Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sikilaonina: (fr. cyclone) a.: Rivo-mahery avy amin'ny tsindrin'ny atmosfera amin' ny toerana iray ka mampisondrotra ny rivotra manodidina azy, izay misangodina mifindra hatrany manaraka ilay toerana mifindrafindra koa; manimba izay rehetra sendra azy ilay rivotra mitambolina; rivo-doza. Ahitsio
Sikina: a.: Lamba ahodidina ny tena ka midina hatreo amin'ny lohalika: Naka lamba hataony sikina Rasoa dia lasa nanome hanina ny akoho amam-borony. • Fanodidinana lamba ny tena, ka ho an'ny lehilahy, eo amin' ny valahana no fatorana ilay lamba, fa eo ambany helika kosa ho an'ny vehivavy. 1 h.i.: a) Famorana na hasoavana: Sikin-jaza. b) Hafanam-po, faharisihana amin' ny asa. - t.i.f.: Sikinana, asikina, voasikina, tafasikina 1 manasikina, fanasikina, mpanasikina / anasikinana, fanasikinana 1 manikina, fanikina, mpanikina 1 anikinana, fanikinana / misikina, fisikina, mpisikina / isikinana, fisikinana 1 mahasikina / sikintsikina. - F.-p.: Sikim-balaka: lamba ahodidina ny valahana, ary asikina fotsiny fa tsy migehy mafy. J Sikim-bavy na sikin-tratra: lamba ahodidina ny tena ka hatreo arnin'ny helika no angiazana azy mafy. / Sikim-ponitra: lamba angiazana mafy ny valahana mba tsy hivaha eo am-panaovana raharaha. / Misikim-ponitra: miasa amin-kerimpo mafy. / Sikin-dahy: lamba ahodidina ny valahana rehefa miasa. Ahitsio
Sikinana: (sikina) mt. ih. (sikino): Hodidinina sikina: Sikino lamba izy. 1 Forana: Nosikinana omaly ny zandrinay faraiahy. Ahitsio
Sikisiky: a: Anaran-kafa ilazana ny varo-maizina. ¶ Varo-maizina, sikisiky, varotra an-kobohobo. Ahitsio
Siky: t.p.: Teny fandroahambiby. - t.i.f.: Misiky, fisiky, mpisiky / isikiana, fisikiana. Ahitsio
Silahina: (silaka) mt ih. (silaho): Anendahana sombiny kely: Silaho io hazo io. Ahitsio
Silaka: a.: Hazo na vy asisika eo amin'ny hazo efa natomboka hotsofaina mba tsy hanery ny tsofa, na tsofoka eo anelanelan'ny vato ka velezina mba hahavaky ilay vato. Ahitsio
Silaka: a.: Ny potiny na sombiny avy amin'ny zavatra novakina na vaky: Sila-mo fo. ¶ M.h.: Potika, sombina,vaky, tapaka. Triatra, na vaky: Silaka ny nifiko. 1 Menatra: Silaka aho notenenin'ny lehibe teo imason'ny mpiara-miasa. i t. if.: Siiahina, asilaka, voasilaka, sinilaka, tafasilaka / manilaka, fanilaka, mpanilaka I anilahana, fanilahana 1 manasilaka, fanasilaka, mpanasilaka / misilaka, fisilaka, mpisilaka J isilahana, fisilahana 1 mahasilaka J silatsilaka. Ahitsio
Silamo: (fr. islam) a.: Antokom-pivavahana naorin'i Mahometa, mirlo an'Andriamanitra tokana antsoiny hoe Allah, ary ny foto-pampianarany dia ao anatin'ny boky iray atao hoe Coran. Ny silamo dia miely eran'i Afrika (indrindra amin'ny Bany avaratra), any amin'ny tanin' ny Arabo, Tiorka, Irakianina, Iranianina...; tsy antokom-pivavahana fotsiny ihany ny silamo, fa mbola fitsipika iompanan'ny lalàm-panorenan'ny fanjakana misy azy avy. Ahitsio
Silamo: a. sady p.t.: Olona anisan'ny antokom-pivavahana miozolimanina, naorin'i Mahometa. Ahitsio
Silantsilana: p. t.: Pilaka sy maimay, jef(jefy, mitrafantrafana: Mahasosotra ahy ny toetran'ilay zazavavy silantsilana iny. - t.i.f.: Misilantsilana, fisilantsilana, mpisilantsilana 1 isilantsilanana, fisilantsilanana 1 mahasilantsilana. Ahitsio
Silarana: (silatra) mt. ih. (silaro): Analana sombiny kely: Nosilarany ilay koban-dravina nomeny an'i Lita zanany. Ahitsio
Silatra: a.: Poti-javatra nihelaka tamin'ny vatan-javatra lehibe. ~ p.t.: Nahafahana kely, dimbana. - t.i.f. : Silarana, asilatra, voasilatra, sinilatra, tafasilatra 1 manasilatra, fanasilatra, mpanasilatra / anasilaxana, fanasilarana / manilatra / misilatra, fisilatra, mpisilatra 1 isilarana, fisilarana / mahasilatra 1 silatsilatra. Ahitsio
Silianina: (fr. chilien) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Silia (Amerika atsimo). ? p.t.: Momba an'i Si-lia, an'i Silia na avy any Si-lia. Ahitsio
Silina: (sily) mt. ih. (silio): Enti-milaza zavatra izay tsy anomezana betsaka fa sombiny kely foana: Efa silinareo izaitsizy ity siramamy! Nahoana moa raha dia tsy ornenareo mihitsy izahay? ? A-midy na vidina lafo dia lafo. Ahitsio
Silisily: (Ski) a.: Rojom-batofantsika. Ahitsio
Sily: a.: Lamba na kofehy landy mena mivaivay sy midorehitra. ? Halafosan-javatra. 1 p.t.: Lafo. 1 Enti-milaza zavatra izay tsy anomezana afa-tsy sombiny kely dia kely. - t.i.f.: Silina, voasily, sinily 1 silisily 1 manilisily, fanilisily, mpanilisily / anilisiliana, fanilisiliana 1 misilisily, fisilisily, mpisilisily 1 isilisiliana, fisilisiliana / mahasilisily. Ahitsio
Sima: p. t.: Nahafahana na vaky simaka ny molotra, misy rava na tsy mitovy sisina amin' ny namany. - t.i.f.: Simaina, voasima 1 manima, fanima, mpanima 1 animana, fanimana / mahasima. Ahitsio
Simahina: Simahana (simaka) mt. ih. (simaho): Alana, tsoahina amin'ny fisintonana azy: Simaho io rantsan-kazo io. Ahitsio
Simaina: (sima) mt. ih. (simao): Vakina atao dimbana (ny molotra ambony na ny morona). Ahitsio