Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ringiringy: a.: Toerana avo; ny eny an-kavoana misy hantsana. ? Teronterona. ? /.o.: Rehareha, avonavona. - t.i.f.: Aringiringy, voaringiringy, tafaringiringy / miringiringy, firingiringy, mpiringiringy / firingiringiana 1 maharingiringy. Ahitsio
Ringitra: sy Ringindringitra p. t.: Afa-dravina, bory ravina: Ringitry ny fanala ny voly rehetra. ? (volo) Fohy sy mikainkona, ngita: Olona ringibolo izay no nitondra an'ity taratasy ity. Ahitsio
Rintona: a,: Fandehanana miala tampoka noho ny hatezerana na hasosorana. - t.i.f.: Tafarintona 1 mirintona, firintona, mpirintona / irintonana, firintonana / maharintona / misarintona. Ahitsio
Riona: ft.: Ny fifiokan'ny zavatra mandalo na nivily tsy lavitra loatra; fijery misompirana dia midify. - t.i.f. : Tafariona / mandrin-na, fandriona / miriona, firiona. Ahitsio
Riorio: (fit.-p.) a.: Tady ampifamatorina hiarovana ny vorona tsy hihinana ny voly. Ahitsio
Riorio: a.: Fivezivezena eny rehetra eny; firenirenena foaana. ? Fitenitenenana na fanaovan-javatra kitoatoa, befahatany. - t.i.f.: Ariorio, voariorio, tafariorio 1 mandriorio, fandriorio, mpandriorio / andrioriovana, fandrioriovana 1 miriorio, firiorio, mpiriorio 1 irioriovana, firioriovana 1 mahariorio. Ahitsio
Riotra: a.: Fandehanana mafy, hazakazaka na fimaonana mafy. i fi. f.: Tafariotra / miriotra, firiotra, mpiriotra 1 iriotana, firiotana / mahariotra / riodriotra. Ahitsio
Riotra: a.: Anaran-kazo tsy dia Inhibe loatra, karazana Mimoza. Ahitsio
Ripaka: p.t.: Nahavoazana betsaka (voly na biby ompiana miampatrampatra noho ny aretina, na vono, na fikapana, na loza samihafa): Ripaky ny tafiodrivotra ny zanakazo betsaka tao an-tanimboiiko. * Maty daholo, lany ringana: Ripaky ny barika ny akohon' i Naivo ka nalahelo aoka izany izy. * t.i.f.: Aripaka, voaripaka 1 mandripaka, fandripaka, mpandripaka / andripahana, fandripahana / miripaka, firipaka, mpiripaka 1 iripahana, firipahana 1 maharipaka / ripadripaka. 'Rirana a.: Zorony mivohitra: Voun'ny riran-databatra ny takibako. ? Ny lafiny maranitra na ny ilany ihany: Te-Io rirana ny zozoro. * t.i.f.: Mandrirana / matira-na 1 marirandrirana. - F.-p.: Mandry an-driran' antsy: matory amin'ahiahy sy eritreritra noho ny tahotra sy ny fanahiana loza hitranga na mety hitranga. Ahitsio
Rirarira: Jer. Korira. Ahitsio
Ririnina: a.: Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan'ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin'ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan'ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany). * t.i.f.: Mandririnina, fandririnina. - F.-p.: Roui-damba ririnina: enti-milaza fahoriana faran' izay mafy, satria ny ririnina efa man gatsiaka ary amin'io indray no rovi-damba. * Ohab.: Mivadibadika ohatra ny andro ririnina: ilazana toetra mora miovaova toy ny andro ririnina, izay mafana kely dia tonga mangatsiaka indray avy eo. / Tay main-tsy lena toy ny andro ririnina: enti-milaza toetra tsy hita hatao tsara tsy hita hatao ratsy toy ny andro ririnina izay tsy maina mafana no tsy lena mandriaka fa manerika madinika lava. / Ririnin-dasa tsy tsaroana: nony sendra ny hatsiaka mamirifiry, dia toa hadino ny teo aloha ka milaza fa mbola tsy nisy hatsiaka ohatra izany. Ahitsio
Ririsana: (riry) mt. ih. (ririso): Enti-milaza ny zava-maniry izay alana ny raviny: Ririsan' ny fanala ny ravin'ny zauamaniry. ¶ M. h.: Orosana, na orotana. ? Ongotana, alana (ravina). Ahitsio
Riritra: sy Rirotra a.: Mitovy amin'ny Roritra. Ahitsio
Riritse: (Ski) a.: Roritra. ? Figohana ranon-javatra bebe indray mandeha tsy miato. * Fihetsiky ny zaza ateraka manetsika ny reniny hanena azy. Ahitsio
Riroriro: a.: Fararemotra sy fendrofendro toy ny hitomany; fidradradradrana sy menomenona etsy sy eroa. Ahitsio
Riry: a.: Zavatra na hanina heverina ho maloto. Ahitsio
Riry: sy Riririry ft.: Toetran'ny zavatra tsy misy raviny, ringitra. - t.i.f.: Ririsana, voariry, voariririry 1 mandriry, fandriry, mpandriry; mandriririry, fandriririry, mpandriririry / andririsana, fandririsana / mahariry, mahariririry / mariry. Ahitsio
Risarisa: a.: Aretina na havizanana tsy dia mafy loatra. ? Famindra miadana tsy ma-ka sarotra ary miretareta. * t.i.f.: Arisarisa, tafarisarisa / mirisarisa, firisarisa, mpirisarisa 1 irisarisana, firisarisana / mahar?sarisa /marias 1 marisarisa, faharisarisana, harisarisana 1 faharisarisa. Ahitsio
Risika: a.: Zoto hanao zavatra; hafinaretana handray anjara amin'ny zavatra iray; zotompo sy havitrihana: Manàna risi-po rehefa miasa. * t.i.f.: Arisika, voarisika 1 mandrisika, fandrisika, mpandrisika 1 andrisihana, fandrisihana / maharisika / risidrisika 1 marisika 1 harisika, faharisika, harisihana, faharisihana. Ahitsio
Risoriso: (fit.-p.) a.: Enti-milaza varotra tsy an-karihary ka misy fanararaotana tsy anerany arnin'ny fanombanana ny vidin-javatra amidy; varomaizina. ¶ M.h.: Varo-maizina, sikisiky, varotra an-kobohobo. Ahitsio