Akipily | : | (kipily), mt. at. (akipilizo): Alefa hirimorimo, atoraka: Nakipiliny teny amiko ilay tehina.
Ahitsio |
Akiramborambo | : | (kiramborambo), mt. at. (akiramboramboy): Avela hikirazorazo, hitaritarika avy ao aoriana: A-za akiramborambo toy izao ny zoron-dambanao.
Ahitsio |
Akiraro | : | (kiraro), mt. at. (akiraroy): Enti-milaza ny kiraro atao amin'ny tongotra: Tsy hitako izay hakiraro azy, fa makadiry loatra ny tongony.
Ahitsio |
Akiraviravy | : | (kiraviravy), mt. at. (akiraviravezo): Atao mikiraviravy, atao mikirazorazo: Aza akiraviravy any ivelan'ny lavarangana ny tongotrao.
Ahitsio |
Akirazorazo | : | (kirazorazo), mt. at. (akirazorazoy): Ahantona mihevaheva tsy mitehi-tany.
Ahitsio |
Akirindro | : | (kirindro), mt. at. (akirindroy): Atao matevina, mifanety: Aza akirindro ny fambolinao ireto zanakazo ireto.
Ahitsio |
Akiririoka | : | (kiririoka), mt. fit. (akiririohy): Entina hikiakiavana.
Ahitsio |
Akisa | : | na Kisa a.: Ady tadiavina amin'ny zavatra tsy misy antony, ady amin'ny tsinontsinona: Mila akisa lava izao amin'Ikoto ny zanaky ny ato avaratra. ¶ M.h.: tonony, vaniny, antsongony, antsontsanY, antendrivary.
Ahitsio |
Akisa | : | (t.tr.), p. t.: Mpampihomehy, mpanao kivazivazy, tia vosotra, tia sangy. ¶ M. h.: mahatsikaiky, hatsikana, arira, satriatria, mariadriaka.
Ahitsio |
Akisaka | : | (kisaka), mt. at. (akisaho): Afindra toerana tsy lavitra: Nakisany fotsiny ilay vato dia lasa izy, fa tsy navariny any an-kady. / Akisaho ny sezanao fa tsy mahita aho
Ahitsio |
Akitakita | : | (kitakita), mt. at. (akitakitao): Aforiporitra. ? A-tao ratsy fitondra, levilevena.
Ahitsio |
Akitamby | : | (kitamby), mt. at. (akitambio): Atao kitamby.
Ahitsio |
Akitika | : | (kitika), mt. fit. (akitiho): Entina mikitika, manohina.
Ahitsio |
Akitikitika | : | (kitikitika), mt. fit. (akitikitiho): Entina manitikitika, manibokibo: Ahitra no nakitikitiny ny zazakely ka torantorana er? ilay zaza.
Ahitsio |
Akitoatoa | : | (kitoatoa), mt. at. (akitoatoavy): Atao kisendrasendra.
Ahitsio |
Akitra | : | (kitra), mt. fit (akitrao) Entina mampiady: Tsy nahita zavatra hakitra ny angely izy ka lasa.
Ahitsio |
Akitrana | : | (kitrana), mt. at. (akitrano): Asaina mikitrana, miady; ampiadina.
Ahitsio |
Akitroka | : | (kitroka), mt. at. (akitrohy): Terena hiady tsara: Nakitrony ny nifiny sady navandravandrany ny masony.
Ahitsio |
Akivilivily | : | (kiuilivily), mt. at. (akivilivilio): Ahetsika mankatsy sy mankaroa, akipilipily: Akivilivilio ny tananao dia hafana ianao. • Ahodinkodina: Nakiviliviliny ny antsamotady ka nahavoa ny omby ny vato.
Ahitsio |
Akivy | : | (kivy), mt. fit. (akivio): Entina hanakivy, manaketraka.
Ahitsio |