Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hodivirana: (hodivitra) mi ih. (hodiviro): Tsy ifanenana fa iviliana, iolahana: Nohodivirako Rakoto fa be resaka loatra ka mahauery andro. Ahitsio
Hodivirina: (hodivitra) mt.ih. (hodiviro): (enti-milaza toerana) tsy aleha fa iolahana: Nohodivirin'ny fahavalo ny tanàna fa voaron'ny manda tsy laitran'ny bala Ahitsio
Hodivitra: a.: Fitanilana sy fitongilanana faran'izay kely. ~ Fifandisoana noho ny elanelany kely monia. - t.i.f.: Hodivirina, hodivirana, ahodivitra, voahodivitra, tafahodivitra 1 manodivitra, fanodivitra, mpanodivitra 1 anodivirana, fanodivirana I mihodivitra, fihodivitra, mpihodivitra J ihodivirana, fihodivirana/ mahahodivitra / hodividivitra. Ahitsio
Hodrahodra: p. t.: Malemilemy, mihonankonana malemy. i t.i.f.: Ahodrahodra, voahodrahodra / mihodrahodra, fi• hodrahodra / ihodrahodrana, fihodrahodrana. Ahitsio
Hodrohodro: a.: Binabina, binaka, vindimbindina. - t.i.f.: Mihodrohodro, fihodrohodro, mpihodrohodro / ihodrohodroana, fihodrohodroana. Ahitsio
Hoe: p.mt.: Toy izao, sahala amin'izao (fanao eo alohan' ny tenin'olona iray izay averina araka ny nitenenany azy):Dia niteny indrindra Andrianampoinimerina nanao hoe "ny ranomasina no valamparihiko". / Lazao aminy hoe "Tonga i dadanay". / Mba tiako ilay hira manao hoe: Ry tanindrazanay malala ô!) • Teny kely entina miangavy na mandidy, ary mety hifono hevitra fihantsiana na fahatezerana arakaraka ny feo ilazana azy: Mitsambikfna hoe hahitana ny fahaizan' Ingahy! / Aiza hoe mba hojereko. 1 Marina ve? Namidiny hoe ny tranony tetsy Ambondrona a F.-p.: Atao hoe: enti-milaza ny anaran'ny zavatra na olona tenenina: Dia nonina tao amin'ilay vohitra iray a-tao hoe Fanambinantsoa izahay.// Izany hoe: enti-manazava ny hevitra na ny teny iray: Aza manao izay hampaiahelo an'Andriamanitra, izany hoe aza mono ta. ll Lazao hoe: enti-milaza ny teny asaina averin'ilay olona hafarana: Lazao hoe manavy aho ka tsy ho tonga amin'ilay fotoana. // Ahoana hoe: entimanontany raha tena izany tokoa no izy, ka matetika fiangaviana hamerina ny efa voalaza io: Ahoana hoe? (toy izany avokoa no hevitry ny "hoe" aorian'ny teny enti-manontany: Iza hoe no nilaza izany?) Ahitsio
Hoetrika: a.: Karazam-borona an-drano misy sangany (Fulica cristata na Mitrata). Ahitsio
Hofa: a.: Zavamaniry karazana vakoa na vakoana lava ary be ravina. Ahitsio
Hofa: a: Vola, na zavatra aloa amin'ny zavatr'olona ipetrahana na anaovana na ampiasaina mandritra ny fotoana maharitraritra: Valonjato no hofan'it? efitra (Ny fahelam-potoana ihany no ma-ha samy hafa ny hofa sy ny sara: raha mita lakana ka miserana ihany, sara no aloa; fa raha maharitra indray andro na mihoatra, dia ho fa). i tif: Hofana, ahofa, voie hofa I manofa, fanofa, mpanofa I anofana, fanofana J mahofa J hofahofa I mihofa J ampanofaina, mampanofa. Ahitsio
Hofa: a: Fiantsoana olona amtn'ny kopa-damba, na tans-na, na rantsan-kazo misy ravina. ~ Fanasivanana ny vary na voan-javatra hafa amin'ny sahafa mba hampisaraka azy amin'ny akofa na ampombo na vato kely... - t.i.f.: Hofana, hofaina, voahofa, ahofa / manofa, fanofa, mpanofa 1 anofana, fanofana / mahahofa, hofahofa I mihofahofa. Ahitsio
Hofaka: a: Rambon'ondry; rambon'orana, izany hoe ilay miforitra amin'ny orana; kibon'ny valala; rambon'ny valala; rarnbon'akanjo mitaritarika aoriana. i ti.f.: Hofakofaka I ahofakofaka J mihofakofaka, fihofakofaka, mpihofakofaka / ihofakof ahana, fihofakofahana. Ahitsio
Hofakofahina: (hofakofaka) mt. ih. (hofakofaho): Endahina. Ahitsio
Hofakofaka: a.: Izay miendaka amin'ny faritra sasan'ny tena ka manjary mihetsiketsika; zavatra tsy mipetaka tsara ka tonga mihofakofaka na mielakelaka. - t.i.f : Hofakofahina, ahofakofaka, voahofakofaka, talahofakofaka / manofakofaka, fanofakofaka, mpanofakofaka / anofakofahana, fanofakofahana J mihofakofaka, fihofakofaka, mpihofakofaka 1 ihofakofahana, fihofakofahana. Ahitsio
Hofakofaka: a: Kivilivily, vezimbezina, hevingevina. Ahitsio
Hofana: na Hofaina (hofa) mt. ih (hofao na hofay): Antsoina amin'ny kopa-damba, na tanana na zavatra hafa: Hofay tomba izy fa tsy reny izany. 1 Sivanina amin'ny sahafa: Hofao tsara ny vary, rankizy. Ahitsio
Hofana: (hofa) mt. ih. (hofao): Raisina hipetrahana ka andoavana hofany: Hofan-dRakoto mpanao kiraro ny tranon-dRabe ao atsimonay. Ahitsio
Hofika: a: Zavamaniry mandadina, fanao fanafody ny voany voatoto malemy noho izy manana hery toa mamihina. Ahitsio
Hofoka: na Hofokofoka a: Hetsiketsika, pelipelika. i tiP•: Hofokofohina, ahofokofoka, voahofokofoka J manofokofoka, fanofokofoka, mpanofokofoka / anofokofohana, fanofokofohana I mihofokofoka, fihofokofo- ka, mpihofokofoka 1 ihofokofohana, fihofokofohana I mahahofokofoka. Ahitsio
Hofokofohina: (hofokofoka) mt. ih. (hofokofohy): Hetsiketsehina, hozongozonina. Ahitsio
Hoga: na Hogahoga a: Antsoantso tsisy antony; fitenitenenam-poana na fanakorana; teny, antsoantso hihorakorahana na hanarablana olona. - t.i.f.: Hogahogaina 1 mihogahoga, fihogahoga, mpihogahoga I ihogahogana, fihogabogana J mahahogahoga. Ahitsio