Mitaintaina | : | (taintaina) mt. s.: Mitebiteby amin'izay hiseho: Nitaintaina izaitsizy izahay teo am-piandrasana ny fiaramanidina.
Ahitsio |
Mitaitaika | : | (taika) mt.: Tonga mitsitapitapy: Tsy tiako ny fahatongauanareo mitaitaika toy izao. ! Maneno mitapitapy, midindina: Natao nitaitaika ny lakolosy tamin'ny fiuoahan'ny razana avy tao am-piangonana.
Ahitsio |
Mitaitay | : | (taitay) mt. s. (mitaitaiza): Maika ha..., dodona ta...: Mitaitay hiasa ianareo mbola mpianatra, nefa ho leony ihany rahatrizay. * Ohab.: Aza mitaitay homamenaka fa ho lamoka ihany amin 'ny farany: aza maimaika ny hahazo izay tadiavina fa mety hanenenanao any aoriana. / Aza mitaitay ny ho sola, fa uato no hololohavina: aza dodona ny ho lehibe, fa adidy mavesatra no miandry anao rahatrizay.
Ahitsio |
Mitaiza | : | (taiza) mt. p. (mitaizà): Mampinono, mamelona: Nitaiza ny zanany rehetra io uehivauy io. ? Mikarakara izay hahasoa, miahy: Rakoto zokiko no mitaiza io lahiantitra io. ¶ M,h.: Mikarakara, mikajakaja, miahy, miraharaha, mikanonkanona, mamelona. • Manao izay haha-olom-banona: Mitaiza tsara ny mpianany io mpampianatra io. - F.-p.: Mitaiza kely: enti-milaza ny vehivavy mitaiza zaza mbola minono. / Mpitaiza andriana: ilazana ny mpikarakara ny mpanjaka, na amin'ny sakafo na amin' ny fahasalamany. * Ohab.: Be herehina ohatra ny mitaiza kely manetsa: enti-milaza ny olona misahana adidy maro, izay sahala amin' ny vehivavy mitaiza kely ka sady manao raharaha no mikarakara ny zanany.
Ahitsio |
Mitakalo | : | (takalo) mt. p.: Mivarotra zavatra antsinjarany toy ny vary, sira...
Ahitsio |
Mitakarina | : | (takarina) mt. s. (mitakarina): Mandeha miresaka na mihinana any an-tranon'olon-kafa: Aza mitakarina any re fa izay misy ato an-trano ifaliana.
Ahitsio |
Mitakataka | : | (takataka) p.t.: La-va mahia mitezotezo.
Ahitsio |
Mitakatsika | : | (takatsika) mt. s. (mitakatsiha): Miray tetika mba hamitaka.
Ahitsio |
Mitakemotra | : | (takemotra) mt. s. (mitakemora): Miverina tsy mandroso, noho ny henatra na tahotra: Nitakemotra izy raha vao nahita ny lehibeny tao amin'ny efitrano.
Ahitsio |
Mitakiboka | : | (takiboka) mt. s.: Feno mibontsina, mizihitra. ? Voahidy, mihandrona.
Ahitsio |
Mitakiky | : | (takiky) mt. s.: Lany harena, botry: Nitakiky Ra-koto taorian'ny nandalovan' ilay rivo-doza, ? h.i.: Manjoretra sy mitanondrika.
Ahitsio |
Mitakila | : | (takila) mt. s.: Vary antsasany, ny antsasany sisa mijanona.
Ahitsio |
Mitakimoka | : | (takimoka) mt. s.: Mitana hehy tsy atao mafy, mihomehy tsy vaky.
Ahitsio |
Mitakitsoka | : | (takitsoka) mt. s, (mitakitsoha): Milentika, mitsoboka tanna dia lalina.
Ahitsio |
Mitakizina | : | (takizina) mt. s. (mitakizina): Mitoetra amin' ny maizina, tsy mamelon-jiro: Tianao angaha izao mitakizina izao no tsy mampirehitra labozia ianao?
Ahitsio |
Mitakobaka | : | (takobaka) mt. s.: Mihetsiketsika ao anaty rano.
Ahitsio |
Mitakoboka | : | (takoboha) mt. s. (mitakoboha): Voafina ao anaty filanjana misarona, voafina ao anaty lamba.
Ahitsio |
Mitakoditra | : | (takoditra) mt. s.: Andrahoina aman-kodiny: Tiako tokoa ny ovy mitakoditra.
Ahitsio |
Mitakoko | : | (takoko) mt. s.: Mipetraka tsy mitombina fa ny tongotra miforitra eo anoloana no mitondra ny tena: Mitakoko eo amorom-patana foana i Dadabe. • Mipetraka, manjonitra na toa manjoretra rera-po, ketraka, kivy:Nitakoko izy noho ny fahoriana nanjo azy. ¶ M.h.: Mijakoko, manjoretra, mijakoretra, manjonitra, manjokaiky, mandoroka, mangetoka, mamokaiky, mivokaiky, mitokiky, mijamoka.
Ahitsio |
Mitakolaka | : | (takolaka) mt. s. (mitakolaha): Mitampify, miafina mba hitily: Mitako laka eo am-baravarana Ibalita mba hihaino ny resakay.
Ahitsio |