Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tetehina: (tetika) mt. ih. (tete-ho): Didlanamadinika; Tete-ho ny hena fa maika harotsaka. 1 Eritreretina mialoha ary alaina ara-keviny izay mety ho fandehany; Notetehin'ny jeneraly tsara ny ady notarihiny ka resy ny fahaualo. ? Dinihina an-tsipiriany: Teteho tsara ny vola miditra sy mivoaka rehefa mana0 zavatra. Ahitsio
Tetena: (tety) p, t.: Rakotry ny forofotry ny tety. Ahitsio
Tetevana: (tete) mt. pdr. (tete-vo): Ampidinana (rano na fanafody) mitsitaitaika: Teteuo fanafody indroapolo ity rano eran'ny vara ity. Ahitsio
Tetezamita: a.: Fotoana na fomba manelanelana fotoana na fomba roa izay toa tetezana mampita avy amin'ny ananklray mankamin'ny faharoa: Taorian'ny namonoan' ny sasany ny Filoham-pirenena Kolonely Ratsimandraoa, dia nisy tetezamita nitondran'antokon'olona nomena anarana hoe "directoire", Ahitsio
Tetezana: a.: Rafitra (hazo na vato na vy) atao hampitohy ny laniny roa amin'ny hady na renirano iray. - F.-p.: Teteza-mita: fotoana andalovana raha misy toejavatra miova ka tsy vita avy hatrany ny fiovana fa tsy maintsy mandeha miandalandalana. / Tetezam-bava: filazana amin'ny olona iray, ary dia io kosa milaza amin' ny hafa. / Tetezan-drano: lakan-drano. / Tetezan'olona: iraka alefa hitondra ny taratasim-panjakana ao amin' ny tanàna iray, ary ny ao kosa indray manatitra azy any amin'ny vohitra hafa, ka toy izany hatrany. / Tetezan-ka- nina: sakafo masaka mitandahatra mitohitohy eny andalana. / Tetezan'orona: ilay rirana hatreo ambanin' ny handrina ka hatreo amin' ny tendron'orona. J Tetezana tsy efa: toe-draharaha tsy mety vita sy maharitra ela. Ahitsio
Tetezina: (tety) mt. ih. (tetezo): Lalovana andehanana eo amboniny: Hazo manify kely iny no noteteziny ne-fa tsy nianjera izy. / Efa noteteziko iny faritany atsimo rehetra iny. 1 Jerena tsirairay, aleha tsirairaY: Noteteziny daholo ny havany talohan'ny nandehanany. - Havan-tetezina: havan-davitra, ka efa fakafakaina vao fantatra ny mahampihavana. Ahitsio
Tetiarana: na Tetirazana (tety) a.: Tantaran'ny niandohan' ny razana niaviana sy ny fifandfmbiasan'ireo taty aoriana. Ahitsio
Tetika: a.: Fandidiana na fanapatapahana zavatra ho madinika, na ny zavatra voatapatapaka na voadidy madinika toy izany: Tetika mangahazo. / Fandinihan-javatxa amin'ny antsipiriany: Tetikevitra. / Nahomby ny tetiky ny fokonolona tamin' iny. / Fikasana hanao zavatra efa nodinihina tsara na-tao maty paika: Betsaka ny tetikay ny amin'io tany io. 1 Firaisan-tsaina hanao zavatra, izay saika matetika ratsy; fiokoana: Teti-be. - t.i.f.: Tetehina, atetika, voatetika, tinetika 1 mitetika, fitetika, mpitetika / itetehana, fitetehana 1 mahatetika / tetitetika / matetika. - F.-p.: Tetik'ady: hevitra voalamin'ny mpitari-tafika ho enti-mandresy ny fahavalo. / Teti-bato: tetika manao izay hahazoana betsaka ho an'ny tena amin'ny farany. / Teti-be: firaisana hanao ratsy. / Teti-dela: fahaiza-mamitaka amin'ny lahateny a-tao. / Teti-dratsy: hevitra feno haratsiana hamelezana ny hafa. / Teti-dromotra: fifandisoan'ny tetika, ka ny an'ny tena no efa noheverina hahavoa, kanjo ny ankilany indray no naharesy. / Tetik'ala: fisavan-dalana alo= han'ny hidirana ny ala. / Teti-karena: famakafakana ny miditra sy ny mivoaka amin' ny haren'ny tena. / Tetik' emboka: fiaraha-mihevitra amin'ny habetsahana na hakelin'ny vola hiaraha-mandoa hanaovan-javatra. / Tetipohy: enti-milaza ny mangahazo lena izay tetehina madinika no fomba fahandroana azy. J Teti-potsy: fitetehana ny mangahazo aorian' ny famoasana azy. / Teti-panorona: enti-milaza fahakingana sy fahamalinana hamahana toe-javatra misaritaka izay mifaningotsingotra be ihany. / Miray tetika: firaisana amin'ny teti-dratsy. / Tetika iraisana: hevitra ifanarahana. ¶ M.h.: Miray tetika, manao tetika iraisana, manao na miray teti-dratsy, manao tetik'emboka, mioko, mitakomba, manao komahaY, miray tsitakomba, miray na manao tsikombakomba, iray petsapetsa, mikomy, mivarilena, mifankahazo resaka, manao volo nglta mifandray tendro, manao kitapo miarapeno, manao kopaka isasahana, manao parasy mitovy vo-Io, manao talapetraky ny mpiaotra, manao akondro mifanakon-dravina, iray kondrikondry, olona iray tetika. Ahitsio
Tetirazana: a.: Jer. Tetiarana. Ahitsio
Tety: a.: Aretim-parasisa avy amin'ny mikraoby manokana azo amin'ny fitondran-tena ratsy, ka ny amantarana azy voalohany dia fery kely izay antsoina koa hoe "kobay mafy";mafimafy io fery io ary ny isehoany dia eo amin'ny hoditra sy ny faritra mitsiranorano eo amin'ny ankasarotana ary indraindray aza eny amin'ny vava sy ny molotra. Ahitsio
Tety: a.: Asa atao rehefa mandalo mandeha eo ambony zavatra manaraka ny lavany: Tsara tety ny faritany tamin' io Solombavambahoaka io. - t.i.f.: Tetezina, atety, voatety, tinety, tafatety / mitety, fitety, mpitety 1 itetezana, fitetezana 1 mifampitety / mahatety / tetezana, - F.-p.: Tety afo: vanja araraka atao mitanjozotra na koa enti-milaza ny feo na ritsodritsoka resahina ombieny ombieny. J Tety afon-kevitra: lahateny apariaka ho ren'ny etsy sy eroa. / Tety hoaka: ilazana ny vavan-drafitra amin'ny varavarambe. / Tety razana: fitantarana ny fiandohan'ny razana niaviana. Ahitsio
Tevana: a.: Hady makadiry, lavaka lalina sy lehibe. a An-tevana: anaty fahoriana. Ahitsio
Tevateva: a.: Teny manaratsy, maniratsira ny fahamendrehan'ny olona iray. - t.i.f.: Tevatevaina, tevatevazina, atevateva, voatevateva, tinevateva 1 manevateva na mitevateva, fanevateva na fitevateva 1 anevatevana na itevatevana, fanevatevana na fitevatevana 1 mahatevateva. Ahitsio
Tevatevaina: na Tevatevazina (tevateva) mt. ih. (tevatevao, tevatevazo) : Haratsina, tsiratsiraina, atao tsinontsinona: Nahoana no tevatevainao ny raiko? Ahitsio
Tevehina: (tevika) mt. (teveho): Loahana: Notevehin' ny mpampiuelona ny sofin' ny zafikeliko vrac. / Tana-na (amin'ny paingotra): Teveho paingotra ity taratasy i ty. Ahitsio
Tevika: a.: Jer. Pnemonia. Ahitsio
Tevika: a.: Fanaintainana ohatra ny misy manindrona. 1 Aretina avy amin'ny bibikelinaretina izay andrenesana fanindrontsindronana ao anaty tratra. 1 Loaka amin' ny ravin-tsofina asiana kavina. 1 Ny loadoaka amin'ny zaitra, na ny fanjaitra. - t.i.f.: Tevehina, atevika, voatevika, tinevika, tafatevika / manevika, fanevika, mpanevika / anevehana, fanevehana 1 mitevika, fitevika, mpitevika 1 itevehana, fitevehana 1 mahatevika. - F.-p.: Tevi-Nanahary: entimilaza ny ravin-tsofina efa misy loaka hatrany an-bohoka. / Tevi-doha: ilazana ny ran'orona avy amin'ny are-tin' andoha. * Ohab.: Tsy toha ny teuidohan'ny madinika: Mahasahiran-tsaina n? lehibe ny faninian'ny madinika. Ahitsio
Tevina: ft.: Toetran'ny zavatra tsy manify fa lehibe ny indrakeliny ; sosona. - t.i.f.: Matevina, hatevina, hatevenina, voatevina 1 manatevina, fanatevina, mpanatevinal mankatevinal anatevenana, fanatevenana 1 mahatevina / mihatévina na mihamatevina. Ahitsio
Tevy: a.: Fanapahana sy fandorana hazo eny an'ala mba hiasana ny tany nialany. Ahitsio
Teza: a.: Fahelana. 1 Toetran' ny zavatra naraikitra mafy; zavatra najoro ho fahatsiarovana maharitra ka naorina sy nohamafisina tsy hianjera. i tif: Tezaina, ateza, voateza / miteza, fiteza / mateza / hateza, hatezana, fahateza, fahatezana. * Ohab.: Miandry teza ho lavo: Enti-milaza ny fiandrasana ny tompon-javatra iray — na vavolombelona — ho faty vao manaraka an'io zavatra io. Ahitsio