Litera V

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vaohina: (vaoka) p.t.: Misy vaoka: Lehilahy vaohina izay izy. Ahitsio
Vaoka: a.: Volo ampaniriana mandady amin'ny fihirifana ka matetika mampitohy ny volombava sy ny volondoha. 1 t.if.: Vaohina. Ahitsio
Vaomiera: a.: Fivorian'olona vitsivitsy notinendry mba handinika zavatra kasaina ha-tao na hanara-maso ny fanatanterahan-javatra notinapaka. ¶ M.h.: Komisiona. Ahitsio
Vaona: ft.: Tsy mahitsy, meloka. i t.if.: Avaona, tafavaona / mivaona, fivaona, mpivaona 1 ivaonana, fivaonana / vaombaona. Ahitsio
Vaovao: a.: Zavatra niseho vao haingana ka ataon'ny olona firesaka: Tamin'ny radio no nandrenesanay aninaraina izany vaovao izany, ¶ M.h.: Maresaka. 1 p. t.: Enti-milaza zavatra tsy nisy na tsy fantatra raha tsy vao haingana: Teny vaovao izany ka tsy fantatro. 1 Enti-milaza zavatra nentina na nanaovana voalohany: Nitondra kiraro vaovao i Koto tamin'ny Krismasy. ¶ M.h.: Maresaka, mahoraka, resaky ny olona, ambentin-dresaka, teny mandeha, sahoa, tsaho, honohono, tsahotsaho, fary mitety reny, siosio. Ahitsio
Vaozina: Havaozina (vao) mt. ih. (vaozy, havaozy): (Ity faharoa no fampiasa kokoa) Soloana hafa: Nohavaoziny daholo ny mpiasam-barotra tao aminy. 1 Soloana vaovao: Havaozin'ny lohataona ny zava-drehetra. / Averina, indraozina: Rehefa lehibebe, tsara hohavaozina ny toky nomena tamin'ny batemy. Ahitsio
Vara: (fr. verre) a.: Fitaovana fisotroan-drano vita amin' ny tamaboha tantera-pahazavana, - F.-p.: Dom-bera: fifandonam-bera rehefa misotro divay mba ho fifampirariana soa. Ahitsio
Varahina: a.: Karaza-metaly menamena azo anjahina ary azo taritina ho tariby izay ampiasaina betsaka, indrindra amin'ny fampitana ny herim-baratra amin'ny elektrisite. Ahitsio
Varahontsana: p.t.: Tsy mahahetsika noho ny hatairana na tahotra. i t.if : Mivarahontsana, fivarahontsana. Ahitsio
Varaka: ft.: Triatra, tsefaka — der. Veraka), it t.if.: Mivaraka / varakahaka, mivarakahaka, fivarakahaka. Ahitsio
Varakahaka: (varaka) p.t.: Malemy miparitaka. 1 h.o,: Mihahakaha-kevitra, lasam-borona. Ahitsio
Varanga: a.: Hazakazaka, fandehanana haingana dia haingana: Manao varanga (jer. Rarangy). Ahitsio
Varanga: sy Varangan-kena a,: Hena masaka, alona ao anaty menaka mba haharetany sy hahatsara tsiro azy. - F,-p,; Varangan'amalona: amalona masaka alona anaty menaka mba haharitra. / Varangam-bitsika: tranom-bitsika eny ambony hazo. Ahitsio
Varapohe: (Ski) a: Jar. Radraty. Ahitsio
Varatra: a.: Karazan'afo avy amin'ny fifanatonan'ny rahona misy elektrisite sy ny tany, rehefa avy orana, ka mahatonga tselatra sy kotroka ary mahafaty izay ilatsahany: Nilatsahan'ny varatra ny omby niraoka tery an-kavoana - F.-p.: Ohatra ny nilatsaham-baratra: ankona tsy mahateny. / Vara-datsaka: feonjavatra mitalakotrokotroka mankarenin-tsofina. / Varamaina: varatra mipoaka tsy avy orana. 1 h,o,: Hatezerana tsy hita antony. / Zanabaratra: olona tsy mahalala mankasitraka. / Namelonjana-barati'a: nanao soa olona tsy mahay mankasitraka. ¶ M.h.: Fotaka. Ahitsio
Varatraza: a.: Rivotra mangatsiaka avy atsimo,atsinanana mitsoka amin'ny volana Jiona sy Jolay any amin'ny tapany avaratra sy avaratra andrefana. Ahitsio
Varavarana: a.: Loaka namboarina amin'ny rindrin'ny trano mba hahazoana miditra sy mivoaka ao an-trano ary koa mba hahazoan'ny trano rivotra sy hazavana. (Roa karazana ny hazo rafibaravarana, dia ny tolana sy ny lélavarauarnna: ny tolana no iraiketan'ny varavarana amin'ny rindrina noloahana ary ny lelavaravarana kosa dia ilay hazo fisaka voavoatra ho azo arindrina sy vohaina mipetaka amin' ny tolana amin'ny alalan' ny savily). Ahitsio
Varavarana: (Btm) a.: Anarankazandrano. Ahitsio
Vareraka: ft.: Enti-milaza fitafiana miborotsaka ny ilany, mirefarefa; fiboretahana fotsiny kivy sy ketraka fa tsy mampiseho herin-tsaina. - t.i.f : Avareraka, voavareraka, tafavareraka / manavareraka, fanavareraka,mpanavareraka I anavarerahana, fanavarerahana 1 mivareraka, fivareraka, mpivareraka 1 ivarerahana, fivarerahana 1 vareradreraka. Ahitsio
Varialoha: a.: Anarana omena amin'ny afovoan-tany ny vary afafy amin'ny volana Avrily sy Mey, ketsaina amin'ny Aogositra ary jinjafna amin' ny Zanvie. * Ohab.: Toy ny varialoha: mahatra-po fa tsy mahavita taona: enti-milaza ny zavatra izay mahavonjy amin'ny fotoana iray, fa tsy mahafapahasahiranana maharitra. Ahitsio