Litera Z

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Zandry: a.: Ny iray taro-Po teraka aorian'ny zaza iray: Faly Ikoto fa vao nahazo zandry. ? Izay rehetra kely taona noho ny olona iray: Zandriko ny rahalahinao sa-tria teraka tamin'ny taona 1952 aho fa izy kosa tamin' ny taon 1955. Ahitsio
Zanozano: a.: Fomban-drandram-bolo fanao any an'indrana, indrindra amin'ny Bezanozano, Betsileo, Antandroy: atambatra ny randrana fa avons isaky ny soritra, dia mirazorazo maromaro manodidina ny loha. Ahitsio
Zanozano: a: Anaran'ny rantsan-kazo amin'ny Betsimisaraka; rehefa nidina nankany amin'ny Betsimisaraka moka sirs na mikarama ny Bezanozano dia nitondra rantsan-kazo maina hataina nony mby teny akaiky tanàna; izany no naharaikitra ny anaran'ny Bezanozano. Ahitsio
Zanvie: (fr. zanvier) na Janoary a.: Volana voalohany amin'ny taona aralia ny fanisanandro vahiny antsoina hoe kalandrie; iraika amby telopolo no isan'ny andro amin'ny volana Zanvie (ny amin'ny anarany, jar. Avrily). Ahitsio
Zany: Jer, Izany. Ahitsio
Zao: Jer. Izao. Ahitsio
Zaotra: ft.: Hahia, hanifisana. 1 Mazaotra. Ahitsio
Zaotra: a.: Mpiray tam-po amin'ny vady, mitovy amin' ny Naotra (ny Z sy ny N renisoratra azo ampifanoloina): Zao-dahy, Zao-bauy. Ahitsio
Zara: a: Zavatra efa voatendry ho an-tena, anjara, tantana: Ity ny zara fihinananareo. ? Fitantanana: Aza manao zara vilana. / Efa uita ve ny zara uarin'ny marary? ? Vintana tsara, hasambarana: Zara ho azy ny fahombiazany tamin'ny fanadinana. 1 t. if.: Zaraina, voazara, zinara 1 mizara, fizara, mpizara 1 izarana, fizarana 1 mahazara j zarazara. - F.-p.: Be zara: manam-be sy nambfnina ka tretrika. / Lany zara: 1) enti-milaza zavatra nozaraina ka tsy misy ambiny hozaraina intsony. -2) enti-milaza koa ny zazavavy efa lehibe tsy misy ma-ka vady intsony. / Mananjara: manana tombon-tsoa manokana tsy ananan'ny ha-fa, mahazo soa, sambatra. I Zara fa vita: vita kongorevo sady ratsy. / Zara fihinanana: enti-milaza ny vola na zavatra na sakafo omena ny havana misaona amin'ny fandroana noho izy tsy mba "mandro". / Zara levenana: anarana enti-milaza ny vola famangiana amin'ny fahoriana omen'ireo havana akaiky dia akaiky ny tompo-manjô ka izy io no lehibe indrindra amin'ny famangiana atao raha misy fahoriana. / Zara nahandro: ny fanomezana o-mena ny olona tonga manatrika fandevenana. / Zara tokon-kena: 1) anjara hena mitovy. -2) fiteny ilazana ny rahavavim-bady alain'ny lehilahy iray maty vady. / Zara vilana: fizarana tsy marina misy fiangarana ka misy kely sy lehibe. / Zarazara hoditra: ilazana volon-koditra izay tsy lasa fotsy nefa tsy mainty koa. * Ohab.: Tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka ho hitanao: fitenin'ireo manaram-po indray andro amin' ny be ananany fa tsy miraharaha na mitsinjo izay ho avy, Ahitsio
Zaraina:(zara) mt.ih. (zarao): Za Tantanana: Samia maka toerana fa hozaraina ny hena. • Omena ny tompony tsirairay: Andraso fa efa hozaraina ny kahienareo. • Atoko: Zarao fito ireto mpianatra ireto, 1 Didiana: Zarao efatra ity paoma ity. Ahitsio
Zarana: a.: Tahon-javatra andraisana azy: Zaran'angady. ¶ M.h.: Harana, taho, tango. Ahitsio
Zareo: s.o.: Ny ankilany, ireo amin'ny ankilany: Ry zareo ao avaratra. Ahitsio
Zaridaina: (fr. jardin) a.: Tanimbolim-boninkazo. Ahitsio
Zarina: (zatra) mt. ih. (zaro): Atao tonga zatra: Zaro miteny ampahibemaso io touolahy io fa saro-kenatra loatra. Ahitsio
Zary: p.t.: Tonga: Zary ngazana ny tany noho ny tsy fiaian'ny orana enim-bolana. - t.i.f.: Maniary, fanjary, mpanjary 1 anjariana, fanjariana / mampanjary 1 zarizary. Ahitsio
Zato: p.i.: Sivy amby sivifolo ampiana iray, na folo impolo: Zato taona. — Ireto avy :ay isa milaza ny isan-tokony zato: zato, roanjato, telonjato, efajato, dimanjato, eninjato, fitonjato, ualonjato, siuinjato. - t.i.f.: Zatoina, voazato 1 manjato, fanjato, mpanjato / anjatdana, fanjatùana / mahazato 1 injato l fahazato. Ahitsio
Zatoina: (zato) mt. ih, (zatoy): Zaraina zato, zaraina antokony zato. Ahitsio
Zatovo: a.: Olona tanora, na lahy na vavy, mbola tsy manambady: Zatovolahy, zatovovavy. * Ohab,: Zatovon'ny aty, zazalahin'ny any: enti-milaza olona miandany amin'ny antokon'olona roa sady an'ny at? no an'ny any. Ahitsio
Zatra: p. t.: Fatra-panao zavatra na asa iray ka sarotra alana amin'ny toetra aterak'izany: Zatra mandainga Ibalita. ? Fatra-panao asa iray ka tsy manavao amin'izany: Efa zatra milatsaka amin'ny elonaina Rakoto ka tsy matahotra. ? Tamana: Efa zatra ity alika ity ka aza fatorana intson y, - t.i.f.: Zàrina / manazatra, fanazatra, mpanazatra 1 anazarana, fanazarana / mankazatra, fankazatra, mpankazatra 1 ankazarana, fankazarana 1 mifankazatra 1 ifankazarana, fifankazarana 1 mihazatra / mahazatra / fahazàrana / zajatra. * Ohab.: Zatra ny antohojinga ka tsy uelon'ny an-karardna: efa zatra ny miadana ka sahirana rahefa sendra ny sarotra. Ahitsio
Zava: Hazava, Hazavana a,: Taratra manenika toerana iray ka mahatonga ny zavatra rehetra iantefàny ho hitan'ny maso. - t.i.f.: Hazavaina, voazava 1 manazava, fanazava, mpanazava / anazavana, fanazavana 1 mihazava / mihamazava I ihazavàna, fihazavàna 1 hazavana / fahazavana 1 mahazava / mazava. 1056 Zavaboary a.: Ny zavatra rehe-1056 noarfna, izany hoe nisy mpanao fa tsy nisy ho azy: Ny anjely sy ny olombelona no ambony indrindra amin' ny zauaboary rehetra. • Ny fitambaran'ny avatra hitan' ny maso mano? idina ny te-na, toy ny habrkabaka, ny rano, ny hazo: Lasam-binany izy nandinika ny zauaboary tamin'io maraina io. Ahitsio