohitra izy, ka izany no ampiasana azy amin'ny fiantsoana fokonolona raha misy voina mihatra: hain-trano, dora tanety, tondra-drano, mpangalatra na fahavalo, kabary.••
Ahitsio |
Anjombona | : | a.: Zavamaneno tsofina vita amin'ny tandrok' omby na tandrok'omby nampiana volotsangana; ampiasaina toy ny anjomara ihany koa ny anjombona saingy tsy mba mahalasa lavitra loatra ny feony, hany ka atao ho an'ny olona eo antanàna ihany. na ny anjara louako tamin'i dada sy neny. 1 Zavatra (soa na ratsy) heverina ho avy amin'Andriamanitra ka samy manana ny azy ny olombelona rehetra: Mahaiza mionona fa izao no anjara. / Izao no anjara ka zakao. (Ny anjara sy ny vintana dia sahalahala ihany satria samy milaza zavatra — soa na ratsy —mihatra amin'ny tena, saingy ny anjara, filaza indrindra amin' ny zavatra lehibe: loza, fahafatesana, fanambadiana ... ary heverina ho avy amin'Andriamanitra indrindra, fa ny vintana kosa dia filaza amin' ny zavatra madinidinika: Io-ka, antsapaka ... ary heverina ho avy amin'ny kisendrasendra na ny tonon'andro).
Ahitsio |
Anjona | : | na Anjonanjona a.: A-vonavona tsy mijery ny olona noho ny fiheverana ny te-na ho ambony.
Ahitsio |
Anjonjany | : | a.: Honkona atao anrin'ny zaran'angady na antsibe mba hahamafy azy.
Ahitsio |
Anjoria | : | a.: Teny tsy heverina loatra izay ho vokany, fa tenenina am-pahasahiana fotsiny.
Ahitsio |
Ankabeazany | : | na Ankabiazany a.: Ny maro, ny betsaka: Tsy mahalala izany uaouao izany ny ankabeazany aminay. ¶ M.h.: ny ankamaroany, ny ankabetsahany.
Ahitsio |
Ankabetsahany | : | (Ny) a.: (jer. Ny ankabeazany).
Ahitsio |