Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Songomby: a: Anaram-biby vaventy, izay lazain'ny olona sasany fa mifandraidraika amin'ny soavaly, nefa koa itompoan'ny sasany fa tsy misy akory fa atao fampitahorana ny zaza mitomany amin'ny alina mba hampangina azy fotsiny. Ahitsio
Songona: a.: Fihoarana ny ha-fa mifaninana amin'ny tena; fisosohana hihoatra ny hafa; fakana toeran'olona ho an' ny tena. ? Fanomezana vidiny ambony kokoa noho ny hafa: Songom-barotra. - t.i.f.: Songonana, asongona, voasongona, sfnongona 1 manongona, fanongona, mpanongona / anongonana, fanongonana J misongona, fisongona, mpisongona J isongonana, fisongonana 1 mahasongona 1 songontsongona. Ahitsio
Songonana: (songona) mt. ih. (songony): Ihoarana: Nosongonan'ny soavalinao ny soaualiko ka lasa faharoa. ? Sosohana: Nosongonan'ny rahalahinao aho ka tsy azoko ilay asa nokendreko. 1 Tapahina, tsatsaingohina: Aza songonanao ny teniko. Ahitsio
Songoro: sy Songory: Jer. Singory. Ahitsio
Songosongo: a.: Zavamaniry fanao fefim-boly izay feno tai-Io ny tahony ary misy ditiny mandronono raha tapahina; ny voniny misy mena dorehitra, fotsy... Ahitsio
Songotra: Jer. Singotra. Ahitsio
Sonia: (fr. signature) a.: Ny anaran'ny tena, izay soratana amin'ny fomba manokana sy tsy miova eo ambanin'ny taratasy soratana ka enti-manamarina ny nanoratana an'io taratasy io: Manisy sonia ny fanekena ifanaovana. il t.i.f.: Soniavina, voasonia 1 manasonia, fanasonia, mpanasonia 1 anasoniavana, fanasoniavana J mahasonia. Ahitsio
Sonia: a.: Anaran-kafa ilazana ny ala volon-jaza. - F.-p.: Sonia ratsy :vondrombolo alaina eo ambony son-na havia ka atsipy atao faditra miaraka amin'ny hety nanetezana ny volon-jaza. I Sonia tsara: vondrom-bolo alana eo ambony sofina bavanana izay afangaro amin'ny hanina (saonjo) ifandrombahan'ny vehivavy maniry zaza. Ahitsio
Soniavina: (sonia) mt. ih, (soniavo): Asiana sonia: Sonia-vo kely, aza fady, ity taratasy nandraisanao vola ity. Ahitsio
Sonina: a.: Tsihy zairina amin' ny fanjaibe hanjary ho toy ny harona ka atao fitahirizana ny valala vao, izay nampangotrahina kely dia nahahy ho maina. Ahitsio
Sonjo: a.: Jer. Saonjo. Ahitsio
Sonjoina: (sonjo) mt. ih. (sonjoy): Otazana na tsongoina amin'ny tanana tahaka ny ravin-tsaonjo. Ahitsio
Sononoka: a.: Fandehanana moramora ary amim-pifaliana; fisosana tsy misy manelingelina na mitontona na mitonjina; ilazana koa ny fiainana milamina na ny raharaha mizotra amin'ny fahatanterahana. 1 t. if: Asononoka, tafasononoka 1 misononoka, fisononoka, mpisononoka 1 isononohana, fisononohana 1 mahasononoka. Ahitsio
Sony: (t.tr.) a.: Molo-tsobika. Ahitsio
Sora: (Ats) a.: Vavaka saotra noho ny fahasitranana tamin'ny aretina mafy nahazo ny tena. Ahitsio
Sora: a: Biby toy ny sokina, saingy kelikely kokoa ary misoratra vony mitsoriadriaka. Ahitsio
Sorabe: a.: Lahatsoratra momba ny tantaran-drazana sy fomba antaimora vita amin' ny tarehintsoratra arabo. Ahitsio
Sorapohy: na Soratrandra a.: Fomba fanoratra amin'ny alalan'ny tsipika mandry na miolikolika na mifaingoka, izay efa ifanarahana, ka ampiasaina hanafohy ny fanoratan-teny hahafahana manoratra teny haingana tahaka ny anononana azy. Ahitsio
Sorapotsy: (Atm) a.: Fomba fanasitranana voalaza ao anatin'ny Sorabe momba ny karazan'aretina samihafa sy ny toe-java-tsarotra eo amin'ny fiainana ilana ny asan'ny hery tsy hita. Ahitsio
Sorara: Jar. Forara. Ahitsio