Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manakotra: (takotra) mt.p. (manakofa): Manarona amin' ny takotra. Ahitsio
Manakotrana: (kotrana) mt.p. (manakotràna): Manozongozona, manofokofoka: Misy manakotrana ny uarauaranay rahalina. ~ Manahirana, manelingelina: Misy tebiteby manakotrana azy andro a-man 'alina • Mampikorontana: Tsy misy afaka hanakotrana ny fihavanantsika Ahitsio
Manakotrika: (kotrika) mt.p. (manakotreha): Mametraka akoho mba hikotrika, mainpikotrika. Ahitsio
Manakotsa: (kotsa) mt.p. (manakotsà): Mandena tanteraka, mamonto. Ahitsio
Manakotsako: na Mitsakotsako (tsako) p.t: Enti-milaza ny vanin-taolana izay toa torovandrovan a sady manaintain& Ahitsio
Manakotso: (akotso) mt.p.: Manisy sisin-damba haingo. Ahitsio
Manakovilavila: (kovilavila) mt p. (manakovilavilà): Mampiolikolika manketsy mankeroa: Manakouilavila ny fandehany ny mamo; ~ Mampisavilivily: Aza manakouilauita tanana toy izao rehefa mande ha. Ahitsio
Manala: (ala) mt.p. (manalà): Manesotra: Nanala ny palitaony izy fa nafana loatra ny andro. ~ Manatsoaka, manongotra, manombotra: Iza no nanala ilay fantsika teto amin'ny rindrina? ~ Manafaka: Iza dry no nanala azy tao an-davaka tao, hoy ianao? ? Maka: Lasa nanala fanadinana any Antananarivo izy. ? Manao fanalana, manesotra isa amin'ny isa hafa iray lehibebe kokoa: Tsy mbola mahay manala akory ity zaza ity a F.-p.: Manala aina: mamono mahafaty. / Manala alahelo: mampitony ny alahelo, mampionona olona ao anatin'ny fahoriana. / Manala andro: manao zavatrambahandaniana andro ka tsy hahatsiarovana ny fahelany. lManala baraka: manala ny voninahitr'olona/Manala ny fony: manampatra ny hatezerany. /Manala ny lohany: mitomany mafy dia mafy, mijafajafa. / Manala satroka: manesotra ny satroka avy eo andoha ho mari-p anajana. j Manala tsiny: manao izay hahamaivana ny fahadisoan'ny olona iray. / Manala zaza: manao izay hahafahan'ny zaza mbola tsy tonga volana ao an-kibo. Ahitsio
Manala: manatsoaka zavatra sintonina, manendaka, Ahitsio
Manalady: (halady) mt.p. (manaladia): Miala tsiny: Ndeha manalady azy ianao (ndeha miala tsiny aminy ianao). 1 Mitsapa alahelo, mamangy amin'ny fahoriana: Avy manalady anareo, tompoko. Ahitsio
Manalakalaka: (halaka, malakalaka) mt p, (manalakalaha): Mampisaraka, mampihataka, manisy elanelana. Ahitsio
Manalalaka: (dalaka) mt.p. (manalalaha): Manabe sakany, velarana: Manalalaka ny araben-dalana ? Manalehibe, manitatra: Amin'ny herintaona uao manalalaka ny tranonay izahay. ~ Manisy elanelana: Manalalaka kokoa ny an-dalan-tsoratra. ? Manaketraka, manalefaka: Vao tonga tao amin'ny fitondrana izy dia nanalalaka ny lalàna no nataony. Ahitsio
Manalalana: (alalana) mt.p. (manalalàna): Manelanelana: Manalalana antsika amin'Andriamanitra ve ny Razana? ~ Mitondra hafatra: Rabe no nalefako hanalalana tany amin'ny lehibe, nefa mbola tsy nahazo uallny aho. ? Miraharaha zavatra amin'ny fanelanelanana: Tsy uitanao mivantana io fa aoka ianao hanalalana Ahitsio
Manalanalana: (alana) mt.p. (alanalana): Manavaka, mampitokana irery. Ahitsio
Manalangalana: (halangalana) mt.p. (manalangalàna): Mampisaraka (toerana). Ahitsio
Manalasala: (sala) mt.s. (manalasalà): Mankeo anelanelany, afovoany; tsy mandroso tsy mihemotra ~ Mametraka eo anelanelan'ny zavatra roa. ~ Miteraka fihambahambana mahatonga hisalasala: Manalasala ohatra ny uozon'akoho tanora; hanina toa taolana, avala toa nofony ihany. Ahitsio
Manalava: (lava) mt.p. (manalauà): Manohy, manovona: Iza no nanalava it? tady it?? ~ Mahatonga hitaritarika, mampitarozaka: Manalava resaka koa Rangahy iny ka very foana teto ny andro. ~ Manela: Manalaua ny adin' ny oiona io mpitsara io. Ahitsio
Manalavitra: (lavitra) mt.p. (ma-na lav ira) : Mihataka amy...: Nony lehibe Rabe dia nanalauitra andreniny. ~ Mampihemotra lavitra: Manalavitra ny zauatra jerena it? masolavitra iy. Ahitsio
Manalefaka: (lefaka)mt.p. (manalefaha): Mampahatonga malefaka, mora alefitra: A-tao anaty rano ny hazo hana-1e faka azy. 1 Mampitony, manaketraka: Manalefaka ny alaheloko ny tenin'ny raiko. ~ Mampihena: Manalefaka ny hainandro ny ranonorana. Ahitsio
Manalehibe: (lehibe) mt.p. (manalehibiaza): Manalalaka, mampitombo: Manalehibe tokotany. 1 Mampitombo ny sary ahitana zavatra: Manalehibe ny zauatra jerena it? solomaso it?. 1 Manitatra, mampitombo filaza: Tsy mety ny manalehibe na manakely ny zavatra natao fa izay izy ihany no izy. Ahitsio