Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manangoly: (angoly) mt.p. (manangole): Manambitamby mba hametsena: Kinga ery izy manangoly ny uahoaka * Mitaona olona amin'ny teny na fijery malefaka mba hahavoa azy: Loza iny raha zazalahy hanangoly. ? Manome vola na kadoa olonamba hitaona azy tsy hanao ny adidiny. ¶ M. h.: Jer. Kolikoly. Ahitsio
Manangona: (angona) mt.p. (manangbna): Manao izay hahatonga olona maro amin' ny toerana iray: Manangona ny mpianatra rehetra ny lehiben'ny sekoly. ? Mamory zavatra betsaka hotehirizina: Manangona loto no raharahan-dRangahy iny. ? Mampivondrona: Nanangona ny heriny rehetra izy dia nitsambikina Ahitsio
Manangongo: (ngongo) mt.p.: Mampiavovona na mampitoi by zavatra mitamba-be: Manangongo vato. Ahitsio
Manangy: (tangy) mt.p.: Manome tangy, manome vola vehivavy mba hanekeny hiray amin'ny tena. Ahitsio
Manangy: (fit-p.) a.: Vehivavy. Ahitsio
Mananihany: (hanihany) mt. p. (mananihania): Mamazivazy tsy am-panajana, manaraby: Loza raha hananihany ny mpandalo ireo ankizy ireo. Ahitsio
Mananika: (anika) mt.p. (mananiha): Mandeha miakatra eny ambony: Mananika tendrombohitra ? h. o.: Manamy, mamely: Manani-bohitra. ? Efa manatona ny tao-na faha...: Mananika ny fahadimampolo taonany izy. - F.-p.: Mananika andry ma lama: manetra na misetra zava-tsarotra, na dia hita aza fa mety hahavoa ny tena. / Manani-droua: mikomy. Ahitsio
Mananisoroka: (soroka) mt.p. (manantsoroha): Mitondra an-tsoroka. Ahitsio
Mananisy: (hantsy, hatsy) mt p. (manantsia): Manome fo mba hiady amin'ny tena, mi-la ady. Ahitsio
Mananjara: a.: Karazan-javamaniry fanao fanafody. Ahitsio
Manankarena: (harena) p.t.: Enti-milaza ny olona mana-na amby ampy, manam-be, na vola na fananana: Vitsy ny manankarena malala-tanana. ¶ M.h.: Mpanjato, mpanarivo, mpanalfna, komohina, tremalahy, mpanefohefo, ngetroka, mpanontany ny ory. Ahitsio
Manankina: (ankina) mt.p. (manankina): Manisy tohany, mametraka zavatra eo akaikin'ny zavatra hafa iray manohana azy:Tsy hainao angaha ny manankina io latabatra io amin'ny zoron-trano? ? h. o.: Mametraka hokarakaraina: Manankina ny famboleko' aminao aho. ? Manome ho andraikftra, mampiadidy, mampiandraikitxa: Ianao no anankinako ny volako. Ahitsio
Mananky: (anky) mt.s.: Mandrefy amin'ny anky: Ny felatanana sy ny rantsan-tanana no nentina nananky. Ahitsio
Manano: (ano) mt.p.: Miadidy, mikarakara. - F.-p.: Manano tena: miehy, mikarakara tena irery. / Vehivavy mpanano tena: vehivavy maty vady. / Manano sarotra: maka sarotra, misahirana. (Ankehitriny, efamahazatra ny manoratra ireo f; p. ireo ho teny iray: mananotena, mananosarotra). Ahitsio
Mananona: (anona) mt. s. (mannova): Manao zavatra iray izay tsy lazaina mazava: Io manko i Bozy b! ny olona mananona fotsiny dia atosiny! Ahitsio
Mananonanona: (anona) mt.s.: Enti-milaza toetra tsy tsara tsy ratsy fa eo ho eo: Manao ahoana ny marary izay? — Mananonanona ao izy. / Mananonanona be ihany it? politika it? ka aoka aloha hahemotra ny resatsika. Ahitsio
Mananontanona: (tanontanona) mt.s.: Mipetraka kamokamo eo akaikin'olona ka tsy manao na inona na inona fa mijerijery fotsiny eo.:Mananontanon-daua eo akaikiko io adala io. ? Manatona, mampatahotra, mila hamely: Misy loza mananontanona ozy. ¶ M. h.: Mandindona, manandindondindona, mandondona, manombana, manaloka, mitatao, manindry, azo tsindry man dry. Ahitsio
Mananotena: p. t.: Olona miahy tena irery, olona tsy manambady. ? h t: Vehivavy maty vady: Ampio ny kamboty sy ny mananotena. Ahitsio
Mananta: (hanta) mt.p. (manantà): Mampfhanta, manarana, tsy mahavely vava am-boa ny..., rainazy amin'ny...: Loza raha hananta an-janany io uehivavy io ka naditra aoka izany ilay izy. Ahitsio
Manantatra: (santatra) mt.p. (manantara): Manomboka (hanao zavatra). ? Manandrana mihinana ny voalohambokatra Ahitsio