Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rosoana: (roso) mt. pdr. (rosoy): Enti-milaza olona omena zavatra hohanina ka atao eo anoloany izany zavatra izany: Rosoana uary ny uahiny. Ahitsio
Rota: p. t.: Rovitra, simba. - t.i.f.: Mandrota 1 rotarota. Ahitsio
Rotahana: (rotaka) mt. ih. (rotahy): Anehoana tsy fahafaliana ka simbana ny fananany. Ahitsio
Rotaka: a.: Fanehoana ts? fa- ROI hafaliana ataon' olona maro, izay mamakivaky arabe ka manimba izay rehetra sendra azy. * t.i.f.: Rotahana / mirotaka, firotaka, mpirotaka / irotahana, firotahana. Ahitsio
Rotaka: sy Rotarota a.: Ilazana ny kibo be, toy ny kibon'ny bevohoka na ny an'ny olona matavy. * t.i.f.: Mirotaka. Ahitsio
Rotana: mt. ih.: (Mitovy amin' ny Orotana, jer. Orotra): Ro-sana, tangosana befahatanY sy ataotao fotsiny (ravin-javam aniry ). Ahitsio
Rotay: (fr. rotin) a.: Rantsan' ny tsontsoraka anaovana tehina, seza... Ahitsio
Rotehina: (rotika) mt. ih. (roteho): Rovitina atao kotika tsy misy horaisina. Ahitsio
Roterote: (Ski) a.: Nofom-biby (hena na hazandrano) ampifangaroina amin'ny menany. Ahitsio
Rotika: mt. ih. sy p.t.: Rovidrovitra be ihany, kotika, potika. * f.: Rotehina, voarotika / mandrotika, fandrotika, mpandrotika 1 androtehana, fandrotehana 1 mirotika, firotika, mpixotika 1 mifandrotika / ifandrotehana, fifandrotehana 1 manarotika, fanarotika, mpanarotika / anarotehana, fanarotehana 1 mifanarotika / maharotika / mikorotika. Ahitsio
Rotoroto: a.: Fanaovana (zavatra) haingana; fahamaikana sy fandeha mihazakazaka, hadodonana izaitsizy. - t.i.f.: Rotorotoina, moto-roto, tafarotoroto 1 mandrotoroto, fandrotoroto, mpandrotoroto 1 androtorotoana, fandrotorotoana 1 mirotoroto, firotoroto, mpirotoroto / irotorotoana, firotorotoana 1 maharotoroto. Ahitsio
Rotorotoina: (rotoroto) mt. ih. (rotorotoy): Atao haingana dia haingana: Aza rotorotoina ny asa fa mahatonga azy ho zara fa uita. Ahitsio
Rototra: p.t.: Mafana fo vonona hanao zavatra, mazoto, marisika: Rototra amin'ny fianaran'ny zanany kokoa Rasoa noho Rakoto. ? Mai-ka, dodona: Heuerinao ue fa rototra akory izy nahita ny setroka nidonaka eran'ny trano? - t.i.f.: Maharototra / mifanarototra. - F.-p.: Tsy rototra: tsy miraika, tsy taitra. Ahitsio
Rotra: a.: Hazo lehibe fahita saika hatraiza hatraiza, fa indrindra manaraka ny moron'ny renirano; maro ny ilana ny rotra: ny voany, me-na antitra, somary boribory lavalava dia anisan'ny voankazo maro mpitia na dia somary maisamaisatra kely aza; ny hazony kosa dia hanaovana hazon-trano, fa indrindra hazon-tsarety sy foiben-kodiarana (Myrtacées eugenia). Ahitsio
Rotsahana: (rotsaka) mt. pdr. (rotsahy): Ampidinana na rarahana zavatra (rano na voa madinika...): Norotsahany rano ilay vain'afo uao maty. Ahitsio
Rotsaka: a.: Fampidirana na fandrarahana rano na voa madinika na vovo-javatra ho eo amin'ny toerana ambany tiana hamindrana azy. ? Fidirana ho eo an-tsehatra handray adidy na hianatra na hilalao... - t.i.f.: Rotsahana, arotsaka, voarotsaka, tafarotsaka / mandrotsaka, fandrotsaka, mpandrotsaka / androtsahana, fandrotsahana / mirotsaka, firotsaka, mpirotsaka / irotsahana, firotsahana / maharotsaka / rotsadrotsaka. Ahitsio
Rotsina: Rotsirotsina (rotsy) mt. ih. (rotsio, rotsirotsio): (hoditra) Atao mibontsimbontsina, marokoroko. Ahitsio
Rotsirotsina: (rotsirotsy) mt. ih. (rotsirotsio): (zaza) Asavilivily eo amin'ny sandry mba hampangina na hampatory azy na hahafinaritra azy fotsiny. Ahitsio
Rotsirotsy: a.: Fanindrahindrana na fanasaviliviliana ny zaza eo ambony sandry mba hampatory na hampangina na hahafinaritra azy. - t.i.f.: Rotsirotsina, voarotsirotsy / mandrotsirotsy, fandrotsixotsy, mpandrotsirotsy / androtsirotsiana, fandrotsirotsiana / maharotsirotsy. Ahitsio
Rotsy: na Rotsirotsy a.: Fivontovontosana kely madinika amin'ny hoditra ka mahatonga hibontsimbontsina na marokoroko. i tif: Rotsina, voarotsy / mandrotsy, fandrotsy, mpandrotsy / androtsiana, fandrotsiana. Ahitsio