Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandrafozana: (rafozana) mt. s.: Miasa ho an'ny rafozana: Lasa nandrafozana Rakoto. Ahitsio
Mandrafy: (rafy) mt.p. (mandrafesa): Mankahala, manao ho fahavalo. Ahitsio
Mandrahaka: (rahaka) p. t.: Mirantsana be, mantra' rantsana betsaka: Malomaloka tsara ny tokotanintsika azon'io hazo lehibe mandrahaka io. Ahitsio
Mandrahana: (rahana) mt. p. (mandrahàna): Mampango-. traita. Ahitsio
Mandraharaha: (raharaha) mt.p. (m and raharahà) : Mitondra, mifehy: Mahay mandraharaha ny mpiasa izy. Ahitsio
Mandrahona: (rahona) mt.s. na mt.p. (mandrandna): Misy rahona, rakotry ny rahona: Mandrahona ny andro ka mampatoritory, 1 Manaloka: Tokony hotapahina io hazo io fa mandrahona ny tranontsika ? Manombana ho avy, mitrahotraho: Mitondrà elo fa mandrahona ny ranonorana. ? Manao fihetsehana milaza mialoha fa hamely, manambana: Mandrahona an' Ikoto Ramose ka mamitsaka Ikoto. Ahitsio
Mandraika: (raika) mt.p. (mandraiha): Mampirona, manongilana, mampitongilana. Ahitsio
Mandraikiraiky: (raiky) mt.p. (mandraikiraike): Mahatonga hisalasala, ho varimbariana. * Mahadala, mahadonto. Ahitsio
Mandraikitra: (raikitra) mt.p. (mandraiketa): Mametaka mba isy hiala, tsy hihetsiketsika: Mandraikitra sary amin'ny rindrina ? Manapaka, mamarana: Mandraiki-barotra ? Manondro: Mandraikitra fotoana Ahitsio
Mandraingy: (raingy) nits. (mandrainge): Mahazo afo (amin'ny fanodinana raingy). * Manery Glana hanome zavatra anao. Ahitsio
Mandrairay: (rairay) mt p. (mandrairaisa): Mikasika, ma• nendritendry, manohintohina: Aza mandrairay zavatr' olona fa maloto ny tananao. ?h.o.: Mangalangalatra. Ahitsio
Mandraka: ppk.: Hatramin'ny, ambaraka: Andraso eto aho mandra-piveriko. (Hita araka io ohatra io fa ny "mandraka", toy ny "ambaraka" rahateo koa, dia tsy fampiasa raha tsy miaraka amin'ny a narana avy amin'ny matoantenin'ny mpanao manomboka amin'ny f, toy ny fiverina, fatory, fanoratra: Rotsirotsio izy mandra-patoriny). Ahitsio
Mandràka: p.t.: Mahia dia mahia, kaozatra: Mandràka er? izy hatramin'ny naharariany. ¶ M.h.: Jar. Mahia. Ahitsio
Mandrakaraka: (rakaraka) mt p. (mandrakarakà): Manaha (volo), mamela ny volo hihahatsy randranina. 4 Ahitsio
Mandrakariva: p.mt.: Tsy tapa-ka: Mando mandrakariva ny trano tsy mivoha varavarankely. Ahitsio
Mandrakizay: p.t.: Tsy misy fiandohany ary tsy misy fiaf arany: Andriamanitra dia mandrakizay. ? Tsy manampahataperana: Ny fiainana mandrakizay. 1 p. mt.: Na rahoviana na rahoviana: Tsy hisaraka aminao mandrakizay aho. ¶ M.h.: Doria, alaovalo, antaranoana. Ahitsio
Mandrakotra: (rakotra) mt.p. (mandrakofa): Manisy zavatra eo amboniny mba tsy hahitana ny ao anatiny na hiarovana azy: Mandrakotra fandriana / Mandrakotra vilany. Ahitsio
Mandramatra: (ramatra) mt.p. (mandramata): Manaikitra mafy amin'ny nify; miady amin'olona. Ahitsio
Mandrambo: (rambo) mt. P. (mandramboa): Maniay tovana mirefarefa na mitaritarika, manisy somotraviavindamba. Ahitsio
Mandrambona: (rambo) mt.p. (mandrambàna): Misambotra na misarika amin'ny tovan' akanjo mirefarefa na mitaritarika. Ahitsio