Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandriorio: (riorio) mt. P. (mandriorioua): Mampirenireny. ~ Mampibirioka. 1 Mampandeha atsy mampandeha aroa. Ahitsio
Mandripaka: (ripaka) mt. p. (mandripaha): Manjera sy mamely betsaka: Nandripaka tanimbary betsaka ny havandra tat?.• Mandringana, mamono tsy mamela iray velona: Ny pesta no nandripaka ny mponina teto. (• Mandevona, mandany tanteraka: Afo no nandripaka ny bozaka tamin'it? tanety it?. Ahitsio
Mandrirana: (rirana) p.t.: Misy zorony. Ahitsio
Mandriritra: mt. p.: Misintona hihalava. ¶ M.h.: Mandrirotra, mandroritra. Ahitsio
Mandriry: (riry) mt. p. (mandririsa): Manala, manongotra ny ravin-kazo. ¶ M.h.: Manorotra. Mandririnina (ririnina) mt. s.: Mangatsiaka. / Manao toetr'andro ririnina. Ahitsio
Mandrisika: (risiha) mt. p. (mandrisiha): Mampahazoto, mitarika, mitaona, manome zotom-po sy havitrihana: Mahay mandrisika ny mpiasany izy. ~ Mahatonga hazoto mampirisika: Mandrisika ny mpianatra ny ualisoa. Ahitsio
Mandritika: (ritika) mt. p.: Manaja, manome voninahitra: Raha mandritika ahy, mba ritihiko, raha maneva (manivaiva) ahy, mba evaiko (titan.). Ahitsio
Mandritra: (ritra) mt. p. (mandrita): Manao izay hahatankina: Mandritra dobo. ~ Mahandro hena amin'ny fanaovana izay hahalasa fofona ny rano andrahoana azy: Mandritra ;henan-kisoa 1 Mandany, maharingana: Mandritra ny harena ny fisotroantoaka. (• ppk.: Enti-milaza ny fotoana aharetan'ny asa na zavatra iray: Niasa nandri tra ny adiny fito aho. ¶ M. h.: Maninjitra, mipaka, ngarangidina, saingy amin'ireo, ny teny milaza ny fotoana no atao aloha: Niasa adiny fito maninjitra aho. Ahitsio
Mandritsoka: (ritsoka) mt. p. (mandritsoha): Miteny mibitsibitsika amin'olona. ? Manoro malemilemy: Nisy nandritsoka izany heuitra izany an'it? zaza it? fa tsy hahita izany irery akory izy. Ahitsio
Mandrivana: (rivana) mi; p.: Mandrahona mafy amin-katezerana. Ahitsio
Mandrivirivy: Mirivirivy (riuy) p.t.: Enti-milaza ny kapoka, tehamaina mafy sady betsaka, sesilany: Kapoka mandriuirivy no nafitsok'i rainy azy. Ahitsio
Mandrivotra: (riootra) p.t.: Enti-milaza ny andro misy rivotra mitsoka: Nandriuotra ny andro aninaraina. 1 h.o.: Mihazakazaka mafy. Ahitsio
Mandrizana: (rizana) mt. p.: Mampitarazoka (raharaha, fanap ahan-kevitra... ). Ahitsio
Mandrizatra: (rizatra) mG p. (mandrizata): Manao teny feno hatezerana amin'olona. Ahitsio
Mandroaka: (roaka) mt. p. (mandroaha): Miambim-biby ka manaraka avy ato aoriana: Mandroaka omby. • Manosika handeha hihataka, hivoaka: Mandroaka akoho. 1 Manery hiala, manesotra: Mandroaka mpiasa. ~ Manao sesi-tany: Nandroaka ilay nihinam-bolam-bahoaka ny fanjakana. Ahitsio
Mandroatra: (roatra) mt, s.: Mitera-droatra, misy raotrany: Mandroatra ny rano mianjera amin'ny riana 1 Entimilaza ny vary handroina izay manomboka mamorivory: Efa mandroatra ny uary ka tsy ela dia ho masaka. ~ Mirehitry ny hatezerana tanrpoka: Nandroatra foana tsy nisy antony teo izy. ¶ M.h.: Misafoaka, mifoaka, mitroatra, misamontotra, mifoabe. Ahitsio
Mandroba: (roba) mt, p. (mandrobà): Maka an-keriny; manosy. Ahitsio
Mandrobaka: (robaka) mt. P. (mandrobaha): Mandoaka hatrany am-badika, managorobaka, maninteraka, manatrobaka. Ahitsio
Mandrobo: (robo) mt. p. (mandroboa): Mamitaka amin'ny teny mamy, mandokadoka: Loza Rangahy io raha handrobo ny lehibeny. ~ Mitaona, mitarika, mampiditra, mandroboka: Ianao ihany no nandrobo an-dRakoto tamin' io raharaha io. Ahitsio
Mandroboka: (roboka) mt. P. (mandroboha): Mandentika, manatsoboka, manasaika, manasôka, ao anaty rano: Tsy mahay mandroboka landy ao anaty rano-nato aho. ? Mambosy, mitaona, manambitamby hanao zavatra: lanao ue, ry Dadatoa, no handroboka ahy hanao zavatra toy izany? ¶ M. h.: Manasaika, manatsoboka, manoboka, manasoka, manitrika, mandentika, mitaona. Ahitsio