Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manalemy: (lemy) mt.p.: Mahatonga halefaka: Ny vola nomeko azy no nanalemy azy. 1 Mampitony, manalefaka: Ny fifonako taminy no nanalemy ny hatezerany. Ahitsio
Manalika: (alika) mtp•: Mana-la baraka amin'ny teny tsy fanao afa-tsy amin'ny alika, na amin'ny fanaovana ilay olona tenenina ho toy ny alik& Ahitsio
Manalina: (alina) mt.p.: Mitana hatramin'ny fahatongavan' ny alina, mitana ela loatra: Nanalina ahy ny resa-dRabe omaly. - F.-p,: Manalina andro: mitana ela loatra. Ahitsio
Manalo: (alo) ma p.: Manasaratsaraka ny ira alohan'ny hanenomana: Efa manenona ve Rasoa izao? — Tsia, mbola manalo ny foly izy ao. Ahitsio
Manaloha: (aloha) mt, p.: Mandefa na mampandeha aloha: Efa nanaloha olona ve ianao mba hilaza ny fahatongauantsika? 1 Manao aloha: Nanaloha ny uariny noho ny olona rehetra izy taona ito? Ahitsio
Manaloka: (aloka) mt.p. (mana-lofa): Manome aloka, miaro amin'ny hainandro: Mikisaha etsy avaratra fa bey mis), manaloka anao eo amin'ny misy anao eo. ? Mampahamaizina: Arodany io rindrina io fa manaloka be ihany. ~ h. o.: Manakona ny voninahitra ka mampihena ny fahefana: Betsaka ny andriana ambony novonoin-dRanavalona reni• ny fa natahorany hanaloka a-z y. Ahitsio
Manamafy: (mafy) mt.p. (manamafisa): Manamarina: Faly aho fa manamafy ny hevitro ny lazainao. •Manampy: Aoka ianao tsy hanamafy ny fananarana efa nataoko azy. ~ Mampitombo: Vao mainka hanamafy ny alahelony raha miseho ho malahelo koa ianao. Ahitsio
Manamaika: (maika) mt.p.: Mampanao (zavatra) olona haingana, mandodona: Tsy fanao ny manamaika olona toy izany. Ahitsio
Manamailaka: (mailaka) mt.p. (manamailaha): Manao izay hahamailaka. Ahitsio
Manamaimbo: (maimbo) ma p. (manamaimboa): Mahatonga ho maimbo: Ario any io fatin-tsaka io fa manamaimbo tanàna 1 h.o.: Manala baraka, manala voninahitra, mahafa-baraka: Hanamaimbo azy eo anatrehan' ny vahoaka it? taratasy it? raha hauoaka Ahitsio
Manamainty: (mainty) mt.p. (manamaintisa): Mahatonga ho mainty: Manamainty ny valindrihana ny molaly. ? Mandoko mainty:MahaY manamainty lamba Ravao. Ahitsio
Manamaita: (maina) mt.p.: Mahatonga ho maina: Ny hafanan'ny andro fotsiny dia manamaina lamba 1 Mandritra, mahatankina: Nanamaina ny matsabory ny hainandro. Ahitsio
Manamaito: (ito) rat p.: Mana• paka Ahitsio
Manamaitso: (maitso) ma p. (manamaitsoa): Mahatonga ho maitso. 1 Mandoko maitso. Ahitsio
Manamaivana: (maivana) mt.p. (mana maiuàna): Mahatonga ho maivana: Manamaivana entana / Manamaivana alahelo. Ahitsio
Manamaivoka: (maivoka) mt.p.: Mitoto vary manala ny am-, pombo mahery. Ahitsio
Manamaizina: (izina) mt.p.: Mahatonga ho maizina: Manamaizina ny trano io hazo midoroboka io ka aoka hotapahina Ahitsio
Manamamo: (mamo) mt.p. (manamamoa): Manao izay hahatonga tofoka, hahatonga mamo. Ahitsio
Manamamy: (hamy) Mampahatsiro. Ahitsio
Manamandina: (mandina) mt p.: Mahatonga ho mandina, manao izay hahamandina. Ahitsio