Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lohalo: a.: Lohasaha eny antehezan-ten drom bohitra. Ahitsio
Lohamalemy: a: Ray faritra mfhonankonana eo ampovoamboan'ny lohan'ny zaza, eo anelanelan'ny taolana amin' ny karandohany, izay mihafeno sy mihamafy tsikelikely araka ny fitomboan'ny taonany ka tsy hita intsony mihitsy aza rehefa lehibe izy fa mifangaro amin'ny taolandoha. Ahitsio
Lohamalona: a.: Ny lohan'ireo taolana roa amin'ny ranjo. Ahitsio
Lohamandriny: a: Hero-dronono. Ahitsio
Lohantsitsy: a.: Ny nofo mihorona manarona ny filahiana ka esorina rehefa manao hasoavana. Ahitsio
Loharano: (rano) a: Rano miboiboika avy ao anaty tany, izay rano avy amin'ny ranonorana naninteraka tany anaty tany ka mipoitra indray avy eo; ny loharano rehefa mitambatambatra amin'ny hafa no tonga sakeli-drano, dia renirano ary ony: Ao anaty lobolobo ao misy loharano. ? h.o.: Fototra iandohana, iavian'ny zavatra iray: Andriamanitra no loharanon' ny soa rehetra. / Ny fianarana no loharano ipoiran'ny fond rosoana. Ahitsio
Loharaoka: a.: Ny zavatra azo babo voalohany any an'ady. Ahitsio
Lohariana: (riana) a.: Ny tampony ambony indrindra amin'ny nana. ~ Ny fotoana ialan'ny aina: Efa an-dohariana izy no tonga ny zanany. Ahitsio
Lohasaha: a.: Lempona na ankandemponana anelanelan' ny tendrombohitra roa na manaraka ny vodivona. Ahitsio
Lohataona: (taona) a.: Fizarantaona voalohany amin'ny taona fa miantomboka maniry na mitsiry daholo amin'io ny zavamaniry nihintsana tamin'ny ririnina, miseho lalandava ny masoandro ka betsaka ny hainandro ary mafana ny andro; hatramin'ny volana Septambra ka hatramin'ny Novambra no faharetan'ny lohataona, izay dimbiasan'ny fahavaratra. Ahitsio
Lohateny: (teny) a: Anarana — izay matetika teny fohifohy — entina hilazana boky na toko iray amin'ny boky na koa lahateny famelabelaran-kevitra: "Mbà olom-banona" no lohateny nalain'ny mpampianatra anay ho voaboasana. ? Fifanarahana fa hifamela heloka na hifandefitra na hifanampy. - F.-p.: Manao lohateny tsy mitouy: tsy mifandefitra, tsy mifamaly bontana. Ahitsio
Lohatory: a.: Ray torimasovoalohany raha vao manomboka m atory kelikely. Ahitsio
Lohatraoka: a.: Faritry ny traoka ambony izay ahazoana mamoaka feo; misy taola malemy mivohitra eo anoloan'ny lohatraoka, izay atao hoe traotraoka. Ahitsio
Lohavary: (vary) a.: Ny mongomongo amin'ny fotsimbary; voam-bary kely toy ny torotoro mihitsy aza, izay hita ooalohany eo amin'ny sahafa rehefa manofa vary, ka avy amin'izany no nahatongany anarany. Ahitsio
Lohavolana: (volana) a.: Fihaonana fanaon'ny Protesta isaky ny alatsinainy voalohan' ny volana. Ahitsio
Lohavorona: a.: Fivontosana fahita amin'ny lohan'ny ankizy kely. Ahitsio
Lohavý: a.: Soratra mivaingana vita amin'ny metaly, fampiasa amin'ny prfnty. Ahitsio
Lohodohony: a.: Zana-borona dongadonga. Ahitsio
Loholona: (olona) a: Fitambaran'ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin'ny fokonolona na fiangonana... Ahitsio
Lohombintany: (tany) a: Tany nomen'ny Andriana fahiny an'izay nahavita soa tamin' ny fanjakana, ka tsy andoavan-ketra. Ahitsio