Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tendra: a.: Pentina mainty kely tsy mety afaka eny amin' ny hoditra. - F.-p.: Tandra vadin-koditra: zavatra tsy mahay misaraka amin'ny zavatra hafa iray: Tandra vadin-koditry ny olombelona ny aretina. Ahitsio
Tendrena: (tendry) mt, ih. (tendreo): Kasihina amin'ny loharantsana: Notendreko ny sorony dia niherika izy, • (zavamaneno fitendry) Kasihina mba hamoaka feo: Notendreny ilay gitara ka nangina daholo ny tao an-trano. * Tondroin'ny lehibe na ny fanjakana hanao zavatra na hiasa amin'ny toerana iray: Tamin'ny 1972 izy no notendrena ho any Toamasina. * Asiana mari-tsindrimpeo: Tokony hotendrena ny a faharoa amin'ny teny hoe "lalàna ". 1 Ihinanana kely. Ahitsio
Tendro: a.: Ny ilany ambony indrindra, ny tampony amin' ny zavatra iray lava na avo: Tapaho ny tendron'io tady io. / Misy sarin'akoholahy er? an-tendron'ny tranon-dakolosy. 1 Tendroina, voatendro, tinendro / manendro, fanendro, mpanendro / ariendroana, fanendroana / mitendro. * F.-p.: Tendron'orona: ny faritra mandroso indrindra amin'ny orona. J Tendrontaua: Ny taolana na faritra mivohitra amin'ny tava eo ambany kelin'ny maso, taolan-tava. / An-tendro-molotra: enti-milaza filazana teny na fanaovana asa soa ety ivelany fotsiny fa tsy latsaka anaty; enti-milaza koa teny toa efa ao am-bava ao fa tsy tafavoaka. / Mandray an-tendrony: tsy mbola mahalala izay tena antony akory dia mitsara sahady. / Eny amin' ny tendrony: eny amin'ny laingony avo indrindra amin'ny hazo. / Tany an-tendrony: tany am-boalohany, tany am-piandohana. Ahitsio
Tendro: a: Mari-tsoratra (') fanao eo amin'ny zanatsoratra misy tsindrimpeo: lalàna. Ahitsio
Tendroilo: a.: Karazan'ahitra (Crotalaria tentas, Baker). Ahitsio
Tendroina: (tendro) mt. ih. (tendroy): Raisins, alaina amin'ny tendrony. Ahitsio
Tendrombohitra: a: Havoana lehibe hita mandondona avo sady sarotra anihina, - t.i.f.: Manendrombohitra. - F.-p.: Tandauan-tendrombohitra: tendrombohitra mitandavana mitohitohy hatrany. / Tangoronan-tendrombohitra: tendrombohitra mitangorongorona betsaka. * Ohab.: Tendrombohitra fandrian'ny zauona;lohasaha fandrian'ny moka; sakeli-drano fandrian'ny mamba; izaho, kely fandrian'ny saina: enti-milaza fa samy manana ny andrafkiny avy ny olona, na koa enti-milaza ny mahaambony ny olombelona, izay kely sy bitika miolotra amin' ny zavaboary nefa mihoatra azy ireo noho ny sains,. / Tendrombohitra sy zauona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona: enti-milaza ireo olona velonkorana er$ rehefa tafahaona, nefa rehefa tafasaraka tsy mifampahatsiaro akory, na dia an-taratasy tua. / Tendrombohitra tsy ilaozan'ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan'adala, kabary be tsy ilaozan-diso: entina miala tsiny ka ilazana fa amin'ny zavatra maro atao tsy maintsy misy izay tsy metimety, misy kilemany. Ahitsio
Tendry: a.: Fikasihana kely zavatra. • Fikasihana zavamaneno mba hamoahany feo: Tendry valiha. • Fihinanana zavatra kely. • Teny na didy manondro olona hanao zavatra, na manondro ny zavatra hataony na ny toerana halehany: Tendry avy amin'ny lehibe izany. ? Fanondroana avy amin'Andriamanitra mahatonga ny olombelona hiharan'izao sy izao: Ry foko ô, mion?na... manaouaalahelo hendry — ka ekeo ho fitondrana ny anjara sy ny tendry (Dox). • Fanondroana olona, torotorohana: Tan-dry mosauy. •Ilay mari-tsindrimpeo atao eo ambonin' ny tarehintsoratra a na f na o: à, f, d. 1 Tendrena, atendry, voatendry, tinendryJmanendry, fanendry, mpanendry J anendrena, fanendrena / mitendry, fitendry, mpitendry / itendrena, fitendrena J mahatendry / tendritendry. * F.-p.: An- tendry: fikasikasiham-poana. Ahitsio
Tenehina: na Tanehina (tanika) mt. ih. (taneho, teneho): Ampangotrahina, andrahoina, empoina: Notenehiny adiny iray ny hena vao masaka 1 Enjehina sy zohina tsy an-kijanona, tanarahina: Tenehin' ny tompon-trosa izy ka tsy tamana teto amin'ny fokontany. Ahitsio
Tenenina: (teny) mt. ih. (teneno): Avoakan'ny vava, lazaina: Teny tsy azo tenenina izany. (• Amhara, lazaina: Tsy hay tenenina ny zauatra nataony. ? Didiana, omena teny, baiko: Hoteneniko izy mba hamangy anao. ? Anarina na tezerana fa nanao ratsy: Teneno kely ny zanakao fa manimba ny uoninkazonay amin'ny baoliny. ¶ M. h.: Tezerana, terezana, levilevena, baibaisina, bedesina, besobesoina, karamentsonina, kitakitaina. Ahitsio
Tenerina: (tenitra) mt, ih. (tenero): Esoina, tebahina. Ahitsio
Tenina: a.: Ahitra lavalava manindrona sahala amin'ny tsilo raha vao mitsify ny raviny ary fanao tafon-trano. Ahitsio
Tenindahy: a.: Karazan-tenina maina amin'ny ririnina. - F.-p.: Tenindahy ririnina: raha sendra misy mahita ny tenindahy mamony amin'ny ririnina (fotoana mahamaina azy) dia mihevitra izany ho fambara loza. Ahitsio
Tenirohy:Teny iray mirohy mivantana amin'ny hevitra maro mitovy sokajy aminy. Matetika dia ialohavan'ny marika # mba ho famantarana azy. [Anglisy] Hashtag Ahitsio
Tenisy: (fr, tennis) a.: Lalao fanatanjahan-tena ifaninanana mpilalao roa na efatra (roa an-kilany avy), izay mikapoka baolina kely amimpahakingana sy tanjaka eo ambony harato mivelatra mitsangana ary ao anaty faritra tsy azo amelana ny baolina hivoaka. Ahitsio
Tenitra: a.: Teny fanesoana a-tao amin'ny fomba toa mieboebo; tebaka; fanakianana miaraka amin'ny fiheverana ny sasany ho tsinontsinona. i Tenerina, voatenitra J manenitra, fanenitra, mpanenitra J anenerana, fanenerana / mahatenitra. Ahitsio
Tenomina: (tenona) mt. ih. (tenomy): Atao tenona, izany hoe, atao lamba amin'ny fampidipidirana ny kofehy mitsangana sy mitsivalana: Notenomin'ny Ntaolo ny tsiratsiraky ny uatan'akondro nanaovany lamba atao hoe lamba sarika. Ahitsio
Tenona: a: Fanaovana lamba amin'ny fampidipidirana karazan-kofehy roa: ny tenany mitsangana ary ny fahany mitsivalana: Mahay tenona ve ianao? ? Ny lamba vita araka ny voalaza etsy ambony: Mafy ve ny tenona betsileo? t.i.f : Tenomina, voatenona / manenona, fanenona, mpanenona / anenomana, fanenomana / mahatenona. Ahitsio
Tentenana: (tentina) mt. ih. (tenteno): Asiana loko mitsitentitentina: Notentenany lako maitso ny efitrano fandriany. ? Tsentsenana: Tenteno savoka ity tauy ity fa mitete. 1 Ampiana, fenoina: Tsy misy madiiana hotentenana ny teninao. 1 Alana baraka: Notentenany vava ratsy aoka izany aho. Ahitsio
Tentimora: a.: Taniravo atentina ny handrin'ny marary ho fanafody. Ahitsio