Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandaboboka: (boboka) mt.p.: Jer. Manadaboboka. Ahitsio
Mandaboka: (daboka) mt.p. (mandaboha): Manjera amin' ny tany, mandavo: Rivo-mahery no nandaboka ny tranonay. ~ Mikapoka, mamely: Nandaboka azy tamin'ny tehina teny an-tanany izy. Ahitsio
Mandadiana: a.: Haninkotrana, toy ny saonjo, mangahazo. Ahitsio
Mandadina: (ladina) mt.p.: Mamatotra, manakambana: Mandadina volotsangana 1 nit a: Mandady ka manodidina, mamaditra: Mandadina amin'ny hazo ny vahy. Ahitsio
Mandaditany: (Btl) p.t.: Entimilaza omby tena matavy, ka toy ny mikisaka amin'ny tany ny tenany. Ahitsio
Mandady: (lady) nit s. (manda-dia): Mifindra toerana ka ny kibo no enti-mikisaka: Mandady ny bibilaua 1 Mananika: Jereo ireto vitsika mandady amin'ity hazo it?. ~ Mandeha amin'ny tongotra sy ny tanana: Hay ve mbola mandady US, zozo id' fa mbola tsy mandeha akory? ~ h,o.: Mandokadoka fatratra, mita handitra: Loza raha handady, amin'ny lehibe Ra-koto. ¶ M.h.: Misolelaka. - F-p.:Mandady ny trambo: enti-milaza loza avy misoko mangina. r Tsy mandady amin'ny hava tsy fantatra: fomba fiteny raha mangatabady ilazana fa tsy miditriditra befahatany amin'ny fianakaviana tsy fantatra akory Razazalahy fa amin'ny fototr'olona efa fantany sy ankasitrahany. Ahitsio
Mandafatra: (lafatra) mt.s, (mandafara): Manohitra, mamely, mandatsaka ao anelanelan'ny loza roa. ~ mt.p.: Mampikatroka, mampikasokasoka: Aza mandafatra amiko ny tongotrao. Ahitsio
Mandafika: (lafika)mtp• (mandafiha): Manisy zavatra ha-tao lafika: Iza no nandafika mololo ireto entana ireto? Ahitsio
Mandafy: (lafy) mt.p. (manda-fusa): Mividy mitamba-be mba hamidy antsinjarany: Nandafy tsaramaso roanjato aho hilako tombom-barotra Ahitsio
Mandahatra: (lahatra) mt p, (mandahara): Mametraka zavatra mahitsy tomandavana: Sahirana ery Ilita kely nandahatra ny bokin-drainy teo ambony latabatra ~ Manda-mina: Raha efa izany, dia nandahatra ny raharaha hataony ny ampitso izy. • Manao kabary; miresaka manao fihetseham-be amin'ny tanana: Mahay mandahatra ilay mpitandrina nitory teny anikeheo. / Nandahatra teo ny anao nefa tsy nisy nihaino akory. Ahitsio
Mandahilahy: (lahy) mt.p. (mandahilahia): Mitso-drano, mirary soa ny zaza atao hasoavana. Ahitsio
Mandaina: (laina) mt.p.: Mikapoka, mamely, manavokavoka. Ahitsio
Mandainga: (Iainga) mt.p. (mandaingà): Tsy milaza ny mari-na, milaza zavatra diso ho marina, mamitaka amin'ny tsy filazana ny marina: Ny tahotra matetika no mahatonga ny ankizy handainga. / Loza raha handainga io vehiuauy io. ¶ M.h.: Manao marina tsy to.1(mizana, famantaranandro) Tay manondro ny marina fa mihoatra na latsaka no lazainy; diso: Mandainga ny famantaranandro izany; andro efa amin'ny 11 ka lazainy fa uao amin'ny 9 sy sasany. / Ario any io mizana io fa mandainga * Mahatonga ho diso, mamitaka, manodoka: Mandainga indraindray ny maso. Ahitsio
Mandaingo: (laingo) mt.p. (mondaingoa): Manalany laingonjavamaniry. Ahitsio
Mandaitra: (laitra) mt, s. (mandaira): Miraikitra, mipetaka tsara: Tsy mandaitra amin' ny haro io loko io. 1 Misy vokany tsars, mahomby, mahasitrana: Tsy mandaitra ueliuely ilay fanafody natoronao. Ahitsio
Mandaka: (daka) mt.p. (mandakà): Mitsipaka, mamely amin'ny tongotra: Tsy fanao ny mandaka olona. 1 .o.: Manohitra: Tsy mandaka ny hevitrao akory aho. Ahitsio
Mandakana: mt. p.: Mihady, na mihoho tany miendrika laka na Manao tatatra na lakandrano. ? Enti-milaza nofo mitondra ny dian'ny kapoka nafitsoka azy. Ahitsio
Mandala: (tala) mt.p. (manda-là): Mikarakara, mitandrina tsy ho simba: Olona manda-la fihauanana ny Malagasy. ¶ M.h,: Mikarakara, mitsimbina, mitandro. Ahitsio
Mandalambitsika: P. t.: Enti-milaza lamba na akanjo efa ton-ta ka manambana ho rovitra, efa makarakara ho triatra: Nampalahelo ny nijery ilay mpangataka: satroka efa loaka ny tampon y, pataloa efa mandalambitsika: izany no hita teny aminy. Ahitsio
Mandalatra: (lalatra) mt.p. (mandalara): Manisy soritra na tataka kely amin'ny lelanjava-maranitra Ahitsio