Singam-peo | : | a.: Ny feo mande-ha tsirairay amin'ny rafitry ny teny araka ny ava-peo. Misy singany telo ao anatin' ny teny hoe vao: v,a,o.
Ahitsio |
Singanina | : | (singana) mt, th. (singano): Enti-milaza ny iray na ny sasany ihany izay alaina amin'ny maso: Ny fotsy ihany singanina, hoy i Nenibe tamin'i Soa naka ny volofotsiny. ~ h.i.: Avahana ka marhina: Miteny aminareo mpianatra jiaby aho, ary singaniko manokana ny kilasy fahatelo.
Ahitsio |
Singorana | : | (singotra) mt. ih. (singory): Samborina amin' ny tady vavarana, amin'ny teny feno fitaka: Singory io vorona manidintsidina io fa ho voa rehefa ela ny ela.
Ahitsio |
Singory | : | a.: Vona mivaha moramora raha vao voasintona ny laniny.
Ahitsio |
Singotra | : | a.: Fanaovana tady vavarana ho fandrika sy hamatorana. ~ Fatotra manao amparapaingo. 4? Enti-milaza koa ny fanararaotana teny latsaka mba hamerezana ny sasany. ~ Teny misy fitaka atao mba hampahita loza. - t.i.f.: Singorina, asingotra, voasingotra, siningotra, tafasingotra ) maningotra, faningotra, mpaningotra / aningorana, faningorana / misingotra, fisingotra, mpisingotra /isingorana, fisingorana/ mahasingotra. - F.-p.: Singotr'aty: aretinjanak'omby na zanak'ondry vao teraka — fangozohozoana, tsy fahazoa-nofo. / Singo-boridamba: fitafiana lamba aman'akanjo rovitra sy maloto.
Ahitsio |
Siniaka | : | (siaka) mt. ih. misy tsofoka in: Siahina, antsoina amin'ny siaka.
Ahitsio |
Sinibe | : | a.: Siny makadiry atao fitahirizan-drano ao an-trano. - Sinibe manga roa: enti-milaza ny ray sy ny reny, na i dada sy neny, izay samy tiana ary tsy asiana tombo sy hala. / Siniben-drano: toerana iangonan'ny rano ao an-tanana alohan'ny hizarazarana azy isan-tokantrano.
Ahitsio |
Sinilaka | : | (silaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasilaka, silahana, ahafahana kely.
Ahitsio |
Sinilatra | : | (silatra) mt ih. misy tsofoka in: Voasilaka, silarina, esorina ny ilany kely: Hazo nosinilatra.
Ahitsio |
Sinily | : | (sily) mt. ih. misy tsofoka in: Voasily, silina, tsitsina, alaina ka kely dia kely no atao indray manao na ma-ka: Nosiniliny ny sira nomeny anay.
Ahitsio |
Sinimaka | : | (simaka) mt. ih. tsofoka in: Voasimaka, simahina, nahafahana kely.
Ahitsio |
Sinimba | : | (simba) mt. ih. misy tsofoka in: Voasimba, simbana, atao izay tsy hahatsara: Nosinimban'ny naman-dratsy ilay rasa ka nampalahelo.
Ahitsio |
Siningana | : | (singana) mt. ih. misy tsofoka in: Singanina, a-laina amin'ny maro: Nosiningan'ny mpampianatra I-sambilo haleta any an-tanàna,
Ahitsio |
Siningotra | : | (singotra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasingotra, singorina, fatorana: Nosiningotry ny vauany ihany Rabe.
Ahitsio |
Sinintona | : | (sintona) mt, ih. misy tsofoka in: Voasintona, sintonina, tarihina: Sininton' ny herin'ny tany ny zavatra ka tsy maintsy mianjera.
Ahitsio |
Sinisika | : | (sisika) mt. ih, misy tsofoka in: Voasisika, sisihana, asiana sisika: Nosinisika fonjozoro io ondana io ka ratsy.
Ahitsio |
Sinisy | : | (sisy) mt. ih. misy tsofoka in: Voasisy, kikisana: Nosinisin'ny voalavo ilay mofo tao anaty harona. •Esorina ny mivohibohitra aminy (hazo fisaka): Efa nosinisinao ue ilay hazo fisaka?
Ahitsio |
Sinitrana | : | (sitrana) mt. ih. misy tsofoka in: Sitranina, asiam-panafody mba tsy harary intsony: Nosinitran'ilay mpitsabo ny aretiny.
Ahitsio |
Sinivana | : | (sivana) mt. ih. misy tsofoka in: Voasivana, sivanina, ampandalovina amin'ny sivana na makarakara hanintsanana tany na fasika: Sinivana ny tany alohan'ny hampifangaroana azy amin 'ny fasika mba handalorana.
Ahitsio |
Sinoa | : | (fr. chinois) a.: Ny tire-nana tompon-tany any amin'ny tany midadasik'i Si-na: Ny Sinoa no be indrindra amin'ny mponina eto ambonin'ny tany. Ip.t.: Mikasika an'i Sina, an'i Sina na avy any Sina: Anisan'ny sarotra amin'ny fiteny rehetra ny teny sinoa.
Ahitsio |