Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manavoka: (tavoka) mt s.: Manontany an-kafetsena mba hitsapana ny hevitr'olona iray; manao don-tandroka; manatavoka. Ahitsio
Manavokavoka: (havokavoka) mt.p. (manavokavoha): Mikap oka mafy, mikapoka mandrivorivo. ¶ M.h.: Mametsapetsaka, manontatonta, mandarodaroka, mandabodaboka, mamangovango, manjezika, manao vely kitay, manao vely kary, manao kapo- tan drimo, mikapoka tsy mitondra roa. Ahitsio
Manavona: (tavona) mt.p.: Manafotetaka, manasolitika Ahitsio
Manavongaingy: (vongaingy) mt. p.: Mampitondra entamavesatra loatra. Ahitsio
Manavorivory: (vory) mt p.: Manao izay hahatonga vorivory, manaboribory, manakiboribory, man akivorivory. Ahitsio
Manavotra: (avotra) mt p. (manavotra): Manao izay hahavonjy olona tao anatin'ny 1oza na notandindomin-doza; mamonjy: Ianao, dokotera, no nanavotra ny zanakay tamin'ny fahafatesana 1 Manafaka amin'ny fahaverezana, fanandevozana: Vitsy ny mpanompo afaka nanavo-tena taloha ? Mividy indray ny efa an'ny tena taloha: Mikasa ny hanavotra ilay tranoko lasan-dRajao tamin'ny herintaona aho, saingy tsy ampy kely ny volako. Ahitsio
Manavovona: (vovona) mt.p.: Manao antontany, mampifanongoa, manavosa,: Manavovona kitay, Ahitsio
Manavovona: na Manasavovona (vovona) mt.p.: Mampifan ongoa, manavosa: Nanauovona ny fanaka rehetra tao an-tokotany izy aloha vao Jasa nitady fiara hitatitra azy. Ahitsio
Manavozihitra: (vozihitra) mt p.: Manabontsina be. Ahitsio
Manavy: (avy) mt. s.: Marary ka mafana ny tena (ny anton'ny fitomboan'ny hafanana dia ny fisian'ny zavatra na mikraoby na poizina ateraky ny zava-pihinana efa simba na fanafody sasany tafiditra any amin'ny te-na, tonga any amin'ny ra ka manapoizina azy). Ahitsio
Manavy: na Ramanavy a.: A-narana ilazana an-kapobeny ireo biby mampinono, lava-lava vatana toy ny totozy, nefa mitarehim-borona manana elatra (iray tarika: manavibe, manavikely, fanihy ). Ahitsio
Manazangazana: (hazangazana) mt. p. (manazangazàna): Mijery nefa tsy hita, mitily. Ahitsio
Manazary: (hazary) mt.p. (manazaria): Mamosavy, mamorika. Ahitsio
Manazatra: (zatra) nit p. (manazara): Manao izay hahatonga olona na biby ho zatra, tamana manao (zavatra): Adidinao ny manazatra ny zanakao handresy ny tahotra. Ahitsio
Manazava: (zava) mt.p. (manazavà): Manome hazavana: Manazava ny masoandro. ~ Manisy hazavana, mitsilo: Manazava ny efitrano ny jiro. ? Mivaofy, mamelabelatra: Rakoto no nanazava i-Lay tononkalo manao hoe: "Vazon'ny lauitra". ? Mahatonga ho madio, mahitsy, matsilo: Sotroy ity fa hanazava ny feonao / Ny fivavahana no manazava ny sain' ny olona Ahitsio
Manazavozavo: (zavozavo) mt p.: Manosotra loko na mena-ka ka tsy atao mifotetaka loatra. Ahitsio
Manazimba: (zimba) mt.p. (manazimbà): Manao tsinontsinona, manivaiva: Tsy tokony hanazimba ny asanay ianao. 1 Manaraby, mamazivazy: Tena nanazimba anay mihitsy Rangahy iny! ? Manevateva: Manazimba zavatra masina io gazety basivava io. Ahitsio
Manazy: (sazy) mt.p. (mana-ria): Mitovy amin'ny Manasazy. Ahitsio
Manda: a.: Rindrim-bato na rindrim-by, na tamboho avo tsotra, manodidina toerana iray tiana harovana amin'ny fahavalo: Tsy laitra nanihina ilay manda. • h.o.: Olona mpiaro: Izy no mandan'ny madin ika 1 t i. f: Mimanda ) fimanda. - F.-p.: Manao manda tehezana: miaro zavatra na olona, ka ny tena mihitsy no atao fefy amin'izany; miaro amin' ny herin'ny tena rehetra. Ahitsio
Mandà: (la) mt.p. (mandava): Milaza mafy fa tsy marina; tsy manaiky fa marina; mitsipaka zavatra iray izay lazaina fa diso: Mandà izany fanombotombohanao ahy izany a-ho. • Tsy mandray: Mandà ny fahagagana izy. ~ Milaza ampahibemaso fa tsy mankasitraka: Izaho manda an'i Satana. • Mivadika: Mandà ny teny napetrany izy. - F.-p,: Mandà rariny: tsy mety miaiky eo anatrehan' ny rariny; mitampi-maso amin°ny marina. ) Mandà te-na: ilazana ny olona manana fmiavana hikarakara sy hanasoa ny hafa. * Ohab.: Aleo mandà tsy handeha toy izay hanaiky tsy ho lasa: tsy tokony hanaikinaiky foana, nefa hamitaka nony avy eo. / Izay fatra-pandà ihany no manaiky: ny ela manova zavatra ka ny nolavina mafy tamin'ny voalohany lasa ekena at3~ aoriana. Ahitsio