Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Debodebo: p.t. : Fohy fonetana sady vaventy. Ahitsio
Deboka: a. : Feon'ny rano voakapoky ny tanana na zavatra hafa. - t.i.f. : Mideboka, fideboka. Ahitsio
Deboka: p.t. : Ilazana ny toerana iva sy lemademaka voahodidin'ny havoana na tendrombohitra. - F.-p.: An-deboka : Amin' ny toerana ivaiva takon-drivotra : Toa tsy hahasalama it? tandna it? izany fa an-deboka loatra. Ahitsio
Dedadeda: a. : Enti-milaza : Firehetam-ben'ny afo. • Fisamboaravoaram - paniriana tsy hay fefena. - t.i.f. : Adedadeda, tafadedadeda / midedadeda, fidedadeda, mpidedadeda i idedadedana, fidedadedana. Ahitsio
Dedaka: p.t. : Enti-milaza olona te hiseho mahay na te hoderaina, na dia amin'ny zavatra tsy fantany na tsy hainy akory aza; kevoka; be haiejoana : Dedaka er? ilay sakaiza nanao tsy an-kitana tamin'ny bisikileta. - t.i.f. : Midedaka, fidedaka, mpidedaka /idedahana,fidedahana, Ahitsio
Dega: (Ski) a. : Hazo atao solon-tohatra iakarana amin'ny hazo avo. Ahitsio
Deha: na Dehadeha a : Fandeha misababaka, misoka-pe. 1 t.i.f. : Midehadeha,fidehadeha / idehadehana, fidehadehana. Ahitsio
Deha: Dehana, Dehandehana ft. : Enti-milaza fandeha somary mibehambehana sy miletaleta. - t.i.f. : Midehandehana, fidehandehana, mpidehandehana / idehandehanana, fidehandehanana. Ahitsio
Dekà: (fr. aide-de-camp)a : Lefitra ambany amin'ny laharam-boninahitra. ? Miaramila na manamboninahitra lefitra, atokana ho mpanampY sy ho fanirakiraky ny manamboninahitra ambony. - F,-p, : Dekà madinika : manamboninahitra ambany laharana manampy amin'ny raharahan'ny Praiminisitra (taloha). lDekà isan-drainy : dekàn'ny manamboninahitra maromaro, samy andraisana vitsivitsy avy hampanaovina ny raharaha iaraha-miandraikitra. Ahitsio
Deke: (Ski) a : Famavanin'ny tanam-poza. Ahitsio
Dekona: a : Jer. Diakona. Ahitsio
Demba: Dembana a. : Banga Misy dembana amin'ny tamboho. • Lempona, lesoka Dembana ny ilan'ny vota uifotsy. (t Kepaka, miditra kely, mikemo : Demba-molotra ny antibavy. - t.i.f. : Dembaina na Dembanina, voademba I manademba, fanademba, mpanademba / anadembana, fanadembana / mahadembal dembademba. Ahitsio
Demony: (fr. démon) a. : Fanahy ratsy, izay atao koa hoe devoly. (Araka ny fampianarana katolika, ny demony dia ireo anjely niodina tamin'Andriamanitra ka mikely aina lalandava hitarika ny olombelona ho amin'ny ratsy mba hamarina azy any amin'ny afobe miaraka aminy). • H.i. : Olona ratsy fanahy mitarika ny sasany ho amin'ny ratsy. Ahitsio
Denaka: a. : Amponga kely kilalaon'ankizy vita amin'ny fômba tsotra dia tsotra. Ahitsio
Dera: o. : Voninahitra, laza Dera ho an'Andriamanitra lalandaua - t.i.f. : Deraina, voadera / midera, fidera, mpidera / iderana, fiderana / mahadera I deradera. Ahitsio
Deradera: a. : Fampisehoan-javatra amin'ny hafa hahazoana doka mba hieboana sy hireharehana : Tia deradera aoka izany iny touolahy iny. i t.i,f. : Aderadera / manade-radera, fanaderadera, mpanaderadera / anaderaderana, fanaderaderana / mideradera, fideradera, mpideradera / mahaderadera. Ahitsio
Deraina: (dera) mt.ih. (derao) : Ankalazaina, omena voninahitra : Rariny raha derain'ny uahoaka ireo nanao manda tehezana niaro ny tanindrazana. Ahitsio
Deronderona: a. : Hadedahana misy fireharehana amin'ny teny lazaina mahatonga handoka tena sy hiedinedina foana. - t.i.f. : Mideronderona, fideronderona, mpideronderona / ideronderonana, fideronderonana. Ahitsio
Deronina: a : Faritra ambony amin'ny traotraokam-biby. - p.t. : Be tretroka, misy fivontosana eo amin'ny traotraokany : Ondry deronina. Ahitsio
Desambra: (fr. décembre) a : Anaran'nY volana faharoa ambin'ny folo amin'nY tao-na, misy andro 31. Azo soratana ihany koa hoe "Desambira" Ahitsio