Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manesy: (sesy) mt. p. (manese): Manao zavatra tsy miato: Nanesy nitsidika anay nandritra ny havaloana i Soa dia tsy nipoitra intsony indray. Ahitsio
Manetoka: (ketoka) mt. p. (manetbha): Mandrotika: Nanetoka ny tenako ilay alika. 1 mt, s.: Mandevilevy mafy sa-.kdy tampoka: Manetoka mafy izany oHtra amin'ny nifiko 1-zany. Ahitsio
Manetona: (etona) mt. P. (manetona): Manetroka: Aza manetona olona, 1 Mandrara-pofona: Batao ny vary fa efa manetona. 1 Mivoaka: Misy fofona hafahafa manetona oo. Ahitsio
Manetra: (setra) mt p. (manetrà): Manohitra, mitsena, manohana: Sahy manetra ny hatezerako lahy it? zaza itti! ¶ M.h,: Manehatra. Ahitsio
Manetriketrika: (hetrika) p.t.: Malaza dia malaza, be renty, makotrokotroka (lanonana, fety...): Nanetriketrika ny lanonana tamin'ny 26 Jiona. Ahitsio
Manetrinketrina: p. t.: Betsaka dia betsaka; mihahohah?: Manetrinketrina ny olona tango nijery lanonana teo amin'ny lapan'ny tanna Ahitsio
Manetro: (etro) mt s. (manetroa): Misotro toaka (f.s.b.). Ahitsio
Manetroka: (setroka) mt. s. sady mt. p.: Ratsy firehitraka mitera-tsetroka betsaka: Manetroka izaitsizy ny kitay le-na. 1 Mandonaka, manorisory (olona) amin'ny setroka, manetona: Tandremo sao manetroka ny vahiny ny afonareo. 1 Mitezitra mafy, mandevilevy: Nanetroka ny mpianany ilay mpampianatra no-ho ny toetra ratsy nasehony. Ahitsio
Manetry: (etry) mt. p. (manetre): Mahatonga hidina, mandetsy: Manetry ny tany ny ranonorana. - F.-p.: Manetry tena: tsy tia manambony tena, manambany tena. ¶ M.h.: Manetry tena, mietry tena, manao tsinontsinona ny tena, manambany te-na, manivaiva tena, manaratsy tena, manaratsy tena toa omby hantsika, mivazina, manavazin-tena. Ahitsio
Manetry: (setry) mt. p. (manetre): Mamaly. Ahitsio
Manetsa: (ketsa) mt. p. (monetsà): Mamindra eo amin'ny tanimbary ny vary nafafy teo amin'ny taninketsa: Vehivauy''rnahay manetsa daholo izy Tito vavy ireo. Ahitsio
Manetsaka: (hetsaka) mt. p. (manetsaha): Mamonto. 1 h. o.: Manatanteraka, manatontosa: Nanetsaka ny faniriantsika Andriamanitra Ahitsio
Manetsaketsa: (ketsa) mt. p.: Mikapoka mafy, mandarodaroka: Nanetsaketsa ny zanany tamin'ny tehina izy, Ahitsio
Manetsaketsaka: (hetsaka) mt, p. (manetsaketsaha): Manrely mafy tsy an-kisesY, mamango, mandaroka, manetsaka...: Nanetsaketsaka an-janany teo Rakoto. Ahitsio
Manetsetra: (tsetsetra) p.t.: Mahatsiaro fifandrirodrirotan' ny hozatra amin'ny tena, mahatsiaro torovandrovana alohan'ny hanaviana. Ahitsio
Manetsika: (hetsika) mt. p. (manetseha): Manova toerana: Aza manetsiketsi-tongotra 1 Mampanonja; mampihevingevina, mampitopatopa: Manetsika ny ranomasina ny rivotra 1 Mamoha, mampipoaka indray: Tsy tokony hanetsika iny raharaha iny intsony ianao. 1 Mampientana: Nanetsika ny foko loatra ilay hira tao. 1 Mahatonga, miteraka: Manetsika ny alahelony ny fahitana ny fasana ilevenan'ny zanany. 1 Mamadika, mamono lamba: Hanetsika an-dry Ramianoka sy Ratsizehena izahay, tanna any. Ahitsio
Manety: (ety) mt. P. (manete): Mahatonga ho ety: Manety toerana ireto entana ireto fa avoahy. 1 Manahirana, manembantsembana: Manety ahy ianao fa mialà. Ahitsio
Manety: (hety) mt. p. (maneteza): Mandidy na manapaka amin'ny hety. Ahitsio
Maneva: p. t.: Manendrika. Ahitsio
Manevaheva: (hevaheva) mt. p, (maneuahevà): Manantona; manakirazorazo. Ahitsio