Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Monty: a.: Karazan-kazo isan' ny mafy. Ahitsio
Mony: a.: Fibontsimbontsinana kely miseho eny amin'ny tarehy, indrindra amin'ny tarehin'ny zatovo mitombo (mony fitomboana). Ahitsio
Mora: p. t.: Tsy sarotra atao: Mora adika io lahateny io. / Mora ny maniny fa sarotra ny manao. ? Kely vidy, tsy lafo: Mora ny vary rehefa fararano. ? Malemy fanahy, malemy paika, rainazy: Tsy hahita olona mora be ohatra azy ianao. ? p. mt.: Miadana: Mandehana mora fa ratsy ny lalana (matetika ny verindroa moramora no ampiasaina amin'io hevitra io). * Amin-kalemem-panahy, tsy mitratreva: Alaina mora no fakana ny ankizy, indrindra rehefa ilay sakasakan-jaza iny izy. ? p. rat.: Malaky: Mora tezitra, mora misafoaka ny mpampianatra anay. • t.i.f.: Moraina, morainy / hamoraina / manamora, fanamora, mpanamora / anamorana, fanamorana / mahamora / moramora 1 hamora, hamorana, fahamorana. * Ohab.: Ny teny malemy mahamora harena: ny resaka am-pilaminana sy an-kamorana mahatonga ny tompontrosa halefaka, na ny teny malemy mampitony ny hatezerana. Ahitsio
Moraina: sy Morainy p. t.: Malemy fanahy, morabe, tsy sarotiny: Tsy misy olona morainy tahaka azy. ? Mora anaovan-javatra, mora sitrana raha maratra: Moraim-pery i-z y. Ahitsio
Moramba: (Ski) a.: Trano kely fandroana. Ahitsio
Moramora: p. t.: Tsy mahery, tsy mivatravatra: Teny moramora ihany aloha atao aminy. ? p. mit.: Miadana: Ampandehano moramora amin' izay ny fiara fa miharatsy ny lalana. ? Malefaka, malemy: Mitenena moramora. ? Zara raha hita misoritra: Nitsiky moramora izy raha vao nilazako izany. Ahitsio
Morampe: (Ski) a.: Hazo fisaka anampy ny molo-dakana rehefa be ny entana. Ahitsio
Moratra: a.: Valala mbola tsy tonga elatra: Fa ataonao ho ualala taraiky ua re, ka hanidina mbola tsy moratra? (Tselatra). Ahitsio
Morika:Ny morika dia teny fampiasan' ny foko betsileo izay mitovy hevitra amin' ny hoe miakatra. Ohatra: " morika any amboy any izay." Ahitsio
Moroa: a.: Ambiroa, fanahy. Ahitsio
Moroma: a.: Karazan-kazo fihinam-boa. Ahitsio
Morona: a.: Sisina (rano, lalana, tevana...): Aza manaraka ny moron-tevana raha sarotim-panina. / Nipetraka teo amoron-dalana ilay mahantra (ny amin'ny "amorona" eto dia tsy misy hafa amin' ny an amin'ny "an-tsisin-dalana, ohatra, saingy natao a amin'izy eo alohan'ny m ary nosoratana nakambana amin'ny morona koa). - t.i.f.: Manamorona, fanamorona, mpanamorona / anamoronana, fanamoronana / moromorona / amorona, amorony. * F.-p.: Moron-dranomasina, moron-tsiraka: tany an-tsisin-dranomasina. / Morontongotr'akanjo: sisin'akanjo ambany. * Ohab.: Amoron'ala tsy manan-trano be: enti-milaza olona mahantra kanefa eo afovoan'ny ilaina rehetra ¶ M.h.: Mangetaheta ambony lakana, mosarena manatrika ny sompitra. Ahitsio
Mosalahy: p. mt.: An-tsirambina, kitoatoa, sendrasendra: Aza manao mosalahy. Ahitsio
Mosara: (fr. mouchoir) a.: Tapa-damba kely atao fanisinan-delo, famaohana hatsembohana na ranomaso. * F.-p.: Kopa-mosara: fanofahofana ny mosara ho fanaovam-beloma. Ahitsio
Mosarena: (mosary) p. t.: Tratra, voan'ny mosary; tsy manan-kohanina: Ny mafy indrindra, hoy ny ntaolo, dia ny rovi-damba ririnina, ny mosarem-pahavaratra. Ahitsio
Mosary: a.: Tsy fisian-kanina mahatarika fahafatesan'olona marobe noho ny hanoanana: Nisy mosary roa, natao hoe mauouaua zokiny sy zandriny, izay nandripaka olona sesehena, tamin'ny andron' Andriamasinaualona. * t.i.f.: Mosarena. - F.-p.: Mangaro-mosary: kilalaon'ankizy mipaipaika ny vava sady mimonomonona (ninoan'olona taloha fa nitarika mosary, hono, izany kilalaon'ankizy izany). Ahitsio
Mosavinkena: a.: Organa toy ny fonon'ireo fantsona madinika maro ikorianan'ny ra fotsy eran'ny tena ka mihazona ireo bibikelin'aretina ary miady aminy. (Ny misy ny mosavinkena dia eny antenatenan'ireny fantsona ireny, indrindra eo amin'ny manandrify ny famavany sy ny fileferana: leferan-dranjo, tata, helika, vozona). Ahitsio
Mosavy: a.: Zavatra ataon' olona mety hanimba na hahafaty noho ny poizina na ny herin'ny ratsy ao aminy; vorika. * t.i.f.: Amosavina, voamosavy / mamosavy, famosavy, mpamosavy / amosaviana, famosaviana / mosavisavy. ¶ M.h.: Vodka, voankanina, tolak'olona, fanafody, ody, f am orehana, tsongodia, raodia. Ahitsio
Mose: na Ramose (fr. mon-sieur) a.: Teny iantsoana ampanajana ny lehilahy: Mose Rabeloha. Ny hoe Ramose dia mazàna atokana ho an' ny mpampianatra: Iny mandalo iny Ramose, hoy Ikoto, fa andeha aho handray tanana azy. Ahitsio
Mosy: Mitovy amin'ny Maosy. Ahitsio