Dimbinantsy | : | a. : Ahitra na a-nana izay maniry eo amin'ny tahony efa nakana na nanapahana. (Matetika no tapahina amin'ny antsy ny anamamy toy izany ka izany no nahatonga ny anaran'io karazan'anamamy io hoe : anamamy dimbin'antsy).
Ahitsio |
Dimby | : | a. : Olona mitana ny toerana ary manohy ny asan' ny teo aloha sy mamelo-maso azy : Ny zanany lahy no dimbin-dRakoto. ? Solo : Tsy ho tsara fanahy ohatra azy akory ny dimbin'io mpampiasa io. - t.i.f. : Dimbasana na diasana, adimbY / mandimby, fandimby, mpandimby / andimbasana, fandimbasana / mahadimby 1 mifandimby.
Ahitsio |
Dimina | : | (dimy) mt.ih. (dimio) : Zaraina dimy : Nodimina ny louanay.
Ahitsio |
Diminambatry | : | a. : Anaram-bola madinika fahiny izay dimy ampaharoa amby fitopolon' ny ariary, mitovitovy lanjambidy amin'ny lasiray sY varifitoventy.
Ahitsio |
Dimiventisivoamena | : | a. : Anaram-bola madinika fahiny izaY dimy amby telopolo ampaharoapolo amby fitoniaton'ny ariary.
Ahitsio |
Dimpoana | : | p.t. : Misalebona na misalebolebo, maloiloy.
Ahitsio |
Dimy | : | p.i. : Efatra ampiana iray : Dimy ny rantsan'ny ta-nana anila. - t.i.f. : Dimina / manadimy, fanadimy, mpanadimy / anadimiana, fanadimiana / m?dimy, fidimy, mpidimy / idimiana, fidimiana 1 fahadimy / indimy, tsidimidimy / manindimy / fanindimy / ampahadimy / hadimiàpa / sasapahadimy.
Ahitsio |
Din'asa | : | a. : Fifaneken'ny olona fahiny isam-bohitra fa hifarimbona amin'ny asa na taozavatra na amin'ny fanenjehana olon-dratsy mba tsy ho resin'ny vohitra hafa ; matetika koa anefa, ny din'asa dia fifaneken'ny vatan-dehilahy amin'ny vohitra iray fa hifaninana amin'ny asa na taozavatra, ka izay mahavita tsara sy haingana no mahazo ny loka. (Ny olona mifanaiky handray anjara amin' ny din'asa toy izany dia na-tao hoe manao dina; izay nahalavorary ny anjarany, na-tao hoe velon-dina na mahomby dina; izay tsy nahefa ny anjarany kosa, maty dina, ary ny ray aman-dreny manasazy izay tsy nahatontosa ny anjarany no nantsoina hoe mamono dina).
Ahitsio |
Dina | : | a. : Fanekena nifanarahana, teny nifanekena : Manao d{na fa tsy hivadika. - F,-p, : Dinam-pitiavana : lokaloka fa ho tia mandrakizay. / Dinam-pokonolona : lalàna amam-pitsipika nifaneken'ny fokonolona fa harahina. (Natao am-bava fotsiny taloha fa nampiarahina tamin'ny fianianana na velirano ny dinam-pokonolona; taty aoriana vao natao an-tsoratra ireo lalàna ireo ka no-mena anarana hoe fanekempokonolona izy tamin'izay. / Din'asa: (jar. io).
Ahitsio |
Dinadina | : | p.t. : Fano; enti-milaza ny kibo mibontsina no-ho ny fahavokisana. ¶ M.h. : Dibadiba. + t. if. : Midinadina, fidinadina / idinadinana, fidinadinana.
Ahitsio |
Dinahina | : | (dinaka) mt.ih. (dinaho) : Velezina, dabohana, kapohina tsy ananana antra.
Ahitsio |
Dinaka | : | a. : Vely, daboka, famonoana amin'ny kapoka. • t.i.f. : Dinahina, voadinaka / mandinaka, fandinaka, mpandinaka / andinahana, fandinahana.
Ahitsio |
Dinamita | : | (fr. dynamite) a, . Vanja fanapoahana vato, na zavatra tiana hazera toy ny trano, tetezana...
Ahitsio |
Dindilo | : | a. : Karazan'ahitra fanasana volo.
Ahitsio |
Dindina | : | a. : Ny ateraky ny feo lavareny sady mikarantsana ka mbola re mangintsina ao anaty sofina na dia efa mijanona aza. * t.i.f. : Mandindina, fidindina / idindinana, fidindinana.
Ahitsio |
Dindo | : | a. : Tandindona, taratry ny tena; matoatoa. - F.-p. : Mamaia dindo : manao veloma ny fiainana, mamela fahatsiarovana. / Ma-mono dindo : mandroaka matoatoa.
Ahitsio |
dindonivainga | : | 1-Ny Dindonivainga dia teny mamaritra ny tontolo ivelan'ny hita maso; raha rasaina io teny io dia mizara roa DINDO> midika hoe aloka, VAINGA> dia izay azo tsapai-tanana sy hitan'ny maso rehetra. Marihana fa ny hitan'ny maso dia miatomboka amin'ny bitika indrindra ka hatrany amin'ny vaventy indrindra.
2-Tara-kevitra noforonon'i Dofin Raf ny dindonivainga izay nentiny nandikana ny teny frantsay hoe " métaphysique" saingy ny dindonivainga dia misy fiheverana vaovao izay milaza ny fisian'ny fitsingeringerenana eo anivon'ny fisiana. Hita izany tara-kevitra izany ao amin'ny tranokala dofinraf.blogspot.com
Ao anatin'ny dindonivainga dia misy rindra sy hetsika miharo tara-pisainana ara-javakanto : ny ara-panahy , satria araka ny fihevitr'i Dofin Raf dia tsy hafa misaraka ny dindonivainga sy ny ara-panahy. Ahitsio |
Dingadingana | : | a. : Karazan-javamaniry (Psiadia dodonaefolia).
Ahitsio |
Dingana | : | a. : Refin'ny elanelan'ny tongotra roa eo ampamindrana : Lava dingana ianao izany noho izaho. ? Halavan-drefy mitovy amin'ny tsaikona mahery kely na ny dia maika (telon-jehy sy hondry : 0,60 m). * t.i.f. : Dinganina, voadingana / mandingana, fandingana, mpandingana / andinganana, fandinganana / mahadingana.
Ahitsio |
Dinganina | : | (dingana) mt ih. (dingano) : Itana, vildnina : Dingano io tatatra io raha te ho tonga er9 atsimo er? ianao. ? Hadino, avala : Nodinganiny ny andininy fahatelo tamin'ilay hira.
Ahitsio |