Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mangaika: na Managaika (gai-ha) mt p. (mangeha, manageha): Mamehy, mamihina: Mangaika ny tenda ny fehitendako. ? Mangia tsy mamela hiala: Felatanamangaiha ny rantsana. • Manery: Nahay nangaika anay hiasa ny mpampianatra. Ahitsio
Mangaika: (haika) mt. p. (mangeho): Miantso mba ho tonga, mamory. Ahitsio
Mangaina: (manga) mt ih.: A-tao tonga manga. Ahitsio
Mangaina: (gaina) mt p.: Diso fanantenana: Nangaina aho fa very ilay vola nianteheraho. • Foana tsy misy mipetraka, monina: Mangaina ity trano it? izany. Ahitsio
Mangaka: (haka) p, t.: Mazavazava ratsy: Mangaka ny la-nitra amin'ny dimy maraina. ? Maina (fiteny amin'ny tan-da izay tsaroana toa maimaina any anatiny any): Mangaka izany ny tendako azon' ilay uovoka nandalorana. Ahitsio
Mangalahala: (halahala) p.t.: Enti-milaza ny rano madio fotsy toy ny azo itarafana, madio dia madio, mangarangarana: Rano mangalahala Ahitsio
Mangalatra: (halatra) mt. p. (mangalara): Maka ny tsy an'ny tena: Fahotana ny mangalatra - F.-p.: Mangala-dia: mandeha misokosoko tsy misy fierana. f Mangala-p?ery: mody tsy mahita nefa mitodika manarangarana mijery, mijery vilana, tsy mijery mahitsy tsara fa mijery sompirana. Ahitsio
Mangana: p.t.: Mivolona firamainty na manjarano, mivalomainty: Voadona mafy ny handriny ka mangana. ? h. o.: Trotraka: Mangana mihitsy aho uao afaka tao ka aoha kely aloha hiala sasatra i tif: Amangana, manganina / manamangana, fanamangana, mpanamangana I anamanganana, fanamanganana / mahamangana / mihamangana / mangamangana I fahamanganana. Ahitsio
Mangana: na Managana (gana) mt. p.: Mandrindrina na mikapoka mafy. Ahitsio
Manganana: Mangananganana (hanana, hananganana) p. t.: Tsy mamy tsy mangidy, mangidingidy tsy dia ratsy fa toa mahafinaritra amin'ny lela ihany aza: Mangananganana ny voan'ny auiauy. * Ohab.: Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina: loza raha hitady ny mangidingidy ka nahita ny tena mangidy nampivivy, izany hoe loza raha hitady tombony, nefa fahavoazana indray no hita. ¶ M. h.: Fatra-panihika ka nihatra amin'ny fotaka. f Nitady tombony ka natombiny. f Nitady sitrany ka nasitriny. Ahitsio
Manganihany: (hanihany) p.t.: Mangirangirana, manganohano: Ohatrinona no niuidiananao ireto kaopy manganihany ireto? ? Efa madiva ho potsitra: Manganihany ny vay. Ahitsio
Manganina: (hanina) mt. p. (mangano): Atao tonga mangana. Ahitsio
Manganohano: (hanohano) p. t.: Mangirangirana, mamirapiratra Manganohano ny varahina, ¶ M. h.: Manganihany. • Enti-milaza zavatra madio dia madio mitarehin-drano, azo itarafana: Manganohano rano kely mandeha ity, ¶ M.h.: Mangarangarana, mangalahala. 1 Enti-milaza ny ranomaso mihandrohandro mita hirotsaka: Manganohano ny ranomaso n'itti zaza. ¶ M.h.: Mihandrohandro. Ahitsio
Mangaoka: (haoka) mt. p.: ,Mandoaka, mandavaka. • Mangarona, misikotra mba hahalala zavatra. ¶ M. h.: Mangarona, mangaroka, misikotra, misafary, misaroro, mamantatra. Ahitsio
Mangarahara: (harahara) p.t.: Tantera-pahazavana hatrany ambadika noho izy manify: Efa mangarahara it? lambanao fa aleo mividy uaouao. Ahitsio
Mangaraka: (haraka) mt. p. (mangaraha): Mampiditra ny kofehy amin'ny haraka (fiteny amin'ny tenon). Ahitsio
Mangarana: Mangarangarana (harana) p.t.: Tsy misy loto, tsy misy zavatra miharo aminy, mangalahala Rano madio mangarangarana. Ahitsio
Mangarika: (harika) mt. p. (mangariha): Mijery manao maso mitsivalana amin'ny sasany, mariky ny hasosorana, tsy fitiavana. Ahitsio
Mangarina: (harina) mt. p. (mangarina): Manolana (fary) hanaovana s¢amamy. Ahitsio
Mangarina: (Btm) (harina) mt p.: Mitoto fary hanaovana betsabetsa. Ahitsio