Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mivelatra: (velatra) mt. s. (miuelara): Mitsotra mivalampatra: Nivelatra teo an-tokotany ny tsihy. 4 Misokatra: Aoka samy hivelatra eo anoloanareo ny bokinareo. 4 Miseho milahatra sy milamina tsara mba hanaitra ny maso: Efa nivelatra ny entan-dRabe no tonga aho. 4 Vaky: Mivelatra ny vonindraozy ao an-tokotany. 4 Mihaingo, miraratra izaitsizy: Mivelatra er~ ry zalahy izany fa fety ny andro! Ahitsio
Mivelona: (velona) mt. s.: Mahazo izay mitana ny aina: Mivelona amin'ny zezika ny zavamaniry ary amin'ny sakafo ny zavamananaina. 4 Mahazo tombony: Mivelona amin'ny ranomason'ny kamboty io olona tsy mifaditrovana io. Ahitsio
Mively: (vely) mt. s. (miueleza): Mikapoka (vary) mba hampihintsana ny voany: Mivety vary any am-pamoloana any ny olona. ? Mampaneno: Miuety langorony ny ankizy. - F.-p.: Mively ba: manamarika ny ban-kira amin'ny tehina kely izay entina toa hanoritana amin'ny fihetsika tsipika roa na telo na efatra. Ahitsio
Mivembena: (vena) mt. s.: Mirondrona, tsy mandeha mahitsy tsara fa mitongilangilana atsy mivezina aroa, ohatra ny olona mamo; miraika sy mitongilangilana miankavia miankavanana eny am-pandehanana: Jereo ange ity mamo mivembena eran' ny arabe e! ? Misalasala, miroahana: Tsy hitako be ihany izay hataoko, mivembena aho. Ahitsio
Mivena: (vena) mt. s.: Mirona, miraika, mitongilana: Tohano auy etsy atsimo ?o latabatra io fa mivena. ? Matahotra, miraika: Avala ho tonga izay ho tonga fa tsy miuena amin'izany isika na dia kely aza. Ahitsio
Mivenavena: (venavena) mt. s.: Misokatra makadiry, mitanatana. ? Mitaraikiraiky, mitahontahona: Ity zaza ity hoa miuenauena. Ahitsio
Mivendrana: (uendrana) mt, s.: Mivadika any ivelany. ? Miveraka roa. Ahitsio
Mivendrivendry: (uendrivendry) mt. s.: Mitotototo mankatsy, mitotototo mankaroa. * Mipendrampendrana, jemby, badenina: Miuendriuendry anie ny masoko izany e! * Mirediredy, miteniteny foana. Ahitsio
Miventy: (venty) mt. p. (miventesa): Mitarika (hira, fivavahana, resaka): Iza no hiventy ny resaka àry e? Ahitsio
Miveraka: (veraka) mt. s.: Misy mitriatra na vaky: Miveraka ity paiso ity fa masaka loatra. ? Sahirana: Miveraka mihitsy ny lohako. ? Vaky: Miveraka izao ny lainga nafitsony. ? Mitaraiky, mivenavena, miveravera: Miueraka koa izany raha touolahy! Ahitsio
Miveravera: (veravera) mt. s.: Mitsikera, mivohavoha. ? (akanjo) Mivaroradroraka: Miuerauera ny akanjonao izany ka amboary tsara. ? Mivozavoza, mitavozavoza, mitahontahona: Miuerauera koa izany raha zazavavy! Ahitsio
Miverina: (verina) mt. s. (miverena): Efa lasa ka tonga indray: Fa nahoana no niverina indray ity ianao? ? Tonga fanindroany: Miverina mitsidika fa manina ity havanao e! ? Mody: Niverina tany antanindrazana izy ela ny ela! * Mitampody: Niverina ny androtr'iny ihany izy. ? Manao dia mianotra: Tandremo fa toa miverina io fiarakodia io izany! ? Miherina: Miverina indray ity ny lohataona! ¶ M. h.: Mitodi-doha, mody, mimpody, mitampody, manao tampody fohy, miverina ilalana. — Miuerina, mifotitra, manody, manangatra. —Mamerina, manindroa. Ahitsio
Miverivery: mt. s. (t.tr.): Mivezivezy: Na hanavasava aza ny vositra, / ha hiverivery mandany andro ny saraha, / izay voahitsaka ihany no mandry..." (Tselatra) Ahitsio
Mivesatra: (vesatra) mt. p. (mivesàra): Mitondra zavatra be lanja: Mivesatra entana izy fa ampio haingana. ? Tototra (fahoriana, fijaliana, aretina): Miuesatry ny fahoriana io Rauehivauy io. Ahitsio
Mivesoka: (vesoka) mt. s.: Mitaria, mitsaontsaom-bava momba ny... Ahitsio
Mivetraka: (vetraka) mt. s. (mivetràha): Mipetraka ka mitsotra tsara ny tongotra roa. Ahitsio
Mivetrika: (vetrika) mt. s.: Mivatsavatsa, mibedibedy tsy misy farany. Ahitsio
Mivetro: na Mivetrovetro (vetro na vetrovetro) mt. s.: Mifangaro amin'ny anana be loatra. Ahitsio
Mivezatra: (vezatra) mt. s.: Mivaha na misokatra mitanatana. Ahitsio
Mivezika: (vezika) mt. s.: Mifindrafindra toerana; mande-ha etsy sy eroa ka miverimberina eo hatrany: Nivezivezy tetsy sy teroa izy fa tsy nahita mihitsy izay tena nahafa-po azy. Ahitsio