Litera I

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Indimy: p.mt.: Enti-milaza fiverenan-javatra inefatra miampy indray mandeha. i t.i.f.: Manindimy, fanindiminy. Ahitsio
Indra: na Indrany a: Enti-milaza ny hatevin-javatra, ka misy roa ny indra: ny indrakely na hatevenany, ary ny indrabe na ny sakany: Voatondro roa ny indrakelin'ny hazofisaka, ary irain-jehy ny indrabeny. 1 Ilany: Nihazo ny indran-dalana izy mba tsy ho voahitsaky ny fiarakodia i t.i.f.: Manindrana / mifanindrana 1 anindrana, tanindrana. Ahitsio
Indrafo: a: Hamorana hamela hadisoana, famindram-po (indraindray koa atao hoe findrafo): Olona tsy manana indrafo io lehilahy io. - F-p.: Be indrafo: fatra-pamela ny hadisoana na halo-ka. Ahitsio
Indraika: p.mt.: Fiangolana ny hoe "indray": Raha tany indraika kosa ka mifaly — Hadinoy ny sentosento sy tomany — Aoka ihany izany foko no hijaly — Hitoloko samy irery lavitra any (R.R. -R.). • Indray mandeha: Impiry ianao no tany Mahajanga? — Indraika. Ahitsio
Indraindray: na Tsindraindray p.mt.: Mahalankalana, tsy matetika: Tonga mitsidika anay indraindray i Dadatoa Rajao. * F.-p.: Indraindray tadiavina: tsy fahita raha tsy mahalana dia mahalana. Ahitsio
Indrakindrafana: p. t.: Hendra trendratra tsy mahapetraka eo am-piandrasana zavatra mahafinaritra na atahorana mamp anahinahy: Indrakindrafana er? ny ankizy fa rahampitso izahay no handeha ho any Mahajanga. • Taitaitra, adaladala: Olona indrakindrafana iny, ka axa a-tao mahagaga anao ny fihetsiny. Ahitsio
Indramina: (indrana) mt. ih. (indramo): Angatahina mba hanaovana nefa haverina rehefa avy eo: Nindramin'i Soa ny sininay hantsakany. IIangaviana hanao raharaha fa tsy karamaina: Olona nindramina ireo miasa ny tanimbarinay ireo. Ahitsio
Indrana: a: Zavatr'olona ampiasain'ny tena izay haverina rehefa avy nanaovana: Lamba indrana it? anaovako it? fa very omaly ny ahy. - t.i.f.: Indramina, voaindrana / mindrana, findrana, mpindrana 1 indramana, findram ana 1 mampindrana, fampindrana, mpampindrana I ampindramina I ampindramana, fampindramana 1 mifampindrana. Ahitsio
Indray: p.mt: Fanindroany: Toa mbola miteny indray ialahy? i Mbola vao mainka: Norarany tsy hisotro ny zanany, nefa izy indray no nivongika tavoahangin-java-pisotro 44 avy any. i Miaraka: Ahitsio
Indray: nientana izahay rehetra nihoby ireo mahery fonay. * F.-p.: Indray andro mahamay; indray andro manenjana; indray andro maninjitra: ny tontolo andro manomboka ny maraina ka mandrapaharivan'ny andro, indray andro tontolo. j Indray ma-ka, indray màlaka, indray mitoraka: indraika tsy misy fanampiny, ilazana fanaovanjavatra tokana tsy misy famerenana. j Indray mahamasa- bary: halavam-potoana mitovy amin'ny fotoana ahamasahan'ny vary andrahoina (eo amin'ny antsasak'adiny eo). j Indray mahamasa-patsa: halavampotoana mitovy amin'ny ahamasahan'ny patsa andrahoina (eo amin' ny fahefatr'adiny eo). j Indray mipy maso: fotoana kely mihelina, vetivety. j Indray mitono valala: halavam-potoana mitovy amin' ny fotoana ahamasahan'ny valala atono amin'ny afo (eo amin'ny roa minitra eo). / Indray mandingana: ny elanelan'ny fifindran'ny tongotra havia sy havanana. / Indray mitoraka: halaviran-tany mety ho tra-toraka (eo amin'ny dimampolo metatra eo). / Indray mihira: mitovitovy taona, niaraha-nilalao, niarabelona. * Ohan.: Omby indray man-dry tsy indray mifoha: na dia olona iray raharaha na iray fianakaviana izao aza, mety tsy ho tonga miaraka amin'ny foto ana iray. Ahitsio
Indreny: p.mt: Enti-manondro olona na zavatra maro hita lavitra eny: Indreny lasa ny miaramila hanao sarinady. Ahitsio
Indreo: p.mt.: Enti-manondro olona na zavatra maro izay toy ny atolotra na aseho: Indreo ny mpianatrao, hoy ny lehiben'ny sekoly tamin' ilay mpampianatra, dia lasa izy. Ahitsio
Indreto: p.mt: Enti-manondro olona na zavatra maro hita eo akaiky na manakaiky: Indreto tonga Ramose mivady, hoy Ikoto tamin'ny na-man y. Ahitsio
Indretsy: p. mt.: Enti-manondro olona na zavatra maro tsy lavitra fa hita etsy ho etsy. Ahitsio
Indri/: p, rat.: Enti-manondro olona na zavatza tokana er? lavitra: Indr9 lasa ny fiaramanidina. Ahitsio
Indriako: s.o.: Misolo ny olona itenenana, fampiasan'ny samy vehivavy, indrindra ny zazavavy mifankazatra: Indriako no tsy te handeha ho! Ahitsio
Indrindra: p. mt.: Enti-milaza toetran'olona na toe-javatra faxa tampony na farany ambany miolotra amin'ny sisa rehetra: Isambilo no mahay indrindra amin'ny mpianatra ary Ikoto no kevoka indrindra. ? Tsy hafa fa... tokoa: Ianao indrindra no tadiaviko. * Tsaxa, amin'ny fotoana tsara... iny: Nikabary indrindra izy no nianjera ny valindrihana. Ahitsio
Indrisy: t.p.: Enti-milaza fisentoana fa misy alahelo lehibe: Indrisy! lasa tsy ho hitako intsony izany reniko! Indraindray koa anefa mety milaza fihetseham-po samihafa — indrindra fahatairana, na hagagana, na hakiviana — ny indrisy: Indrisy! rahoviana vao tsy hirehareha ny lehibe sy ny ambon y! (Mitovitovy hevitra aminy eto ny Endrey!) Ahitsio
Indro: p. mt,: Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao. Ahitsio
Indroa: p.mt.: Enti-milazafiverenan-javatra fanindroany. * Ohab.: Valala tsy indroa mandry am-bavahady: fitenenana enti-milaza zavatsoa tsy hiverina intsony ka tokony hohararaotina. Ahitsio