Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manendrasendra: (sendrasendra) mt. p.: Maminavina ara-keviny. ? Mametraka akoholahy eo anoloan'akoholahy iray hafa mba hitsapana raha te hiady it? faharoa. Ahitsio
Manendrihendry: (hendrihendry) mt. p.: Mitily, mitady haka zavatra raha vao tsy misy mahita. • Mitovy tarehy amin'ny...: Manendrihendry ny reniny iJaona. Ahitsio
Manendrika: (endrika) p. t.: Mety tsara amy...: Manendrika azy iny akanjo iny. • Mifanaraka: Manendrika ny fahaizany ny zavatra uitany. Ahitsio
Manendrikendrika: (endrikendrika) mt p. (manendrikendreha): Milaza ho nataon'ny hafa ny ratsy tsy nataony, manoso-potaka, manombotomboka: Zaua-dratsy roa loha no ataon'ny mpanendrikendrika dia ny mandainga sy ny tsy tia namana, Ahitsio
Manendro: (tendro) mt. p. (manendroa): Mandray zavatra amin'ny tendrony. 1 Mananika eny an-tendrony (havoana). - F.-p.: Manendro volana: enti-milaza ny vehivavy bevohoka ka ho teraka amin' ilay volana iresahana iny ihany. f Manendro havanana, manendro hauia: baikomiaramila milaza fitodihana miankavanana na miankavia. / Manendrom-bohitra: mitsangantsangana eny an-tendrombbhitra mba hanao firavoravoana, fa indrindra mba hanao fitondran-tena ratsy (voararan'ny lalàna mafy fahizay ny manendrombohitra nandritra ny fisaonana ny mpanjaka raha nisy mpanjaka niamboho). Ahitsio
Manendrombohitra: (tendrombohitra) mt s.: Mitsangantsangana eny an-tendrombohitra hanao firavoravoana, fa indrindra mba hanao fitondran-tena ratsy (voararan' ny lalàna fahizay ny manendrombohitra nandritra ny fisaonana ny mpanjaka raha nisy mpanjaka niamboho). Ahitsio
Manendry: (tendry) mt. p. (manendre): Mihinana hanina kely: Rehefa mifady hanina ny Katolika, dia ny antoandro ihany no misakafo be, fa ny maraina sy ny hariva manendry hanina kely fotsiny. • Manondro ho amin'ny toerana iray, hifindra fonenana: Ny Filohan'ny Nosy no manendry azy ho lehiben'ny faritany. • Manondro olona ho manao izao sy izao: Manendry mosauy. Ahitsio
Manendy: a.: Anarana foko anankiray mpanao ny raharahan'ny Andriamanjaka fahiny. Ahitsio
Manendy: (endy) mt. p. (manendasa): Mahandro zavatra amin'ny menaka fa tsy amin'ny rano: Manendy akoho ao anaty uilany. Ahitsio
Manenika: (henika) mt s.: Manerana: Manenika an'izao tontolo izao Andriamanitra. • Mameno: Manenika ny foko ny hafaliana. • Mandrakotra: Manenika ny tanety ny valala. Ahitsio
Manenina: (nenina) mt. p. (manenena): Voan'ny nenina na ny alahelo tamin'ny na-tao izay hita fa tsy tsara.: Nanenina tamin'ny tsy nianarany fony mbola kely Ra-koto. • Malahelo amin'ny hadisoana natao ka maka fikasana tsy hanao intsony: Manenina mafy ny fahotako aho. - F.-p.: Manenin-tsoa: tsy afa-po amin'ny tsara efa vita fa mbola ta hanao tsaratsara kokoa indray. f Adala manenina: enti-milaza ny mbola tia nefs nisaraka, ka raikitra alahelo isan'andro. Ahitsio
Maneninkenina: (eninkenina) mt p. (maneninkenena): Mandamina, manamboatra, mampirina. Ahitsio
Manenitra: (tenitra) mt. p.: Maneso, manebaka. Ahitsio
Manenjana: (henjana) mt. p. (manenjàna): Manao izay tsy hampilefitra, maninjitra: Manenjana kofehy. ? Manohitra: Sahy nanenjana tamiko izy. Ahitsio
Manenjika: (enjika) mt p. (manenjeha): Manaraka: Sasatra aho ka nanenjika an-dry zalahy moramora avy aoriana. • Mihazakazaka avy aorian'ny olona ixay ka manao izay hahatratrarana azy: Nanenjika ny zanakao aho mba hohafarako. 1 lao.: Manaraka hatrany: Loza Ramatoa iny raha hanenji-damaody. • Mihaza: Lasa nanenjika lolo any an-tsaha any izy. • Mamely an-kolaka na mivantana izay tsy azoazo: Tsy fantatro izay anenjehan' ny lehibeko ahy, nefa tsy misy ratsy nataoko. • MamPijalijaly olona, izay trandrahina hatraiza hatraiza: Nanenjika ny kristianina Ranavalona reniny. - F.-p.: Manenjika alika: enti-milaza olona adala. JManenji-damaody: fatra-panaraka ny fomba fiakanjo na ny fomban'ny didy akanjo isaky ny misy vaovao miseho. J Manenji-dresy: enti-milaza ny olona mahita ny fahavoazan'ny hafa ka manararaotra izany hanampiana trotraka. J Manenjika ora: manao asa na zavatra haingana mba hahavitana azy ara-potoana. * Ohab.: Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny fieritreretana: entimilaza ny hamafin'ny fanjohian'ny eritreritra raha toa ka aisy ratsy nataon'ny tena. Ahitsio
Maneno: (neno) mt. s. (manenoa): Mamoaka feo mikarantsana (fiteny indrindra amin' ny zavamaneno tendrena na pehina na tsofina): Maneno mafy ny lakolosy fa fety ny andro. / Henonao ve izany bingona maneno izany? 1 Mihirahira (vorona): Raha vao maraina, dia heno mana-no any anaty hazo any ny voronkely. • Enti-milaza ny feom-biby madinika: Efa naneno ny sahona. • Miteniteny mafy mikarantsana, mipentsompentsona, mivatsavatsa: Loza izany raha vehiuauy; maneno ao izy no nilaozako. 1 h.o. sady f.sb: Lafo be: Maneno izany vidin'it? uatosoa it? izany.. - F-p.: Maneno akoho: teny ilazana fotoana maraimbe: Vao maneno akoho no lasa izy (toy izany koa ireto manaraka ireto: maneno akoho tokana, maneno sahona). J Akohouauy maneno: enti-milaza ny vehivavy mahery loha ao an-tokantrano ka mitondra ny lahy amin' ny sangany. f Zava-maneno na zauamaneno: anarana ilazana ireo zavatra rehetra namboarina hanao feon-kira, na tendrena izany na tsofina, na velezina. / Ray maneno: fiteny tsy dia mihaja loatra ilazana ny vola. / Izay rehetra aleha maneno sahona auokoa: na inona na inona atao, ahazoana tsiny, bedibedy; na inona na inona atao toa tsy metimety daholo. Ahitsio
Manenona: (tenona) mt.p. (manenbma): Manao lamba amin' ny fampidipidirana ny kofehy izay mitsangana sy mitsi- Ma valana: Ny uehivauy taloha saika nahay nanenona daholo. Teny misy ifandraisany: Ma-moly, mamorovoro, manantsody, manalo, manira, mahandro, maneza, manantsody fanindroany. Ahitsio
Manentana: (entana) mt.p. (manentàna): Manainga, mibata: Iza no hanentana ny vilany? (t h.o.: Manetsiketaika: Tokony hanentana ho amin' ny tsara mandrakariva isika rehefa mikabary. Ahitsio
Manentina: (tentina) mt p. (manenténa): Mandoko, manosctra: Iza no nanentina loko mena ity lamba it?? • Manentsina hirika, lavaka: Vao avy nanentina ny siny loaka aho. ? Manampy, mameno ny banga: Manentina ny madilana. Ahitsio
Manentitra: (hentitra) mt p. (manentera): Manapaka, mampisaraka: ¶ M.h: Manapaka, mikapa, mijinja, mamira, mamolona, manorotra, mandidy, manety. Ahitsio