Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
L: Tarehintsoratra fahiraika ambin'ny folo ary renisoratra fahavalo amin'ny abidy malagasy. Ny L dia miova ho D amin'ny fanakambanan-teny: hevitra lalina = hevi-dalina. Ahitsio
La: ft.: Tsy fetezanahanao, tohitra. - t.i.f. : Lavina / voala, tafala / mandà, fandà, mpandà 1 andavana, fandavana / mandandà. - F.-p.: Mafy la: fatra-panohitramafy, mikiribibY rehefa mandà. Ahitsio
La: a.: Ny feo fahenina amin' ireo ambaratongam-peo fito amin'ny gara a. Ahitsio
Labasy: (fr. la bâche) a.: Lamba bakatraka, matevim-be, anaronana fiara na sambo, fa matetika koa ampiasaina hanaovana karazan-trano lay. Ahitsio
Labatoara: (fr. l'abattoir) a.: Toerana natao hamonoana ny biby vonoina hohanina, amin'ny fomba ara-dalàna, sy fanamboarana ny henany. Ahitsio
Labiera: (fr. la bière) a: Fisotro misy alkaola kely vita amin'ny karazam-barimbazaha atao hoe "orge", izay alona hamorivory mba hahatonga ny siramamy ao aminy ho alkaola, dia asiana "houblon" hampangidingidy ny tsirony sy hahamanimanitra ny fofony. Ahitsio
Laboratoara: (fr. laboratoire) a : Toerana voatokana hanaovana fikarohana sy fanandramana momba ny fahaizana amam- pahalalana samihafa. Ahitsio
Laborosy: (fr. la brosse) a.: Tsy fiteny intsony fa Borosy no ampiasaina ankehitriny. Ahitsio
Labozia: (fr. la bougie) a.: Jiro vita amin'ny menak'omby na mena-biby hafa toy ny trozona, na savoka na parafina voaempo izay ampidirina andasitra ary asiana lahiny: Ma-nome hazavana malefaka dia malefaka ny labozia. - F.-p.: Labozia gasy, labozia vazaha, labozia savoka. / Mitsatoka ohatra ny labozia: mijanona ela amin'ny toerana iray miandry olona. / Tain-d abozia: ilay zavatra mitsonika manaraka ny lavan'ny labozia izay avy amin'ny fiempoan'ny menaka rehefa mirehitra ny labozia. Ahitsio
Ladina: a: Ny tahon'ny zavamaniry mananika amin'ny zavamaniry hafa: Miolakolaka ny iadim-boatauo. 1 Fampifanolanana na fanodidinana tady manodidina zavatra iray. 1 Lafika vita amin'ny fon-jozoro na amin'ny mololom-bary, izay mazàna amefena ny aty rindrin'ny lava-bary - t.i.f.: Ladinina,voaladina 1 mandadina, fandadina, mpandadina 1 andadinana, fandadinana / mifandadina 1 mahaladina. Ahitsio
Ladina: (lady) mt. ih. (radio): A-nihina mikisaka: Noladin'ny marotanana ny tongony ka saika safotra izy. Ahitsio
Ladinina: (radina) mt. ih. (ladino): Hodidinina, fadidirana: Ladinin'ny uahy ny hazo any an'ala. 1 Fatorana, akambana: Ladino ireto zozoro ireto hanaouana takelaka. Ahitsio
Ladinintrambo: a.: Anaran'aretina mitovitovy amin'ny tandomerina, saingy mitsoriadriaka lavalava ny fivontosana aminy fa tsy mitapelapelaka vorivory. ¶ M.h.: Fadiditra. Ahitsio
Ladiresy: (fr. l'adresse) a.: Tsy fiteny intsony fa Adiresy no ampiasaina ankehitriny. Ahitsio
Ladirina: (laditra) mt. ih. (ladiro): Atao miadana dia miadana. Ahitsio
Ladirisy: (Ski) a: Tady fampakarana sy famelarana ny lain'ny botry na samba. Ahitsio
Laditra: a.: Tsy rototra sy mitaredretra, tsy maika fa toy ny milalao raha manao zavatra. i t, t f.: Ladirina, voaladitra / miladitra, filaditra , mpiladitra / iladirana, filadirana / mahaladitra / ladidaditra. Ahitsio
Ladoany: (fr. la douane) a: Fadin-tseranana. 1 Sampan-draharaha maka ny fadin-tseranana. Ahitsio
Ladobo: (fr. la daube) a.: Akoho na vorona tsy mivaky fa andrahoina mivongana amin' izao ao anaty lafaoro. Ahitsio
Lady: ft.: Hafainganana, hakingana. 1 Hafainganana mandre, mahamasaka sakafo, hafainganan-tsaina. - t.i.f.: Malady / maladilady / mahaladilady / halady. Ahitsio