Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
D: : Tarehintsoratra fahatelo ary renisoratra faharoa amin' ny abidy malagasy, mitonona hoe di na de • Fiovan'ny l amin'ny fanakambanan-teny (lalana lavitra = lalan-davitra). 1 Ny 1 amin'ny fitenim-paritany koa indraindray dia d amin'ny fiteny marina : lily =didy, Ahitsio
Daba: a. : Vata vifotsy fasiana solitany na menaka. Ahitsio
Dababaka: p.t. : Enti-milaza ny rano feno be loatra, mihoatra ny mety : Dababaka ioatra indray rano amin'ny tanin'anandrano ka sao dia mahald azy. - t.i.f, : Midababaka, fidababaka. Ahitsio
Dabadaba: a. : Izay atao raha manatsikobana rano, raha mitsobo-drano na milomano. 1 Ny fikotaban'ny rano eo am-pirobohana na eo am-pilomanosana. - t.i.f. f. : Dabadabaina, adabadaba / midabadaba, fidabadaba ) idabadabana, fidabadabana. Ahitsio
Dabaka: p.t, : Ilazana ny nahandro be rano loatra. i t.i.f. : Midabaka, fidabaka. Ahitsio
Dabarà: (Ski) a : Omby fotsy, na sada fotsy, akana ra hasotroin'ny bila ka tonga mova tsy ny fatidrany ka na matY aza, tsy ihinanany akory. Ahitsio
Dabbka: a. : Ilazana ny fidob ky ny rano mitobaka maf ., na ny fitobany raha misy vaingan-javatra lehibe nalefa taminy. - t.i.f. : Midabôka, fidabdka. Ahitsio
Dabe: p. t. : Makadiry sady matavy, na boribory lehibe. Ahitsio
Dabebaka: p.t. : Fohy vatana nefa lehibe sy mivelatra ny vavany : Iza no hahalany vary bebe kokoa araka ny hevitrao : ity harona dabebaka it?y sa Iroa lavalava kely vava iroa ? ¶ M,h, : Tabebaka. - t.i.f. : Midabebaka, fidabebaka. Ahitsio
Dabilio: (fr. établi) a. : Akalandava fipetrahana any an-tsekoly na amin'ny trano fivoriana. Ahitsio
Dabo: a : Valala karazan'ambolo. Ahitsio
Dabo: p.t. : Tsy manana antondraharaha fa ny mipetraka na mandrimandry na mandehandeha foana ary ny homan-kanina no ataony. ¶M.h,:Kama. Ahitsio
Dabo-dela: p. t. : Enti-milaza ny olona matavitavy lela ka tsy afa-miteny tsara, fa raha miteny izy, dia mitrangatranga ny lelany ka tsy mahavoaka mazava ny teny lazainy ny feony fa toy ny miraikitra. Ahitsio
Dabo-drano: p.t. : Enti-milaza ny zana-borona (vorombe na ganagana ) matavy sy hifotrifotra. Ahitsio
Dabobohana: (daboboka) mt. ih. (dabobohy) : Ianjerana : Teto amin'ny simd teto ve no nodabobohany ? Ahitsio
Daboboka: a. : Fianjerana ka ny tena manontolo no indray miantonta mafy. • Fidabohana mafy aharenesana feo midoboka. i tif f. : Dabobohana, adaboboka / manadaboboka na mandaboboka, fanadaboboka, mpanadaboboka / anadabobohana,fanadabobohana( midaboboka na miandaboboka, fidaboboka, mpidaboboka )idabobohana,fidabobohana. Ahitsio
Dabofoka: a. : Fianjerana, ka ny tena manontolo no indray mivongady sy midaboka amin'ny tany, - t.i.f. : Midabofoka. Ahitsio
Dabohana: na Dabofana (daboka) mt.ih. (dabohy, dabofy) : Velezina, kapohina, tontaina : Maditra loatra io zaza io ka aoka hodabofandrainy any. Ahitsio
Daboka: ft. : Enti-milaza : Fianjerana. 1 Fitsorana mivalampatra. / Halavoana. • Fiaiken-keloka na fibabohana. 1 Famelezana, fanatontana. - t.i.f. : Dabohana na dabofana, adaboka, voadaboka, tafadaboka ( manadaboka na mandaboka, fandaboka, mpandaboka ) anadabohana, fanadabohana( midaboka,fidaboka, mpidaboka (idabohana, fidabohana ( mahadaboka)dabodaboka. Ahitsio
Daboka: p.t. : Vaventy sy matavy (teny tsy mba fampiasa manokana fa misy fanampiny mandrakariva, dia izay hi-ta amin'ny hoe : dabo-dela, dabo-drano, dabokandro). Ahitsio