Litera O

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Oranoranina: (oranorana) mt ih. (oranoràny): Abosibosika. Ahitsio
Orena: (ory) mt, ih. (oreo): Rabirabina, sorena, hetraketrahina. Ahitsio
Orenana: (orina) mt. ih. na pdr. (oreno): Tsatohana: Ter? amoron'ny renirano no norenana ny lay. 1 Ananganana: Tsy azo orenana trano, hono, eto fa hisy lalana hatao. • I-lana, ananganana (ady): Norenany ady tamin'ny taniko aho. Ahitsio
Organa: na Organina (fr. organe) a.: Fitambaran-tsela mitovy izay miforona ho taova ao anatin'ny tenan'ny olombelona na ny biby, ary na dia ny zavamaniry ana, izay manatontosa asa iray: Ny vavony no organa misahana ny fandeuonan-kanina./Ny uoany no organa fampitomboana ny zavamaniry. Ahitsio
Orika: o.: Fiakarana na fandehanana an-dakana manohitra ny fidinan'ny rano; fandehanana mitsena ny rano. i fi, f.: Aorika, voaorika, tafaorika I miorika, fiorika, mpiorika I iorihana, fiorihana / mahorika / orikorika, Ahitsio
Orimbato: a.: Vato naorina ho toy ny fanamarinana ny fahavitan-javatra iray inhibe toy ny fifanekena, fifampivarotana...; izay mivadikany fanekena aty aoriana dia antsoina hoe "nitsoaka orimbato". ? Vola nomena ny fokonolona ka napetraka tao amin'ny tahirim-bolan' ny fokonolona raha nisy raharaha lehibe natao teo anoloan'ny fokonolona, toy ny fananganan-jaza, fanarian-jaza, sns..., ka io vola io no heverina ho fanamarinana ny nahavitan'ny raharaha, izay nolazaina fa "vita orimbato". Ahitsio
Orina: a.: Fanatsatohana; fananganana trano, vohitra, taozavatra samihafa; fametahana zavatra ho mafy; fiandoham-pikarakarana amin' izay atao. - t.i.f.: Orenana, aorina, voaorina, tafaorina I manorina, fanorina, mpanorina 1 anorenana, fanorenana / miorina, fiorina, mpiorina / iorenana, fiorenana / mahorina / orinorina. - Orimbato (jar. io teny io). / Orim-paka: enti-milaza ny vehivavy niteraka tamin'ny vadiny ara-dalàna (noheveriny fa hanamafy toerana azy izany). / Orinkazo: tsato-kazo naorina amin'ny tany. Ahitsio
Orina: (ory) p. t.: Atao izay hampahantra azy; botrina. Ahitsio
Orina: (otra) mt. ih. (ory): Enti-milaza faritra iray amin' ny tena, na ny tena manontolo mihitsy, izay safoina sady tsindriana amin'ny tanana ampandehandehanina mba hampahalefadefaka ny hozatra. Ahitsio
Oritra: a.: Fiforetana, fipitsohana. - t.i.f.: Aoritsa, voaoritra, tafaoritra I mioritra, fioritra, ioretana, fioretana / oritroritra. Ahitsio
Oro: a.: Fandoroana; doro: Nahatsiravina ny oro tanety nataon'ireo ratsy saina. - F.-p.: Orom-bary: fotsimbary nodorana voatorotoro hatao hamotsia-nify. Ahitsio
Oroana: (oro) mt. ih. (oroy): Doroana. Ahitsio
Oroanana: a.: Habe, halavana (ka fiteny amin'ny tendrombohitra, saha, tanàna... na eritreritra, fisainana): Lava oroanana ir? saha ir? izany! Ahitsio
Orobona: ft.: Fidokadokan-javamaniry matevina ary milobona. - t.i.f.: Manorobona, fanorobona, mpanorobona. Ahitsio
Orohana: (oroka) mt. ih. (orohy), Ametrahana ny molotra, sy ny orona ho mari-pltiavana na fanajana: Norohany ny zanany tplohan'ny hisarahany. Ahitsio
Oroka: a.: Fampitehefana ny molotra sy ny orona amin' ny tarehy na ny tanana ho mari-pitiavana na fanajana. - t.i.f.: Orohana, aoroka, voaoroka 1 manoroka, fanoroka, mpanoroka I anorohana, fanorohana / mifanoroka I mioroka, fioroka, mpioroka / iorohana, fiorohana / mahaoroka, orokoroka. ¶ M.h.: Ba, mamikely. Ahitsio
Orona: a.: Faritra mivohitra eo afovoan'ny tarehy, izay organa amin'ny fanamboloana sy fakana fofon'aina ary ilaina amin'ny fitenenana. Ahitsio
Orosana: na Orotana (orotra) mt. ih. (orosy, oroty): Entimilaza ravin-javamaniry ongotana amin'ny tanana, ririsana: Orosy ny rauin'io uoaroihazo io. Ahitsio
Orotra: a.: Fandroritana ravinjavamaniry befahatany amin'ny tanana, fanongotana na fakana ahitra amin'ny antsy. i< t.i.f.: Orosana, orotana, voaorotra / manorotra, fanorotra, mpanorotra I anorotana, fanorotana, fanorosana / miorotra, fiorotra, I iorotana, fiorotana I mahorotra I orotrorotra. Ahitsio
Orovy: a.: Mitovy amin'ny Horovy. Ahitsio