Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sismatika: (fr. schismatique) a.: Teny entin'ny katolika milaza izay maudit tsy mety manaiky ny Papa ho lehiben' ny Eglizy. Ahitsio
Siso: a.: Fofon-dratsy avy amin'ny sakafo efa naharitra ela; siron-javatra efa simba. i t.if.: Masiso / hasiso, fahasiso. Ahitsio
Sisy: a.: Fanesorana tsikelikely, fakana miandalana mba hahatonga mahitsy tsara: Famaky no anaouana sisy hazo. i t.i.f.: Sisina, asisy, voasisy, sinisy I misisy, fisisy, mpisisy / isisiana, fisisiana / mahasisy. Ahitsio
Sitika: sy Sitisitika: Mitovy amin'ny Sitisity. Ahitsio
Sitilina: (sitilio) a.: Tenehina hakana ranomason-takotra, tantavanina. Ahitsio
Sitily: (angl. still) a.: Fitanehana zavatra hakana ilon'io zavatra io amin'ny endriky ny ranomason-takotra, toy ny ranomanitra izany na ny karazan-toaka samihafa. 4 Fanatantavanana rano. - t.i.f.: Sitilina, voasitily / manasitily, fanasitily, mpanasitily / anasitiliana, fanasitiliana / mahasitily. Ahitsio
Sitimo: (angl. steam) a.: Entona, fofon-drano. Hafainganam-pandeha. - F,-p. Haingana ohatra ny sitimo: haingam-pandeha aoka izany; tselatra (f.s.b.). Ahitsio
Sitisity: a.: Fandeha miridiridy sy mitikintikina, famindra feno hakevohana mampiseho hakingana. Tafasitisity / misitisity, fisitisity, mpisitisity / isitisitiana, fisitisitiana / mahasitisity. Ahitsio
Sitrahina: (sitraka) mt. ih. (sitraho) : Amporisihina hiady. Ahitsio
Sitraka: mt. ih.: Tiana, telina: Sitrakao ve ny handeha miaraka amiko? 4 Fitia, fitiavana, handitra:Mila sitraka loatra amin'ny lehibe izy. 4 Teny ampiasafn'ny ankizy mba hampirisihana namana iray hiady: Sitraka? lasa leity! I Sitrahina, asitraka, voasitraka / misitraka, fisitraka, mpisitraka 1 isitrahana, fisitrahana 1 mahasitraka 1 mankasitraka 1 ankasitrahana, fankasitrahana. ¶ M.h,: Mamy, telina, fy, lany, ankatoavina, tiana. Mankasitraka, mankamamy, mankatelina, mankafy, mankatoa, tia. Mamaly sitraka, misaotra, mamaly babena, mamaly fitia, mamaly bontana, manao sitraka enti-matory. Ahitsio
Sitraka: a.: Lalao ifanaovan' ny ankizy izay mifamely tehamaina ny lamosiny avy, eo am-pisarahana, sady mitsoaka. Ahitsio
Sitramboafery: a,: Anaran-kazo. Ahitsio
Sitrana: p. t.: Tsy marary intsony, manaritra: Efa sitrana i Dada ka niuoaka ny hopitaly. / Sitràna soa aman-tsara. I t.i.f•: Sitranina, asitrana, voasitrana, sinitrana / manasitrana, fanasitrana, mpanasitrana / anasitranaha, fanasitranana / mahasitrana / sitrantsitrana. ¶ M.h.: Miafa, miafana, nialan'aretina, mitsiatsia, mihatsara, mihamatanjaka, mahatsangana, maty holatra, afaka aretina, afa-doza, tsy misy atahorana fntsony. Ahitsio
Sitranina: (sitrana) mt, ih. (sitrano): Atao sitrana: Sitrano aloha ny ferinao vao mande-ha. 4 Afahana amin'ny aretina: Sitrano ny zanako, dokotera. Ahitsio
Sitrapo: a.: Tanja-panahy ahazoan'ny olombelona manapa-kevitra hanao zavatra iray, na dia zavatra tsy tiany aza. ¶ M.h.: Finiavana, sitraka, nahim-po, danin'ny kibo, haitraitra,—An-tsitrapo, iniana atao, kinianina, fanahy iniana, atao ami-nahy, vivy nanitrika (ka bongo mason' ny nahiny), kibo saokan'ny nahiny, sitrapon'Ikamisy, mpivaro-drano tratr'oran?, mavon'ny nataony (ohatra ny omby mifaoka ambotry), lolo fotsy mitono tena, mandrora mitsilany, main'ny afo natsangana, matin-delany toa toho, matin-tanany toa foza, — Tsy an-tsitrapo, tsy nahy, tsy fidiny, tsy niniana, tsy fanahy iniana, tsy satry. Ahitsio
Sitrihana: (sitrika) mt. pdr. (sitriho): Andentehana, ampidirana. Ahitsio
Sitrika: a.: Fandentehana na filentehana ao anaty lavaka; fampidirana zavatra tsy ho hita na fanafenana; entina milaza koa ny fandevenana ny maty na fampidirana ao am-pasana ny faty alevina. i t.if.: Sitrihana, asitrika, voasitrika, tafasitrika 1 manitrika, fanitrika, mpanitrika 1 anitrihana, fanitrihana 1 manasitrika 1 misitrika, fisitrika, mpisitrika 1 isitrihana, fisitrihana / mahasitrika 1 sitritsitrika / antsitrika. Ahitsio
Sitry: a.: Androngo lehibe mitovitovy bika amin'ny voay. 4 h.o,: Haratsian-tarehy mahatsiravina sy mampatahotra. Ahitsio
Sivana: a.: Filaminana, filaharana. - F.-p.: Mandrava sivana:mampikorontana, manabataba. ¶ M.h.: Mandrava tantana. Ahitsio
Sivana: (angl. siève) a.: Fiasana misy loadoaka kely hanalana ny vato amin'ny vary, hifantenana voa, na hanintsanana ny tany malemy ialan'ny vongana mafy. I t.f.f.: Sivanina, asivana, voasivana, sinivana 1 manasivana, fanasivana, mpanasivana 1 anasivanana, fanasivanana I misivana, fisivana, mpisivana 1 mahasivana 1 sivantsivana. ¶ M. h, : Fanatantavanana, masoarivo. Ahitsio