Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hisatra: a: Hodi-jozoro endahana mba horarina hatao tsihy na harona. - F.-p.: Tsihy hisatra: tsihy madinika mahafinaritra vita amin'ny hodi-jozoro, mamirapiratry ny hodi-jozoro. / Manila-kisatra: manala hodijozoro. Ahitsio
Hisatra: a.: Fikisahana na fikorisana miadana ary mikasoka; tsy fisosana tsara. - t.i.f.: Ahisatra, tafahisatra / manisatra, fanisatra, mpanisatra I anisarana, fanisarana / mihisatra, fihisatxa, mpihisatra / ihisarana, fihisarana / mahahisatra / hisatrisatra. Ahitsio
Hisina: Hisinkisina Jer. Kisina. Ahitsio
Hisy:Hoavy amin'ny [Misy] Ahitsio
Hita: mt.ih.: Tazana, voatsipalotry ny maso: Hitanao ve ry uorona ambony hazo iry? 1 Miseho rehefa avy notadiavina: Hitako ilay solomasoko very. ~ Voazaha ary fantatra: Efa hitanao ue ilay trano tianao houidina? •Fantatra: Hitako ny hevitrao. - t.i.f.: Mahita, fahita, mpahita / ahitana, fahitana I hitahita. - F,-p.: Aza hitako: firariana ny 'Lena tsy hahita loza vinavinaina, / Aza hitan'ny fara aman-dimby: loza na fahoriana mahazo ny tena na ny hafa, ka tsy tiana hihatra amin'ny zanaka mpandimby na oviana na oviana. / Manao lalan-kitan-kisoa: enti-milaza fahazarana tafahoatra tsy misy fisainana ka miverimberina tsy misy farany. I Tsy hi-ta avanavana, na tsy hita pesimpesenina: any amin'ny la-vitra dia lavitra mila tsy azon'ny saina eritreretina. / Tsy hita fetra: tsy misy farany fa mitohy hatrany hatrany. / Tsy hita isa: ilazana zavatra maro be toy ny volondoha na ny valala. / Tsy hita iany: enti-milaza zavatra mikorontana sy mifanjevo na midadasika tsy taira-maso izay fiandohany na fiafarany. / Tsy hita noanoa: enti-milaza fahalavirana na halalinana sarotra faritana. / Tsy hita ueroka na tsy hita paipaika na tsy hita popoka: tena very tanteraka, na tsy antenaina ho hita intsony. / Tsy hi-ta zambazamba: tsy hita pesipesenina, / Tsy hitahita akory: enti-milaza fotoana niserana na nandalo dia nitrangan-javatra lehibe tsy nampoizina. * Ohab.: Vato am-balamparihy: raha tsy hitan'ny antsy raha fahauaratra, hitan'ny angady raha lohataona: entina milaza ny vato latsaka eny an-tanimbary, izay na dia tsy hitan'ny antsin'ny mpijinja aza dia hitan'ny angadin'ny mpiasa, ka ny tiana holazaina amin'izany dia hoe: tsy misy zavatra tsy ho bita na ho ela na ho haingana. Ahitsio
Hitakitaka: a.: Fitebitebena, fientanentanana vokatry ny ahiahy; fitepotepoana amin' izay hitranga: na tahotra na fanantenan-javatra mahafalY• i t.if•: Mangitakitaka, fangitakitaka, mpangitakitaka 1 angitakitahana, fangitakitahana. Ahitsio
Hitika: p. t.: Feno tsars, (fiteny indrindra amin'ny famarana fa ny "himpona" kosa, amin'ny toerana na isa): Hitika tsara ity vota ity. ~ Entimilaza akanjo mangeja, mifanerana amin'ny toe-batana, mifaninjitra, - t.i.f.: Mihitika, fihitika. Ahitsio
Hitika: Hitikitika a: Famindrana kingakinga ers'. - t.i.f.: Mihitikitika, fihitikitika, mpihitikitika 1 ihitikitihana, fihitikitihana. Ahitsio
Hitikitihina: (hitikitika) mt. ih. (hitikitiho): Kasikasfhina mba hihomehy, kibokiboina: Aza hitikitihinao ny faladiako. Ahitsio
Hitikitika: a: Fikasihana faritra sasany amin'ny tena ka mahatonga hihomehy sy hihetsika; kibokibo; fanaitairana ny saina mba hiteny na hanao (Jer. Kitikitika). - t.i.f.: Hitikitihina, ahitikitika, voahitikitika / manitikitika, fanitikitika, mpanitikikita 1 anitikitihana, fanitikitihana I mangitikitika, fangitikitika, mpangitildtika / mahahitikitjka. Ahitsio
Hitrika: na Hitrikitrika a: Fandentehana zavatra amin-kery; famelez ana mafy amin-javatra na amin'ny teny. - t.i.f.: Hitrikitrihina na hitrikitrihana, ahitrlkitdka, voahitrikitrika, tafahitrfkitrika 1 manitrikitxika, fanitrlkitrika, mpanitrikitrika 1 anitrikitxihana , fanitrikltrihana / mihitrikitrlka, fihitrikitrika, mpihitrikitrika I ihitrlkitrihana / mahahitaikitrika. Ahitsio
Hitrikitrihina: na Hitrikitrihana (hitrikitrika) mt.ih, (hitrikitriho): Enti-milaza olona na zavatra tsatohana na trobahana zava-maxanitra: Nohitrikitrihan'i Dada ny lefona ny mpangalatra ~ Lerana totohondry: Nohitrikitrihany ny totohondry aho. •Asiana teny mafy: Nohitrikitrihiny teny mafy aho ka gina foana tao. Ahitsio
Hitsahina: (hitsaka) mt. ih. (hitsaho): Hosena amin'ny tongotra: Aza hitsahinao re ny lambako. •Atao tsinontsinona, zimbaina, fotsifotsina: Dia sahiny nohitsahina ve ny tenin-dray aman-dreny. * F.-p,: Ny volana hitsahina: enti-milaza ny volana iray e-fa nidirana eo amin'ny fotoana itenenana; ny volana dia-vina. Ahitsio
Hitsaka: a.: Fanosena amin'ny tongotra; fanaovana tsinontsinona, fanamavoana, faniratsirana. - t.i.f.: Hitsahina, ahitsaka, voahitsaka I manitsaka, fanitsaka, mpanitsaka I anitsahana, fanitsahana 1 mifanitsaka 1 mahahitsaka 1 hitsakitsaka. * F-p.: Hitsaka am-po rano: fanaovana izay heverin'ny te-na ho mety fotsiny fa tsy mi-la ny hevitry ny hafa. ¶ M. h.: Fanaovana soa am-po. / Hitsa-dany: ny ilany ihany no voahitsaka fa tsy izy roa, fiangarana. / Hitsa-drano: fanaovana an-keriny hiditra ao an-tranon'olona manana ady amin'ny tena. / Hitsaka andro: fanandroanahamantararra ny vintana izay ho avy mbola hiseho. / Hitsaka aloka: fanitsahana ny aloky ny olona tian' ny mpamosavy hamosavina. / Hitsa-tany: fanaovana an-keriny ny tanin' olona. / Hitsa-pasana: fandihizan'ny mpamosavy eo ambony fasana amin'ny alina. / Valin-kitsaka: enti-milaza ny setrin'izay natao. * Ohab.: Mpamosauy mile-vina amoron-dalana: ny valin-kitsaka no tsy tanty: enti-milaza ny olona mandray ny valin'ny nataony izay mampikaikaika azy. Ahitsio
Hitsika: a: Karazan-kazo mafy fanao tehina. Ahitsio
Hitsikitsika: a.: Karazan-kazo lehibe mafy. Ahitsio
Hitsikitsika: a.: Karazam-borona salasalany, mivolon-takatra sady mainty ny volony, 30 sm ny halavany ary mivelona amin'ny nofom-biby madinika sy ny bibikely (Tinnunculus) — Mahafinaritra jerena ny fanidin'ny hitsikitsika rehefa misonenika izay izy, ka nahatonga ny hiran'ny ankizy hoe: Mandihiza, Rahitsikitsika, hianaranay raha fararano. * Ohab.: Natao ho hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery nipaoka ny akoho: enti-milaza olona namoa-doza. / Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha: tsy misy fisehoan-javatra tsy manam-pototra na antony. Ahitsio
Hitsina: Jer. Hintsina. Ahitsio
Hitsina: (hitsy) mt.ih. (hitsio): Arahina tsy mivilivily: Hitsio ity lalana it? dia tonga any an-tsena Ise. ? Aleha mivantana: Aza mivilivily ianao fa hitsio ir? trano an-tamponkavoana Kendrena, asianamivantana: Nohitsin'ny mpitsara ny ratsy nataony ka tsy nahitan-teny izy. Ahitsio
Hitsivolana: na Ordonansy a.: Didy ataon'ny Governemanta noho ny famindram-pahefana avy amin'ny Solombavambahoaka mpanao lalàna. Ahitsio