Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Honjo: a : Karazam-borona mitoetra eny amin'ny farihy na dobo. Ahitsio
Honkoa: Karazan-kazo. Ahitsio
Honkona: a.: Masom-by lehibe, izany hoe vy fisapisaka mihorona boribory itsofohan' ny zaran'nyangady na antsY, mba hahamafy ny fifandraisany. - t.i.f : Honkonana, ahonkona, voahonkona / manonkona, fanonkona, mpanonkona / anonkonana, fanonkonana, Ahitsio
Honkonana: (honkona) mt.ih. (honkony): Asiana honkona: Honkony kely it? antsy uao novidiko Ahitsio
Hono: mt.: Teny atao eny afovoan'ny teny lazaina na mamarana azy ka enti-milaza fa mpamerina fotsiny izay voalaza ny tena ary tsy tompon' antoka amin'ny fahamarinany: Manavy, hono, Rakoto, ka tsy tonga niasa - t.i.f.: Honoina / honohono / honohonoina / mihono, mihonohono. Ahitsio
Honohono: a: Tsaho na feo miely. Ahitsio
Honohonoina: (honohono) mt. ih. (honohonoy): Tsahoina: Honohonoin'ny olona hovana ny lalàm-panorenana ka ny olona rehetra mihitsy no handany azy, Ahitsio
Honoina: (hono) mt. ih. (honoy): Tsahoin'ny olona, lazain'ny olona ataony honohono. Ahitsio
Hontihonty: a: Teny na fihetsika atao-na lehilahy hahazoany sitraka amim-behivavy; fanompotompoana iandrandrana valiny. - t.i.f.: Mihontihonty, fihontihonty, mpihontihonty I ihontihontiana, fihontihontiana. Ahitsio
Hontsa: p. t.: Malemy, trotraka: Hontsan'ny hanoanana ~ Fano alahelo amin'ny fahitana olona niharan-doza na fadiranovana: Hontsa aho nahita azy mianaka kely mitofezaky ny hanoanana ? Ngoly, vonto: Hontsan'ny fitiavana azy koa ny anao ka tsy avala handeha any. i t. ? f.: Hontsahontsa. Ahitsio
Hontsana: a: Fanetsiketsehana ny rano atao ao anaty tavoara na ao am-bava mba hanadiovana ny tavoara na ny aty vava. ~ Ny loto avy amin'izany fanetsiketsehana izany: Hontsam-bilia ~ Fanetsiketsehana ny ao anaty zavatra na ny eo ivelany amin'ny fitopatopana. 1 tif: Hontsanana, ahontsana, voahontsana / manontsana, fanonteana, mpanontsana I anontsanana, fanontsanana / mihontsana, fihontsana, mpihontsana 1 ihontsanana, fihontsanana. - F.-p.: Hontsam-bilia: rano avy nanasana vilia. ¶ M. h.: Hozam-bilia, ranondolana. Ahitsio
Hontsanana: (hontsana) mt. ih. (hontsany): Asiana rano izay kobankobanina ao anaty zavatra mba handiovana azy; Hontsany it? tavoahangy it?. Ahitsio
Hontsina: a.: Hari-koditra, fanaikitry ny hatsiaka, ny aretina. - t.i.f.: Mangontsina, fangontsina / angontsinana, fangontsinana. Ahitsio
Hontsina: sy Hontsona a: Fihetsehana kely; firaikana kely fa voadona. - t.i.f: Hontsinina, ahontsina, voahontsina / manontsina, fanontsina, mpanontsina I anontsinana, fanontsinana / mihontsina, fihontsina, mpihontsina I ihontsinana, fihontainana 1 mahahontsina I hontsinkontsina. Ahitsio
Hontsonina: (hontsona) mt.ih. (hontsony): Hetsehina, hozongozonina: Tsy azo hontsonina akory it? vato it?. Ahitsio
Hontsy: p.mt.: Entina manambara fandavana: Handeha hanaraka azy ve ianao? — Hontsy! Ahitsio
Hony: mt.: Endrika hafan' ny "hono", izay entina manontany: Handeha, hony, Rakoto amin'ny herinandro ambony? Ahitsio
Hopaka: a: Fihofahofana (enti-milaza zavatra mitapelaka ka mikopakopaka tsofin'ny rivotra na voahetsiketsika) Jer. Kopaka. 1 t.if.: Ahopaka / mihopaka, fihopaka / ihopahana, fihopahana / mahahopaka / hopakopaka. Ahitsio
Hopetaka: ft.: Fipetahan-javatra mitapelaka lehibe amin' ny... - t.i.f.: Mangopetaka, fangopetaka. Ahitsio
Hopitaly: (fr. hôpital) a.: Trano fitsaboa-marary. Ahitsio