Savorovoro | : | a.: Saritadritaka, safotofoto, toetran'ny zavatra mikorontana sy tsy hita laniny. - t.i.f.: Savorovoroina, asavorovoro, voasavorovoro, tafasavorovoro 1 manasavorovoro, na mamorovoro, fanasavorovoro, na famorovoro, mpanasavorovoro, na mpamorovoro 1 anasavorovoroana, fanasavorovoroana 1 mi savorovoro, fisavorovoro, mpisavorovoro / isavorovoroana, fisavorovoroana 1 mahasavorovoro.
Ahitsio |
Savorovoroina | : | (sauorouoro) mt. ih. (sauorouoroy): Safotofotoina, korontanina.
Ahitsio |
Savovoka | : | a.: Fifololoran'ny vovoka, fanidinan'ny vovoka misafotofoto betsaka. 1 Antontany. - t.i.f.: Asavovoka, voasavovoka, tafasavovoka / manasavovoka, fanasavovoka, mpanasavovoka 1 anasavovohana, fanasavovohana / misavovoka, fisavovoka, mpisavovoka 1 isavovohana, fisavovohana 1 mahasavovoka / antsavovokal miantsavovoka.
Ahitsio |
Savovona | : | a.: Antontan-javatra miavosa. - t.i.f.: Asavovona, voasavovona, tafasavovona / manavovona, na manasavovona, fanavovona, na fanasavovona, mpanavovona, na mpanasavovona 1 anasavovonana, fanasavovonana / misavovona, fisavovona, mpisavovona / isavovonana, fisavovonana / mahasavovona 1 antsavovona 1 miantsavovona.
Ahitsio |
Saza | : | a.: Ahiahy, fiahiahiana. - F.-p.: Miala saza: manandrana kely amin'ny hanina aroso eo imason'ilay olona omena azy, toy ny fanalana ahiahy eo aminy.
Ahitsio |
Sazina | : | p.t.: Sahaza, antoniny, mifanentana: Sazina anao tsara io raharaha io ka mahareta eo.
Ahitsio |
Sazina | : | (sazy) mt. ih. (sazio): Omena famaizana: Nosazin' ny mpampianatra ny mpianatra rehetra tsy nanao ny entimody. 1 Helohina handoa sazy vola: Nosazin'ny fitsarana ariary iray alina ilay olona nisando-tsonia.
Ahitsio |
Sazohina | : | (sazoka) rnt, (sazohy): Alaina tsy an-drariny: Nosazohin'ilay kary ny bokiko.
Ahitsio |
Sazoka | : | a.: Fihamboana ho tompon-javatra, fanarahana zavatra tsy an'ny tena, sandoka. - t.i.f.: Sazohina, asazoka, voasazoka, sinazoka J misazoka, fisazoka, mpisazoka 1 isazohana, fisazohana / mahasazoka J sazotsazoka. - Tsy sazoka: tsy satry.
Ahitsio |
Sazy | : | p.t.: Sahaza, tandrify, tiana: Sazinao ue ity satroka ity houidiko ho anao?
Ahitsio |
Sazy | : | a.: Fampangirifiriana ny vatana, atao amin'ny olona iray nanao hadisoana mba hamaizana azy; famaizana; vola ampandoavin'ny fitsarana olona iray voaheloka.I Sazina, asazy, voasazy 1 manasazy, fanasazy, mpanasazy ) anasaziana, fanasaziana 1 misazy, fisazy, mpisazy 1 isaziana, fisaziana / mahasazy J sazisazy.
Ahitsio |
Sebisebena | : | (sebiseby) mt. ih. (sebisebeo): Ajanona amin' ny fivezivezena.
Ahitsio |
Sebiseby | : | a.: Selontselona, fivezivezena amim-pirotorotoana. - t.i.f.: Sebisebena, asebiseby, voasebiseby, sinebiseby, tafasebiseby J manebiseby, fanebiseby, mpanebiseby / anebisebena, fanebisebena / misebiseby, fisebiseby, mpisebiseby J isebisebena, fisebisebena / mahasebiseby.
Ahitsio |
Sedika | : | p.t.: Maimay, mihoalahoala tsy hahandry, maniry fatratra, mitady fatratra. ΒΆ M.h.: Jer. Sehotra.
Ahitsio |
Sedra | : | a.: Andrana, fitsapana zavatra mba hanamarinana ny maha-izy azy marina, ny maha-tsara na maha-sarobidy azy. - t.i.f.: Sedraina, asedra, voasedra 1 misedra, fisedra, mpisedra 1 isedrana, fisedrana 1 mahasedra.
Ahitsio |
Sedraina | : | (sedra) mt ih. (sedrao): Andramana: Efa nosedrainao ve io fiara kasainao hovidina io? 1 Tsapaina mba hanamarinana ny maha-izy azy marina, ny maha-tsara azy: Sedraina ny volamena sao tsy izy fa sandoka.
Ahitsio |
Sedy | : | sedisedy p. t.: Maika, may, - t.i.f.: Asedisedy, tafasedisedy J misedisedy, fisedisedy, mpisedisedy / isedisedena, fisedisedena / mahasedisedy.
Ahitsio |
Sefahana | : | (sefaka) mt.pdr. (sefaho): Tsofohana, sesehana: Sefahana hena ny mofo dipaina dia tonga sakafo tsara tokoa.
Ahitsio |
Sefaka | : | a,: Elanelana, triatra: Misy ahitra maniry eny antsefa-bato. - t.i.f.: Sefahana, asefaka, voasefaka, tafasefaka J manasefaka, fanasefaka, mpanasefaka J anasefahana, fanasefahana J misefaka, fisefaka, mpisefaka 1 isefahana, fisefahana 1 mahasefaka 1 sefatsefaka.
Ahitsio |
Sefosefo | : | a.: Fiainana manano sarotra fa toy ny tampina ny lalan-drivotra; fahasemporana noho ny tena misanehaka. - t.i.f.: Misefosefo, fisefosefo, mpisefosefo / isefosefoana, fisefosefoana.
Ahitsio |